Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Haizina: (izina) a.: Hamaizinana, fanjombonana. Ahitsio
Haja: a.: Fanaovana ho zavatra, toetra mahatonga hoheverina ho zavatra: Lehilahy manankaja io. 1 Mariky ny fiheverana ho zavatra: Omeo hala izy. at t.i.f.: Voahaja, hajaina / ma-naja, fanaia, mpanaja / anajana, fanajana / milaja, fihaja, mpihaja. - F.-p.: Hajam-bolana: teny entina milaza ny vodiondry izay omen-drazazalahy ny ray aman-drenin-drazazavavy ho fehin'ny fanambadian' izy ireo. / Haja sy voninahitra: fahamendrehana ananana; entina manondro koa ireo olona manotrona amin' ny fivoriana iray, na an-karatsiana izany na an-kafaliana. Ahitsio
Hajaina: (haja) mt. ih. (hajao): Omena haja; heverina ho zavatra: Hajain'ny mpianany io mpampianatra Karakaraina: Hajao ny fitafianao. a F,-p.: Mandady hajaina: omem-boninahitra, nefa minia mamarina ny tenany amin' ny toetra tsy mahomby. Ahitsio
Hajamba: Hajambana, Faha• jambana (jamba) a.: Tsy fahitana; toetran'ny olona tsy mahita ny masony: Anisan' ny fahoriana lehibe ho an'ny lombelona ny fahajambana. Ahitsio
Hajambaina: (jamba) mt. th. (hajambao): Atao izay hahajamba, potsiri-maso mba tsy hahita: Nohajambain'ny habokana izy. ~ H,o,: Voatampina ny mason'eritreritra: Nohajambain'ny vola Rangahy io ka ny zanany avy no namidiny. Ahitsio
Hajarina: (hajary) mt. ih. (hajario): Amboarina. Ahitsio
Hajary: a.: Fanamboarana, fanitsiana. ~ Haja. i t.tL: Hajarina, voajary / manajary, fanajary, mpanajary / anajariana, fanajariana f mahajary. Ahitsio
Hajia: a.: Vola (na zavatra) fandoa araka ny fomba efa narahina ela ho fanajana sY ho fanoavana ny mpanjaka na ny tompomenakely na ny olona ambony. (Hatramin'ny vodiakoho naterina ho an' ny ray aman-dreny avy aza dia natao hoe hajia, ka araka izany, dia angamba mety ho avy amin'ny teny hoe haja ihany ny hajia). ~ (Ankehitriny) Ilay singan-tsary kely saram-pandefasana taratasy amin'ny paositra. Misy hajia karazany roa: ny hajian-taratasy ary ny hajian-ketra, Ahitsio
Haka: ft.: Fotsy botsiaka, mai-na. / t, t f.: Mangaka I mangagaka Ahitsio
Haka: a: Sakaiza: Tonga ilay haka ~ p. t.: Fatratra, mahay, kinga: Hakavavy amin'ny fihaingoana Ramatoa iny. /Manao azy ho haka loatra ranamana in y. Fano sesika: Tonga haka ny takoribabon' ny akoho. Ahitsio
Hakadiry: a: Halehibe, hangeza. Ahitsio
Hakafokafoka: a.: Hatsaboka, hatsatso. Ahitsio
Hakantoana: (kanto) a.: Hatsaran-tarehy fatratra, be renty. Ahitsio
Hake: (Skl) a: Fihazanahazandrano any anaty lava-bato amin'ny fitaindrona. - t.i.f.: Mihaka, fihaka. Ahitsio
Hakelezina: (kely) mt. ih. (ha- kelezo) : Atao kelikely kokoa, ahana: Hakelezo ny variko fa tsy laniko. Ahitsio
Haketrehana: Fahaketrehana (ketrina) a.: Hadalana, hadonton-tsaina (miserana ihany ). Ahitsio
Haketrina: Fahaketrina (ketrina) a: Toetran'ny olona tsy ampy saina, donàna velona. Ahitsio
Hakevohana: Fahakevohana (kevoka) a: Fisehoana ho be hambo mahatsikaiky, fiheveran-tena ho hala kely, fahadedahana. Ahitsio
Hakiana: (kiana) a,: Fahamorana vaky, halia, harefo. Ahitsio
Hakiho: a: Halavan-drefy hatreo amin'ny loba fanondroadala ka hatreo amin'ny kiho (mitovy amin'ny roa ambin'ny folo zehy). ? p.mt.: Hatreo amin'ny kiho ny halaliny. Ahitsio