Litera i

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ifoterana: (fotitra) mt.pt. (ifotero): Asian'ilay nasiana voalohany indray: Nifoteran'ilay alika nokapohiny Rakoto ka naratra Ahitsio
Ihany: p.mt.: Tsy misy afa-tsy, irery: Izy ihany no itokiako. ? Na manao ahoana na nianao ahoana: Andeha ihany aho. / Azonao ampijalina a-ho fa holaviko ihany ny fiampanganao rehetra tsy marina. ? Tsy maninona: Aoka ihany fa sahirana ianao. Jar. Fotsiny, monja). Ahitsio
Ikaky: a: Idada: Maty aho, ry Ikaky sy Ineny. • Teny iantsoana na ilazana ireo lehilahy efa zokiolona mba ho fanajana azy: Menatra anao a-ho, ry Ikaky, fa aza dia dokadokafanao. / Dia nandeha Ikaky Rabe ka tonga teny an-tampon'ny tendrombohitra Ahitsio
Ikala: a.: Teny entina milaza zazavavy ka: 1) tononina mialoha ny anarany: Tsy hita ny nalehan'Ikala Soa, nefa tadiavin-dreniny izy; 2) atao eo alohana mpamaritra anarana mamingavinga ka entina maneso na manompa: Ikala adala, Ikala tsy mahita ny viliany iny! - F.-p.: Ikala ratsy: entina milaza zazavavy fetsifetsy na koa donendrinendrina tsy misy hitiavana azy. / Ikala tokana: zanaka vavy tsy misy fanampiny toy ny hoe vavy tokana. / /kola trotraka: ilazana vehivavy heverina ho tsinontsinona tsy misy antony noho ny haratsiany. * Ohab.: Ikala adala ambody tenona, sady tsy hitohy ny maito no tsy hanala kambana: ilazana olona eo ampototry ny raharaha, nefa tsy manao na inona na inona fa dia mipetra-potsiny eo. Ahitsio
ikirizana:Iezahana, jereo [kiry] Ahitsio
Iky: Kian-teny enti-manaiky no misento: Eny iky! mandalo tokoa izany taenia! Ahitsio
Ila: a: Faritra misy ny tehezana amin'ny tenan'ny olombelona: Misy marary ato amin'ny ilako havia ato. ¶ M. h,: Lanimandry, lafy. • h.o,: Ampahany: Nolokoana fotsy ny ila varavarana atsimo / Misy ila tanimbariko hamidy raha hovidinao. • Faritra: Be ala ny ila atsinanan'i Madagasikara. • Antsasaka: 0-meo ahy hovidiko it? ila tratran'omby - t.i.f.: Ilaina, alla, voaila 1 manila, fanila, mpanila f anilana, fanilana f mifanila f mitanila 1 anilany na an-kilany f ilavoamena, ilasiray, ilashoa, ilasitelo, ilasiventy. - F Anila (ppk): akaiky: Mipetraha eto anilako. / Ankilany: amin'ny antokony iray mifanohitra (mifamaly amin'ny an-daniny):Ny mpihira etsy an-kilany, ny mpandihy etsy an-daniny. / Ankilabao: amin'ny ilan'ny bao filanjana entana. / Atao ankila bao: enti-milaza ny entana atao amin'ny ilan'ny bao filanjana mba tsy hampahavesatra ila ny fitondrana; koa amin'izany entina hilazana izay zavatra rehetra f-laina mba hampifandanja fotsiny ny atao fa tsy misy hilana azy firy. / Ra hoho: sombiny kely, poti-javatra kely dia kely. / Ra omby: ny antsasaky ny omby voarasa izay nomena ny solontenan' ny andriana nanatrika ny hasoavan-jaza. * Ohab.: Mandeha ila ohatra ny kiraron'i Beminaha: enti-milaza zavatra tsy feno, tsy tokony ho araka ny izy. lia ft.: Fitadiavana, fizahana, fikarohana. i t. t f.: (laina 1 mila, fila, mpila 1 ilana, filana 1 ilaila. Ahitsio
Ilaifito: a.: Teny iantsoana ilay herinandro misy erika mikija sady mandrivodrivotra eo amin'ny volana fevrie eo ho eo. Ahitsio
