Litera k

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Kafana: Kafankafana a: Fandavana amim-pahatezerana na amin'alahelo. - t.i.f.: Kafankafanina, akafankafana, tafakafankafana 1 mikafankafana, fikafankafa na, mpikafankaf ana 1 ikafankafanana 1 mahakafankafana. Ahitsio
Kafankafanina: (kafankafana) nit ih. (kafankafano): Lavina imbetsaka miverimberina. Ahitsio
Kafara: a: Fimonomononambahoaka noho ny fitondrana tsy marina na famoretana mih oap amp ana. - t.i.f. : Tafakafara 1 mikafara, fikaf ara, mpikafara 1 ikafarana, fikafarana 1 mahakafaxa 1 kafaraf ara. Ahitsio
Kafe: (fr, café) a.: Hazo salasalany, 3 m ny haavony raha ambolena ary mahatratra hatramin'ny 10 m raha maniry amin'izao; ny voany no anaovana fisotro. — Fisotro avy amin'ny rano ampangotrahina miaraka amin'ny voan-kafe voaendy sy voatoto, manan-kery isan-karazany fa mampihendratrendratra ny hozatra ary manaitaitra ny vavony sy ny afero hamoaka rano manampy amin' ny fandevonana ary manamora ny fihetsiky ny tsinay sy ny fandehan'ny fivalanandrano. Ahitsio
Kafeina: (fr. caféine) a: Hery ao anatin'ny kafe izay mampihendratrendratra ny hozatra ka manamora ny asa ara tsaina. Ahitsio
Kafiry: p.t.: Mitsitsy tafahoatra, mampijialy tena na mampitondra fahoriana ny hafa noho ny fahihirana, kahidy. 1 t.i.f.: Mikafiry 1 kafirifiry Ahitsio
Kafitera: (fr, cafetière) a: Karazam-bilany kely misy tendany, atao famanan-drano fa indrindra atao fitenehana na fampidinana kafe na ravimboafotsy. Ahitsio
Kaforano: (t. tr.) p. t.: Tsy ankanavaka, daholo. Ahitsio
Kaforo: p. t.: Mahantra fadiranovana, misamboritra. - t.i.f.: Mikaforo, fikaforo, mpikaforo / ikaforoana, fi'-:aforoana / mahakaforo / kaforoforo. Ahitsio
Kafotsy: a: Fonjozoro. Ahitsio
Kahamba: a.: Korintsana mitovy amin'ny faray, saingy fohy kokoa satria volotsangana vaniny roa ihany. Misy fomba maro fampiasa azy: ahontsana, kapohina amin'ny riran-tanana, donina amin'ny totohondry; ny manan-talenta dia afaka mitotorebika amin'ny tongony sady mampiasa kahamba ny tanany. Maromaro ny anarany araka ny faritany: Kaiamba, kaihamba, kai-hiamba, tsakaihambs. Ahitsio
Kahana: Kahakahana a: Fiantsoana ny omby hanatona; fanaovana teny an'avona raha manda. - t.i.f.: Kahankahanina, akahankahana, voakahankahana, tafakahankahana / mikahankahana, fikahankahana, mpikahankahana / ikahankahanana, fikahankahanana / mahakahankahana. Ahitsio
Kahankanina: (kahana) mt. ih, (kahankano): Antsoina (omby), antsoina amim-pimonomononana. Ahitsio
Kahiamba: a.: Anaran-javamaneno hafa kely fa harefo iray fihina no afatotra goragora ary kapokapohin'ny felatanana roa; izany no atao hoe Kahiamba; malefadefaa ny ngadona azo avy aminy, nefa manana anjara lehibe eo amin'ny fiarahan-javamaneno izy noho izy mana-no toamikorintsana Ahitsio
Kahie: (fr. cahier) a.: Fitambaran-dravintaratasy voazaitra ampiasain'ny mpianatra indrindra, hakany lesona any am-pianarana na hanaovany ny enti-modiny. Ahitsio
Kahihitra: p,k: Mitovy amin' ny mahihitra, saingy misy hevitra fanesoana na fanaratsiana kely misisika. ¶ M.h.: Mahihitra, mahidY, kahidy, kafiry, matsitsy, katity, kely hiratra, kely hoho, kely tanana, mamaky akotry, manjaitra atody, mafy tanana, mafy fonosana, mihirim-belona, kongona. Ahitsio
Kahonkahona: a.: Tomanimany lavareny; finaonaonan'ny saka. - t.i.f.: Mikahonkahona, fikahonkahona, mpikahonkahona I ikahonkahonana, fikahonkahonana 1 mahakahonkahona. Ahitsio
Kaika: Kaikaika a.: Fitomaniana, toloko. i t. i f : Mikaika, fikaika,mpikaika / ikaihana, fikaihana 1 kaikaika / mikaikaika, fikaikaika, mpikaikaika 1 ikaikaihana, fikaikaihana / mahakaikaika. Ahitsio
Kaikerina: na Kekerina (kaikitra) mt ih. (kaikero na kekero): Ketohina amin'ny nify: Nokekerin'ilay saka ratsy iny ny tanan-janakb. ? Tsindronina: Nokaikerin'ny moka ny handriko. ? Hanina: Kekerin'ny olitra mafy aho izany, ? Raisina amin'ny nify: Raha tsy voavaha amin'ny tanana, kekero ho afaka io lady io. Ahitsio
Kaikitra: a.: Fiketohana, famelezana amin'ny nify: Ny kaikitry ny amboakeiy tiana no tsy tanty. 1 t.: Kaikerina, kekerina, akaikitra, voakaikitra, kinaikitra / manaikitra, fanaikitra, mpanaikitra / anaikerana, fanaikerana / mahakaikitra / kaikikaikitra. Ahitsio