Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kasikety: (fr. casquette) a.: Karazan-tsatro-bory misy mandroso kely eo anoloana. Ahitsio
Kasimba: a: Zavamaniry misy tsilotsilony. Ahitsio
Kasioke: (Ski) a: Karazan'an tsantsa madinika. Ahitsio
Kasiterola: (fr. castrol) a: Fanaka fandrahoana, fisaka, misy tahony, ampiasaina hanendasana. Ahitsio
Kasoa: a: Karazan'aretina mampirediredy ary mahadaladala, heverin'ny olona ho fahavoazan'ny saina noho ny aretim-pitiavana: Voan'ny kasoa, mararin'ny kasoa Ikala anona io. Ahitsio
Kasohina: (kasoka) mt. ih. (kasohy): Kasihina dia kosehina; safoina: Nokasohina sauoka ny ngorodona Ahitsio
Kasoka: a: Fisafoana mandalo dia izay, kasika. - t.i.f: Kasohina, akasoka, voakasoka, kinasoka / manakasoka, fanakasoka, mpanakasoka / anakasohana, fanakasohana / mikasoka, fikasoka, mpikasoka / ikasohana, fikasohana / mahakasoka / kasokasoka / mikasokasoka, fikasokasoka. - F.-p.: Samy afa-kasoka izao isika: teny enti-milaza fa tsy misy zavatra mifandrohirohy intsony amin'ireo olona mifampiresaka I Tsy manan-kasoka amin'izany a-ho: tsy misy mikasika ahy ny raharaha, sady tsy ahy rahateo. Ahitsio
Kasoka: a: Vary masaka haroharoina ao anaty vilany vy misy menamenaka avy nandritan-kena, ka afangaroharo ao ho vonto. Ahitsio
Kasy: sy Kasikasy p. t.: Tiatia haingo, jejojejo, mpihambohambo: Kasikasy io zanakao lahiaiuo io. - t.i.f.: Akasy, akasikasy 1 mikasikasy, fikasikasy, mpikasikasy / ikasikasiana, fikasikasiana 1 mahakasy, mahakasikasy. Ahitsio
Kataikana: p.t.: Mahiahia kinga, pintsana kely fa mailamailaka Ahitsio
Katakata: a: Anarana ilazan' ny Sakalava ny akondro. Ahitsio
Katapilasy: na Petakilasy (fr. cataplasme) a: Zavatra ma-fana apetapetaka amin'ny faritra marary amin'ny tena mba hampahalemilemy na handevona ny mivonto. Ahitsio
Katedraly: (fr. cathédrale) a: Fiangonana katolika lehibe misy eveka. Ahitsio
Katekista: na Katesista (fr. catéchiste) a: Mpampianatra katesizy. Ahitsio
Katesizy: (fr. catéchisme) a: (Fiv. kat.) Fampianarana ny fotopototry ny finoana kristianina. Boky kely misy ny fotopototry ny fampianarana sy fitsipi-pitondran-tena kristianina. Ahitsio
Kateta: na Katita p. t.: Kely be hatsikana, mpandaingalainga kely. Ahitsio
Katibo: (Atm) a.: Olona mpitahiry sy mpitandrina ny sorabe, ka olona mahay mamaky sy manoratra izy io a• ry fantatra marina ny mahataranak'Arabo azy marindrano. Ahitsio
Katirijy: (angi, cartridge) a.: Faham-basy, karitosy. Ahitsio
Katita: p. t.: Kalita, tsy azo itokiana loatra fa mpandaingalainga. i t.Cf: Katitatita. - F-p.: Katitatita: mpanao hatsikana, mpandaingalainga. Ahitsio
Katity: p.t.: Kely manifinify. ? Kahihitra, kafiry. Ahitsio