Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Halamanjana: a: Toerana malalaka, tsY misy miafinafina; tsy fampiasa afa-tsy amin' ilay tomba fiteny hoe Eny an-kalamanfana: eny amin' ny toerana malalaka, tsy misy hazo manalokaloka na manaflnafina; eny an-karihary. Ahitsio
Halamo: n: Vongan-javatra toy ny sire, nefa maisatra ary marikivy. Ahitsio
Halampona: a.: Karazan-kazo misy voniny mena maro mitangorona (Dembeya) . Ahitsio
Halana: a.: Lafika itondrana entana, fa indrindra ilay bozaka atao boribory ipetrahan'ny siny eo ambony la-ha. é t.if.: Ahalana, voahalana 1 mihalana, fihalana, mpihalana / ihalanan a, fihalanana I halankalana 1 mahahalana. - F.-p.: Halam-patana: ampiantany kely sady iva atao manodidina ny fatana ka misarintsarina halana misakana ny lavenona sy ny vainafo tsy hihoatra ny fatana. I Halam-patana navelan'ny Razana: ny tanimbary nolovana tamin'ny Razana. / Halampatan'Andriana: fianakaviana na fokon'Andriana nakana izay ho mpanjaka. I Manao halana: enti-milaza ny bibilava rehefa mihorongorona miendrika halana izy. Ahitsio
Halanalana: a: Jer. Alanalana. Halanana a.: fer. Alanana. Ahitsio
Halanana: (halana) mt. ih. (halano): Asaina, entina na apetraka eo ambony halana, asiana halana: Tsy nohalanany ilay voter noiolohauiny ka narary ny lohany. Ahitsio
Halangalana: a.: Fihatakatahana, fialana manalavidavitra, tsY fiarahana. - t.i.f.: Halangalanina, voahalangalana, tafahalangalana 1 manalangalana, fanalangalana, mpanalengalana / analangalanana, fanalangalanana 1 mihalangalana, fihalangalana 1 ihalangalanana, fihalangalanana. Ahitsio
Halangalanina: (halangalana) mt. ill. (halangalano): Sarahina toerana: Nahoana no ha- langalaninao izy mivady? Ahitsio
Halatra: a.: Fakana zavatr'olona tsy an-drariny: Voarara ao amin'ny didy fahafito ny halatra. H Fifetsena zavatr' olona: Holatra ankitsirano izao fihazonanoo ny koramako izao. 1 Zavatra nangalarina: Mahavoasazy ny mioidy halatra. - t.i.f.: Angalarina 1 mangalatra, fangalatra, mPangalatra I angalarana, fangalarana 1 fangalarina. - F,-p.: Hala- boty: halatra madinika sy kely mahamenatra noho ny fitiavan-tena na faharatsian-tsaina. / Hala-paty: fandevenana misokosoko sy atao mangina tsy nolazaina amim-planakaviana. J Hala-pihinana:sakafo na fangalaran-tsakafo alaina mangina sy misokosoko, ka hanina miafina tsy atao fantatry ny hafa; entina milaza koa ny ataon'ixeo ratsy fitondran-tena manitsa-bady any an-katakonana. / Hala-pitia: toetra tsy mionona ka na dia efa manambady aza dia tsy tandalàna amin'ny fahadisoampitondran-tena. / Hala-tahaka: fandikana na fampitovlana ny zavatra atao amin'ny ataon'ny hafa. J Hala-tety: entina milaza ny vola alliky ny iray amin'ny mplvady ho an'ny havany ka afeniny tsy ho fantatry ny ixay, / Halatsonia: fisandohana ny sonian'ny olon-kafa mba hahazoana mifetsy zavatr'olona na tombontsoa * Ohab,: Mandihy miakanjo halatra ka miara-mirebika amin-doza: enti-milaza ny fahafaham-barakan'izay mangala-javatra enti-miseho eo imasom-bahoaka ¶ M.h.: Rairay, temoka, latsakalina, behariva. Ahitsio
Halava: Fahalava (lava) a.: Toetran'ny zavatra lava refy: Tsy ampy ny halavan'ity tady it?, Ahitsio
Halavaina: (halava) mt. ih. (halauao): Atao tonga lavalava kokoa, tovanana: Halavao ny akanjonao fa fohy dia fohy loatra, 1 Tohizina: Nohalavaina ny arabe mankany Ananona. (• Atao maharitraritra kokoa: Tsy ho azo halavaina intsony ny fetr'andro handoavanao ity trosa Ahitsio
Halavana: Fahalavana (lava) a.: Toetran'ny zavatra lava hita-maso: Ampiasao eto ny halavanao. / Ny halavan'rty Iatabatra ity no tsy hahatafidirany ao amin'io efitra io. Ahitsio
Halavirana: Fahalavirana, Halavitana (lavitra) a.: Toetran' ny toerana na zavatra lavitra; fihatahana lavitra: Mandreraka ny mpianatra ny halaviran'ny sekoly. 1 Elanelana: Ohatrinona ny fahalaviran'i Toamasina sy Vavatenina? Ahitsio
Halavirina: Halavitina (lavitro) mt. ih. (halaviro, halavito): Asiana elanelany mampisaraka ny tena aminy, tsy akekezina: Halavitina kely no fijery ny sary hoso-doko. ~ Andosirana: Halaviro ny namon-dratsy. Ahitsio
Halavitra: Fahalavitra (lavitra) a.: Toetran'ny zavatra lavitra: Ny halavitry ny tany no mahatonga ahy halahelo. Ahitsio
Halavorariana: Fahalavorariana (lavorary) a: Toetran'ny zavatra na olona tonga amin'ny fanaperana ka tsy misy hokianina intsony ny aminy: Sarotra ny mahatratra ny fohalavorariona / Mahavariana ny halavorarian'ny milina ao amin'ny tenan'olombelona. Ahitsio
Halefahana: Fahalefahana (lefaka) Hadalana. Ahitsio
Halefaka: Fahalefaka o.: Toetran'ny olona adala. Ahitsio
Halehibe: Fahalehibe (be) a.: Habe: Tsy ampy ho an'ny zanako ny halehiben'ny tranonay. Ahitsio
Halehibeazana: (lehibe) a.: Han-gaza: Tsy ny haiehibeazanao akory no atahorako anime, ~ Toetran'ny zavatra lehibe, bevava: Novelabelariny tamin'ny valandresaka ny halehibeazan'ny adidin'ny ray aman-dreny. ~ Fahanterana, habetsahan'ny taona niainana: Tsy mivoaboaka intsony izy noho ny halehibeazany. Ahitsio