Kanonta | : | a.: Tantanana makadiry. - F.-p.: Kanonta hazo: fively hazo makadiry,
Ahitsio |
Kanosa | : | p, t.: Tsy ampy herimpo ka saro-tahotra; resy ambony ihany. ¶ M. h.: Kabaosy, kaosy, konetaka, koreha, mangorera, maivana ady, taitran'aloka, saro-tahotra, kambavy, mataho-kotroka, mivoan-tailahy, resy, mahery an-joro, akoholahy fantàka.
Ahitsio |
Kanoty | : | (fr. canot) a: Lakandrafitra vy.
Ahitsio |
Kanovo | : | a: Zinga na voatavo fanovozan-drano.
Ahitsio |
Kansera | : | (fr. cancer) a: Aretina nantsoin'ny teo aloha hoe homamiadana miseho amin' ny fivontosan'ny taova iray izay mitombo tsy ara-dalàna ka mananika amin'ny faritra hafa ary dia miely eran'ny tena ka manambaka ny aina; ny ankabeazan'ny kansera van miforona dia mety ho sitrana raha tsaboina amin'io fotoana io.
Ahitsio |
Kanto | : | p. t.: Tsara tarehy fatratra, be renty: Lahateny kanto. - t.i.f.: Hakantoana.
Ahitsio |
Kantsana | : | a: Feon-java-maranitra rehefa andidiana na anapahana; fanapahana na fandidiana tsy misy mitazona. 1 Li. f.: Kantsanana, akantsana, voakantsana, kinantsana / manakantsana, fanakantsana, mpanakantsana` / anakantsanana, fanakantsanana / mikantsana, fikantsana, mpikantsana ( ikantsanana, fikantsanana ) mahakantsana, kantsankantsana.
Ahitsio |
Kantsana | : | p. t.: Enti-milaza zavatra maivana dia maivana noho izy tena marna.
Ahitsio |
Kantsana | : | a.: Tapaka tsipka izay mifarana toa voakantsana ny ilany sy ilany.
Ahitsio |
Kantsanana | : | (kantsana) mt.ih. (kantsano): Tapahina tanteraka amin'ny antsy maranitra; didiana tarangana: Nokantsanany tamin'ny antsimbilona ny rambon'ilay on-dry.
Ahitsio |
Kantsona | : | sy Kantsonkantsona a.: Ny feon'ny ronono tare-na mifantsitsitra ao anaty voatavo fanantazana azy. - t.i.f: Mikantsona, fikantsona.
Ahitsio |
Kanty | : | a : Antibavy mahia kaozatra.
Ahitsio |
kanty | : | Hendry, mora be, tsotra, vory saina Ahitsio |
Kaody | : | Kaodikaody p.t.: Matahoi!ahotra na mahimahindava ka raha arao hatonina dia mandositra; tsy tia mifangaroharo amin'ny olona: Kaodikaody izay izy tamin' ny mbola tanora - t.i.f.: Mikaodikaody, fikaodikaody, mpikaodikaody ( ikaodikaodiana, fikaodikaodiana ) mahakaodikaody. ¶ M.h.: Haolo, milodilody. Kaodikaody: Haodihaody, haolohaolo, maodimaody, vodivodiana, mahimahina, madimadina, marimarika, manahinahy, somaingisaingy, matahotahotra.
Ahitsio |
Kaohina | : | (kaoka) mt. ih. (kaohy): Kikisana: Kaohy izay ampango sisa ao fa tsy hahandry uary hohandroina indray aho.
Ahitsio |
Kaoka | : | a: Sombin-kanina miraikitra amin'ny vody vilany. • h.i.: Izay sisa rehetra tafajanona ao anaty fitoeran-javatra: Kaokam-paosy iny ariary folo iny. - t.i.f.: Kaohina, akaoka, voakaoka, kinaoka / mikaoka, fikaoka, mpikaoka / ikaohana, fikaohana / mahakaoka j kaokaoka,
Ahitsio |
Kaoka | : | (fr. coque) a.: Mikraoby miditra amin'ny antokon' ny bakteria, miendrika zavatra boribory kely amin'ny fahitana azy amin'ny mikraoskopy, fototry ny aretina maro toy ny amonia na pnemonia.
Ahitsio |
Kaoka | : | (Tan) a.: Hazo madinidinika izay azo tenomina ho lamba ny kirany.
Ahitsio |
Kaoka | : | p. t.: Lempona aty, lesoka aty. 1 Keoka.
Ahitsio |
Kaolina | : | (fr. col) a: Vozon' akanjo.
Ahitsio |