Falaohy | : | (Ski) a. : Foto-drambon' ny hazandrano toy ny antsantsa, trozona.
Ahitsio |
Faleha | : | (leha) a. : Enti-milaza ny lalana na ny toerana andehanana mandrakariva, na ny olona avenfnamandrakariva : Any Ankadindambo no falehanay rehefa andro fitsangantsanganana. / Ry dadabe no falehanay any Antsahafiraisana.
Ahitsio |
Falia | : | na Vatofalia a. : Karazam-bato tena mafy izay ampifampipehina mba hahazoana pitik' af o.
Ahitsio |
Falihavanja | : | a,: Fibitahana sy fandihizana. - t.i.f. : Mifalihavanja.
Ahitsio |
Falimpo | : | a. : Vola na zavatra omena olona nanao asa ho an'ny tena, ambonin'ny karamany, mba ho mari-pankasitrahana noho ny soa nataony na kely na be.
Ahitsio |
Falina | : | Falifalina (faly) mt.ih. (folio, falifalio) : Atao tonga falifaly : Falifalina amin'ny fanomezana kilalao betsaka ny zaza vao avy natao hasoaoana.
Ahitsio |
Faly | : | Mahatsiaro fiadanam-po sy saina noho ny fahatanteraham-paniriana na fahazoam-pahasoavana ka mampiseho izany etp ivelany , amin'ny tsikitsiky na hira na dihy. 1 t.t.f. : Falina, falifalina, afalY I mifaly, fifaly, mpifalY 1 ifaliana, fifalfana ) mahafalY 1 mamalifalY. ¶ M.h, : Faly, ravo, mirana, mariaka, sariaka, somariaka, mintsimintsy, feno haravoana, dibo-kafaliana, sija, finaritra, diavolana ny fo, diavolana ny kibo, andihizam-papelika ny fo, afa-po, foladrairay. Mifaly, mibitaka, mipi-kelika, mihoby, miarahaba tena, mitaba, mitavana, mientan-kafaliana, mifalihavanja, miriaria, miriadriaka, mihavatravatra, mampandihy ampinga, mitsipy sandry. - F,-p, : Faly ambonin-doza: faly alohan'ny fotoana ka tsy mbola azo antoka akory ny antony nifaliana dia nivadika ho alahelo sahady, / Faly malahelo : sady faly no malahelo. / Falim-po (fer, io teny io) faly ravina, faly volony : faly ambony ihany : faly mahita ny raviny noho ny fanantenana fa tsy maintsy misy voany ao ambadika, na mahita ny volony fa hoe arakara-tarehy voa-javatra. / Faly sahirana : faly mahazo zava-tsoa nefa sahirana amin'ny fampiasana na fikarakarana azy.
Ahitsio |
Famaboabo | : | a.: Fanavoavo, fanaingainga, fanambony; fidera fatratra; fanondrotra.
Ahitsio |
Famaboaboana | : | (abo) a. : Fanavoavoana, fanaingaingana, fanamboniana, fiderana fatratra, fankalazana izaitsizy; fanondrotana, fampakarana.
Ahitsio |
Famaboana | : | (babo) a : Fakana ho babo; fandrobana; fakana ho onitra.
Ahitsio |
Famadidirana | : | (fadiditra) a : Fanorongoronana.
Ahitsio |
Famadidirana | : | (vadiditra) a. : Fandadinana.
Ahitsio |
Famadiditra | : | (vadiditra) a. : Fomba entina mamadiditra,
Ahitsio |
Famadihana | : | (vadika) a. : Fanaovana zavatra hiamboho, na hivadika ka ny ambony lasa ambany. • Fampisehoana ny ila na lafiny tsy mbola niseho : Ianao no hampiandraiketina ny famadihana ny boky. ~ Fiovan'ny olona nitokisana nanjary mpamely na fahavalo : Ny famadihana tanindrazana no isan'ny heloka bevaua indrindra.
Ahitsio |
Famadihana | : | (vadika) a : Fomba arahin'ny foko malagasy sasantsasany ho mari-panajana ny Razana sy fangatahampitahiana aminy. Misy karazany roa ny famadihana: fitondrana ho ao am-pasandrazana ny taolambalon'ny olona maty tany an-tany la-vitra nalevina tamin'ny fasana aniritra fotsiny; / famonosan-dambamena isaky ny dimy, fito na foin tanna, ireo maty milevina ao amin' ny fasan-clrazana.
Ahitsio |
Famadika | : | (vadika) a : Fomba entina mamadika. • p.t. : A-' zo avadika : Ny sakaiza tiana tsy mba famadika.
Ahitsio |
Famafana | : | (fafa) a : Fanesorana ny loto, ny fako ; na zavatra entina hanesorana ny loto, ny fako : Ilay kifafa bory no famaf ana ny lalantsara
Ahitsio |
Famafanana | : | (fafana) a : Fandraraham-pofona manitra.
Ahitsio |
Famafazana | : | (fafy) a. : Fanapariahana voa amin'ny tany mba haniry, na fanapariahana rano amin'ny tanana mba hoenti-manamasina.
Ahitsio |
Famaha | : | (vaha) a : Fomba entina mamaha, manala fatotra : Atao ahoana no famaha it9 tady kely ity 0
Ahitsio |