Fambara | : | a. : Zavatra miseho mialoha ka entina mamantatra izay ho avy aoriana : A-lohan'ny hipoahan'ny afotroa, hono, dia misy fambara. 1 Filazana mialoha na ho soa na ho ratsy : Misy milaza fa ny sakanan-goaika dia fambara tsara.
Ahitsio |
Fambata | : | (bata) a. : Fomba entina mambata, manainga na mitondra zava-mavesatra : Toy izao no fambata io uata io. 1 p.t. : Azo bataina : Tsy fambata ny zavatra toy io.
Ahitsio |
Fambatana | : | (bata) a. : Fanaingana na fitondrana zava-mavesatra amin'ny tanana, (mitovY amin'ny fibatana).
Ahitsio |
Fambeda | : | (beda) a. : Fomba entina mambeda, izany hoe misambotra zavatra na olona ka mamihina azy ao anatin' ny sandry anankiroa mba tsY ho afa-mikofoka, ~ p.t. : A-zo bedaina.
Ahitsio |
Fambedana | : | Fanabedana, Fibedana (beda) a. : Fisamborana zavatra na olona izay fihinina ao anatin'ny sandry anankiroa mba tsy ho afamikofoka.
Ahitsio |
Fambitsihana | : | (bitsika) a : Filazana zavatra moramora eo akaikin'ny sofina mba tsy ho henon'ny hafa.
Ahitsio |
Fambobana | : | (bobo) a. : Fividianana mora dia mora.
Ahitsio |
Fambolena | : | (vols() a : Fampaniriana (amin'ny famafazana voa na fanatsatohana taho) : Aza mipetra-potsiny fa taom-pambolena izao. 1 Ireo voly ambolena : Nosim ban' ny ombinareo ny fambolenay,
Ahitsio |
Famboly | : | (vola) a. : Fomba entina mamboly Toy izao no famboly katsaka. ~ p.t. : A-zo ambolena : Haxo tsy famboly, hono, io fa mahafaty tanora.
Ahitsio |
Fambomba | : | (mbomba) a : Fomba entina mambomba.
Ahitsio |
Fambombana | : | (mbomba) a, Fandrakofana, fanaronana.
Ahitsio |
Fambonoka | : | (bonoka) a. : Fomba entina mambonoka, mandrakotra lamba mba hanafanana. 1 p,t. : Azo bonohina, azo rakofana mba hafana.
Ahitsio |
Fambosiana | : | (ambosy) a. : Fitarihana, fitaomana, famokisana.
Ahitsio |
Fambosibosehana | : | (bosibosika) a, : Fihinanana haingana ara be; fiosanosanana sy fandrapadrapahana ny sakafo eo am-pihinanana.
Ahitsio |
Fambosy | : | (ambosy) a. : Fomba entina mambosy na mamoky, mitaona, mitarika. ? p. t. : Azo ambosina.
Ahitsio |
Fambotriana | : | (botry) a. : Fanaovana izay hahabotry, hampahantra.
Ahitsio |
Famefehana | : | (fefika) a, : Fanaovana izay hahafefika, hahavaky : Anjaran'ny lehiben'ny sambo ny famefehana ny sambony mita hitanY fa tlaina.
Ahitsio |
Famefena | : | (fefy) a, : Fanasiana fefy, vala, zavatra miaro manodidina : Ny famefena na tanimboly ihany no tsy idiran'ny akoho sy na biby ho-fa ao.
Ahitsio |
Famehezana | : | (fehy) a : Famatorana.
Ahitsio |
Famela | : | (vela) a. : Fomba entina mamela. ? p.t. : Azo a-vela : Heloka tsy famela ny anao.
Ahitsio |