Ilaina: (ila) mt ih. (ilao): Tokony hananana, tokony hatao: Ilaina amin'ny sakafo ny vary sy ny hena / Ilaina ny mihinana mba ho velona. 1 Tadiavina, takina: Ilain'ny vatana ny miala sasatra indraindray. Ahitsio
Ilaina: (lia) mt.ih. (ilao): Akana ampahany na antsasany: Ilao io hena io hoentinao. Ahitsio
Ilangilangy: a,: Hazo ambolena any amin'ny faritra avaratra andrefana, fa indrindra any Nosibe, mety mahatratra 15-20 m; ny voniny anaovana ranomanitra izay manana fofona manokana mandrafana izaltslzy. Ahitsio
Ilasiray: na Lasiray a: Anarambola izay 0,30 fr. ny sandany; toy izao no niforonany: ila (voamena) sy iray (voamena). Ahitsio
Ilasiroa: na lasiroa a : Anarambola izap 0,50 F ny sandany, ka toy izao no niforonany: ila (voamena) sy roa (voamena). Ahitsio
Ilasitelo: na Lasitelo a: Anaram-bola izay 0,70 F ny sandany, ka toy izao no niforonany: ila (voamena) sy telo (voamena). Ahitsio
Ilasiventy: na Lasiventy a: A-naram-bola izay 0,90 F ny sandany, ka toy izao no niforonany: ila (voamena) sy venty. Ahitsio
Ilavoamena: na Lavoamena a: Anaram-bola izay 0,10 F ny sandany: (ilan'ny voameno, izany hoe antsasaky ny voamena). Ahitsio
Ilay: pn. a: Fanao indrindra amin'ny anaran'olona na zavatra: 1) tondroina mafimafy kokoa: Ny masoandro no ilay mpanasoa ny voary; 2) na efa noresahina: Moa efa tonga teo ilay mpandrafitra? 3) na anaram-bosotr'olona na biby lahy: Nandrifatra ilay mena ka tsy tana. (Matetika no soratana atao teny iray ny ilay sy ny mpamaritra anarana, ny fitambarany no nanjary anaram-bosotra: Nandrifatra Ilaimena ka tsy tana). - F,-p.: Ilay fady, ilay karin' olona, ilay tsy vanona: entimanondro olona fetsifetsy, fangoloka tokony hohalavirina, hatao fady ny miaraka aminy. / Ilay haka: ilay fetsy. / Ilay kary, ilay maty: ilay fatsora. J Ilay mangera: ilay matesa. J Ilay mihoiza mihoiza: ilay idiran-doza. / Ilay montana: ilay tsy vanona. / Ilay tonaka: ilay dondrina. J Ilay trotraka: ilay voaozona, ilazana olona tsinontsinona sy tsy misy antony noho ny haratsiany. / Ilay fito: anarana omena ireo andro vitsivitsy manorana tsy an-kijanona (eo amfn'ny hafitoana eo ho eo no aharetany ka amin'ny faramparan'ny fahavaratra no misy azy). Ahitsio
Ilika: a: Teny ilazana ny ila, ny tehezana: Marary ato amin'ny iliko havanana ato. 1 Fanosehana zavatra manakantsakana ho eny an-tsisintsisin-toerana. ? Fanomezantsiny ny sasany. 1 Ailika, voailika, ta-faillira f manilika, fanilika, mpanilika 1 anilihana, fanilihana f milika, filika, mpilika 1 ilihana,,filihana 1 mahilika 1 jlikilika. ? F-p.: Ili-kena na iliny:. ny hena amin'ilay faritra manaraka ny taola-mananetiny amin'ny omby. J Mandry ka: mandry ka ny takiba ilany no atao ambany. * Ohab.: Ny valala aza tsy azo raha tsy andriana ilika: tsy misy soa azo moramora na mafmaim-poana fa tsy maintsy isasarana. Ahitsio
Ilo: na Ilo-menaka a: Ilay menaka mitete mangirana sady mitsoriaka iny rehefa mandrasa omby matavy. • tao.: Haja amam-boninahitra izay tokony hotandrovina mandrakariva. - F.-p.: Mandraraka ilo mby an-doha: manary na mampietry ny voninahitry ny tena. Ahitsio
Iloka: a: Teny tenenin'ny vehivavy aorian'ny hehy na farshehy ho fanesoana na ho fanamaivanana ilay zavatra reny ka nampihomehy azy. Ahitsio