Litera h

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Harata: (Ski) a.: Soratr'omby mainty na mena fotsy loha misy pentina iray na roa eo amin'ny handriny. Ahitsio
Haratan-daletsa: (Ski) p.t.: Sa-hala amin'ny harata, saingy maro ny pentina amin'ny handriny. Ahitsio
Haratana: Harasana (haratra) mt. ih. (harato, haraso): Kakasana amin'ny hareza. Ahitsio
Harato: a,: Tady na tariby voatenona makarakara sy misy masomasony atao fakana hazandxandna fefy. i t,1.1: Haratoina, haratoana, voaharato J manarato, fanaxato, mpanarato 1 anaratoana, fanaratoana 1 mahaharato. Ahitsio
Haratoina: Haratoana (harato) mt. ih. (haratoy): Alains amin'ny harato. Ahitsio
Haratra: a.: Hazo lava mampitohy ny tapenaka roa eo antenatenany ambony kely (haratra ambony) ary eo ambany (haratra ambany) andany roan'ny vovonana, ka ipetrahan'ny lohatrano, a F,•p,: Mitatao haratra am-ban y: fotoana ifanitsian'ny masoandro amin'ny haratra ambany (tokony ho eo amin' ny sivy maraina eo). / Mita-tao haratra ambony: tokony ho eo amin'ny iraika ambin' ny folo maraina eo. Ahitsio
Haratra: a.: Fanakakasana ny volo amin'ny hareza na amin'ny lelan'antsy maranitra. - t.i.f.: Haratana, harasana, aharatra, voahaxatra 1 manaratra, fanaxatra, mpanaratra 1 anaratana,fanaratana 1 miharatra, fiharatra, mpiharatra 1 iharatana, fiharatana 1 mahaharatra. Ahitsio
Haratsahana: (haratsaka) mt. ih, (haratsaho): Tapahina ny romoromo aminy, rantsanana. Ahitsio
Haratsaka: a.: Fanintsanana amin'ny antsy ny romoromon'ny tahom-bary jinjaina; fandrantsanana ny hazo maniry natao fefy tsy hisian'ny fisaritadritahana fa mifarana tsara; izay afaka rehefa mandrantsana ny raviny maimaina amin'ny tahom-barY. - t.i.f.: Haratsahana, aharatsaka, voaharatsaka 1 manaratsaka, fanaratsaka, mpanaratsaka 1 anaratsahana, fanaratsahana 1 mahaharatsaka 1 haratsadratsaka. - F.-p.: Afa-karatsaka: madio tsara tsY misy romoromony. ? H.o.: afaka madiodio amin'izay tataom-bola isan-karazany miampy ny vidin-javatra iray: Homenao ariuo aho dia lasanao io farafara tsara tarehy io ka afakaratsaka amin'izany ny fitondrana azy hatrany aminareo, ny fiantohana azy eny an-dalana. Ahitsio
Haratsiana: (ratsy) a.: Toetran' ny olona na zavatra ratsy, na ara-batana izany na ara-panahy: Haratsian-tarehy. Haratsiam-panahy. ? Havetavetana. Ahitsio
Haratsina: (ratsy) mt. ih. (haratsio): Atao tonga ratsiratsy kokoa: Efa nodiditra ihany i Koto taloha, fa uao mainka noharatsin'ny sakaizany izy. * Hamavoina, atao tsinontsinona, zimbaina: Aza haratsina ny nahitana masoandro. ? Endrikendrehina, hosoran-dratsy, hosoram-potaka; Noharatsin'ny mpiaramiasa aminy tamin'ny lehibeny izy ka very toerana Ahitsio
Haravia: a.: Karazan-kazo. Ahitsio
Haravola: a.: Ahitra fanaovana harona. Ahitsio
Harefo: o.: Toetran'ny zavatra marefo; halia: Ny harefon'ny bararata. Ahitsio
Harefo: a.: Karazan'ahitra tsoatokana lava sady poaka aty ny tahonY, manirY eny amie' ny hotsaka ohatra ny zozo-ro, ary fanaon'ny olona tsihy, harona, satroka. Ahitsio
Harena: (hary) a.: Vola na zavatra ananana betsaka, voka try ny asa natao; ny noharina. ? F.-p.: Ha rem-belo n-tompo : fananana mbola eo am-pelatanan'ny tompony ka tsy azon'ny mpandova zakaina. / Harem-boatondro: fananana kely tsy toy inona. / Haremila zora: ny harena ananana no anantenana hahazoana vady fa tsy mba ny toetra. / Harena an-dohariana: fana-nana na harena zaraina eo am-pialana aina. / Haren-danim-bazo: vola lany nanaovana ny sitrapon'ny vehivavy sakaiza. / Haren-jazauauy: vo-la na fananana entin'ny zazavavy mitokan-trano. / Harentovon-jako: fananam-be mbola miampy fahazoana harena. / Haren-tsy mitombo: vo-la ampisamborina tsy mba misy zanany. / Manambady harena: fitsinjovana ny haren'olona no anambadiana. Ahitsio
Harendrina: a: Afo arehitra amin'ny bozaka voafatotra amin'ny hazo lavalava, na fanilo entina mandehandeha manodidina ny trano amin' ny andro fandroana na fetim-pirenena malagasy, mba handroaka ny fanahy ratsy tsy hanembantsembana ny fifalian'ny velona. * t.i.f.: Manarendrina, fanarendrina. Ahitsio
Harendrina: a: Karazana bibikely, manjelanjelatra rehefa manidina amin'ny alma, angamenavava. - Ahitsio
Harevaka: Faharevaka (reuaka) a: Hatsara, fahatsara be haingo, be renty: Endre! izany harevaky ny tranompokonolona nandraisano ny uahiny manan-kaja Ahitsio
Hareza: a.: AntsY maranitra dia maranitra fanaratana volo. Ahitsio