Litera f

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Famahana: (uaha) a : Fanaborahana; fanalana fatorana; fanatsoahana, fanapahana (fanekena) . Ahitsio
Famahanan-tenona: a. : Zavatra horonan'ny kofehy atao fahan' ny tenona ka atsofoka ntifandimbindimby avy ankavanana sy avy an-kavia rehefa manenona. Ahitsio
Famahanana: (fahana) a : Famikirana, fisarangotana amin'ny zavatra iray mba tsy hianjera. Ahitsio
Famaharana: (fahatra) a. : Famikirana, fitokonana tsY mety mandeha. Ahitsio
Famahazana: (fahy) a. : Fanatavezana. Ahitsio
Famaho: a. : Karazan-javamaniry fanao ody nify ny fakany. Ahitsio
Famahoahana: (vahoaka) a Famoriana olona vitsivitsy mba hiasa sy famahanana azy avy eo. ? Fametrahana ho takatry ny vahoaka, fampielezana amin'ny vahoaka : A-nisan'ny zaua-dehibe eo amin'ny fampandrosoana ny famahoahana ny fampianarana. Ahitsio
Famahoaka: (vahoaka) a. Fomba entina mamahoaka na mamory vahoaka. Ahitsio
Famahoana: (faho) a. : Fampifangaroana. Ahitsio
Famahorana: (vahotra) a. Fampitahorana. Ahitsio
Famahotra: (vahotra) a. : Fomba entina mamahotra, mampitahotra. ? p.t: Azo vahorina, ampitahorina, atao vahotra. Ahitsio
Famaika: (vaika) a. : Fomba entina mamaika na manatrana basy. Ahitsio
Famaikana: (vaika) a. : Fanatrànana basy. Ahitsio
Famaingavainga: (vainga) a. Fomba entina mamaingavainga, mandidy hena atao vaingany lehibe. Ahitsio
Famaingavaingana: (vainga) a. : Fandidiana hena ka atao vaingany lehibe. Ahitsio
Famakafakana: (faka) a. : Fanadihadiana sy famoaboasana zavatra iray hahitana ny tena fotony; fandinihana, famotopotorana, fanadihadiana. Ahitsio
Famakiakora: a. : Karazam-borona, izay atao koa hoe Famakisifotra (Anastomus Madagascariensis). Ahitsio
Famakiana: (vaky) a. : Fampitresahana / fandalovana eo afovoany / fampisehoana ho fantatry ny be sy ny maso J fanasaratsarahana ny teny voasoratra mba hahaz nana ny hevitra ao anatiny : Nandrasana mafy ny famakiana ny taratasin'i dada. ? Karazam-panafody atao fampivalanana. Ahitsio
Famakiloha: a. : Biby maitsomaitso sahala amin'ny valala, ary misy toy ny famaky eo amin'ny vavany, izay nahatonga ny anarany (Mantis religiosa). Ahitsio
Famakisifotra: a. : Karazamborona izay atao koa hoe Famakiakora (Anastomus Madagascariensis). Ahitsio