Famantaranavaratra | : | a. : Fitaovana tantra entina mamantatra ny avaratra amin' ny alalan'ny takela-by lavalava toy ny sahazam-pamantaranandro misy andriamby, ka manondro ny avaratra mandrakariva ny tendron miloko manga, ary ny atsimo, ny tendrony mlloko mena.
Ahitsio |
Famantarandrivotra | : | a. : Zavatra ahodin'ny rivotra ka ahalalana ny hamafin'ny fitsokan'ny rivotra sy ny fiaviany, na avy atsimo na avy avaratra.
Ahitsio |
Famantohana | : | (fantoha) a.: Famantsihana.
Ahitsio |
Famantsihana | : | (fantsika) a : Fandraiketana amin'ny fantsika.
Ahitsio |
Famantsy | : | p.t. : Enti-milaza toetr' olona fetsy sady kinga aoka izany amin'ny fahitana hevitra na tetika. ΒΆ M.h. : Kinga, fetsy, konjo.
Ahitsio |
Famaohana | : | (faoka) a. : Lamba, tapa-damba entina mamaoka, manesotra loto.
Ahitsio |
Famarafarana | : | (fara, farafara) a. : Fanaovana resaka mialoha ifanarahana mba tsy hisy fifanolanana any aoriana.
Ahitsio |
Famaraingoana | : | (faraingo) a. r Fanaovana izay hifelohan' ny lohakeliny.
Ahitsio |
Famarana | : | (fatra) a. : Fitaovana entina mamantatra ny fatran'ny zavatra iray : Maro ny famaran'ny Ntaolo toy ny vata, ny zinga...
Ahitsio |
Famaranana | : | (farana) a. : Teny atao amin'ny faran ' ny lahateny na lahatsoratra mba ho fehin' izay voalaza / famitana, fanaperana.
Ahitsio |
Famarina | : | (varina) a. : Fomba entina mamarina, manosika hianjera. ? p.t. : Azo avarina.
Ahitsio |
Famarinana | : | (varina) a. : Fanosehana am-Pidinana ( fanjerana / fandefasana entam-barotra any an-tsiraka, any ampita.
Ahitsio |
Famaritana | : | (faritra) o. : Fanasiana faritra, tsipika manodidfna, famalana, famerana.
Ahitsio |
Famaritsohana | : | (faritsoka) a. Fikapohana amin'ny rotsakazo, kotopia, karavasy.
Ahitsio |
Famarivary | : | (varivary) a. :Fomba entina mamarivary na mametaka varivarinY amin'ny tafo.
Ahitsio |
Famasavasa | : | (vasavasa) a. Fomba entina mamasavasa na mamakafaka hatramin'ny antsipiriany madinika. ? p. t.: Azo vasavasaina.
Ahitsio |
Famasavasana | : | (vasauasa) a. famakafakana hatramin' ny antsipiriany madinika,
Ahitsio |
Famasoka | : | (vasoka) a. : Fomba entina mamasoka, manala baraka. 1 p.t. : Azo vasohina.
Ahitsio |
Famata | : | (Ski) a. : Hazo marokoroko tsy misy ravina', fanaovana dity mafy ny ranony ka anditiana lakana na hazo fisaka hafa.
Ahitsio |
Famato | : | (vato) a. : Toetran'ny zavatra mamato, izany hoe mivontovonto mafimafy. 1 Ody lazaina ho maharo ny fana-nana amin'ny mpangalatra na amin'ny loza.
Ahitsio |