Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kabinetra: (fr. cabinet) a.: Filan-kevi-pitondrana ao amin' ny minisitera iray na ao amin'ny governemanta: Izy no lehiben'ny kabinetran'ny Minisitra. / Misy fivorian'ny kabinetra anio. Ahitsio
Kabinetra: (angl. cabinet) a: Fitambaran'ny minisitra ao amin'ny fanjakana iray. Ahitsio
Kabiro: a.: Zavamaneno tsofina toy ny sodina, natao ta• min'ny hazo nolavahana ka ny sofiny mivelatra eo ambany. Ahitsio
Kabo: (Ski) a: Anaran-kazandrano misy poizina mahery ny tsilony. Ahitsio
Kaboaka: Kaboakaty p. t.: Tsy misy voany ao anatiny, poaka aty maivan-tsaina. Ahitsio
Kaboka: a.: Karazan-kazo madinika antokon'ny "apocynacées", misy ditiny mandoro raha mahakasika ny hoditra, izay maimay sy miempaka mihitsy. Anaran-kafa ilazana ny kaboka eran'ny Nosy: folitra, kangarano, montaka, voakanga. Ahitsio
Kaboka: a.: Jer. Angongo. Ahitsio
Kaboke: (Ski) a.: Omby maty anaka, nefa mbola tsy ritra ny rononony. Ahitsio
Kaboke: (Ski) a: Toton-katsaka maitso andrahoina amin' ny ronono. Ahitsio
Kabona: a: Karazan'ahitrama rikivy. Ahitsio
Kabosa: a.: Zavamaneno malagasy mitovitovy amin'ny mandofinina vazaha: hazo na voatavo na hodi-tsokatra ny vatany ary efatra na dimy ny tadiny. Araka ny faritany dia toy izao avy no anarany: Kabosy, Kabaosy, Kabaosa. Ahitsio
Kadanà: Gadanà (fr. cadenas) a.: Hidim-baravarana tsY mba mipetaka amin'ny varavarana fa azo tsoahina, ka toy izao ny fombafombany: misy vy mifaingoka afaka mikaratoka ar? amin'ny ilan' ny kadanà, ary io vy mifaingoka io izay mitsofoka amin' ny vy boribory roamipetaka amin'ny varavarana sy ny batana no mitana ny varavarana hihidy. Ahitsio
Kadene: (Ski) a: Vy na tady amin'ny sisin'ny sambo na botry mba hamehezana ny ta din-tsambo. Ahitsio
Kadetra: a: Ny manamboninahitra tao amin'ny rainiolona. Ahitsio
Kadiba: a: Fanozonana; ompa sy faniratsirana. Ahitsio
Kadina: (kady) mt. ih. (kadio): Asiana kady: Nokadiny tsy hidiran'olona ny sahany. Ahitsio
Kadò: (fr, cadeau) a: Zavatra kely omena olona mba hamalifaliana azy. Fanampiny kely omen'ny mpivarotra ny mpividy amin'ny zavatra vidiny. ¶ M.h,: Falim-po. Ahitsio
Kadorika: (Ski) a.: Karazan-javamaniry misy vodfny fihinana, malemy ary tsara tsiro, hanina masaka na mania. Ahitsio
Kadradraka: a.: Karazan-kalalao vaventy. Ahitsio
Kady: na Kiady a: Hazo lava misy baraka navoromborona natsangana amin'ny tany efa an'ny tena na tiana hofaritana ho an'ny tena, na hiarova na mba tsy hodiavina na hakana an-keriny ny vokatra maniry ao: Tany vita kiady ny ahy io ka tandremo. • A-ro: lanao no kiadinay eto antanàna. - t.i.f.: Kadina, akady, voakady, kinady 1 manakady, fanakady, mpanakady 1 anakadiana, fanakadiana 1 mikady, fikady, mpikady 1 ikadia na, fikadiana / mahakady. - F.•p.: Kiady sy voninahitra: sady mpiaro no rehareha mahatonga hohajaina. J Kiady fa tsy tompon'ny sa-ha: mpiambina, mitovitovy amin'ilay hoe: mpiandry omby volavita: tsy tompony fa mpamerin-doha. ¶ M.h.: Voninahitra, tabiha, rehareha, sangs', endrika, olomanga, avara-pianarana, kintana telonohorefy, vato nasondrotry ny tany, trafo nasondrotry ny nofo, tolà-miadidy, varavara-miandraikitra, voara endriky ny saha, tata mo ravaky ny farihy, kitro j - faharana, vovonana iadian'ny lohany, varivary andrian'ny tafo, felatana-mangaika ny rantsana, trafo lelafin-ko mandina. Ahitsio