Litera n

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ngonona: Ngonongonona a.: Filazana na fanononana teny tsy mazava tsara fa ao am-bava ao fotsiny: Tsy namaly izy fa ngonongonona no nataony sady lasa izy. - t.i.f : Ngonongononina, tafangonongonona / mingonongonona, fingonongonona, mpingonongonona / ingonongononana, fingonongononana. Ahitsio
Ngonongononina: (ngonongonona) net. ih. (ngonongonony): Atao na tononina tsy mazava tsara fa ao am-bava fotsiny. Ahitsio
Ngorodona: a.: Hava voarary atao fandiavana amin'ny efitra: Rairain-drihana no ipetrahan'ny ngorodona. 1 Ny rodorodon'ny famindran'ny olona na ny biby maro tafara-dia. - t.i.f.: Ngorodonina / mingorodona, fingorodona, mpingorodona I ingorodonana, fingorodonana / ngorodondrodona. Ahitsio
Ngorodonina: (ngorodona) mt. ih. (ngorodôny): (tany) Hitsahina ka mirohondrohona; (an diam-biby) korodosina handeha haingana ka mirodorodo. Ahitsio
Ngorongosy: a.: Aretina vokatry ny tsy fandehanan'ny ranonafero amin'ny falehany fa mihanaka eran'ny tena, ka manjary vonivony ny hoditra ary mangidihidy, vonivony ny maso ka pahimpahina ary vonivony hatramin'ny fivalanandrano, nefany fivalanana kosa fotsifotsy vasobasoka. Ahitsio
Ngoso: a.: Fianianana mafy enti-milaza fa ho voaozona hiray amin'ny olom-pady raha toa ka tsy marina izay lazaina. i Mingoso, fingoso, mpingoso 1 ingosoana, fingosoana 1 mahangoso 1 ngosongoso. Ahitsio
Ngotsoka: p. t.: Fatra-pampiasa hevitra an-kolakolaka mba hamitahana olona; fetsy. ¶ M. h.: Fetsy. Ahitsio
Ngozo: na Ngozy a.: Hoditr' omby. Ahitsio
Nia: ft.: Fanaovan-javatra antsitrapo tanteraka. - t.i.f.: Niavina, iniana / mi-nia, finia, mpinia / iniavana, finiavana. Ahitsio
niandry:jereo [andry] : nijanona tsy nihetsika teo fa toy ny hoe hisy olona na zavatra tonga. Oh : niandry anao teo foana aho! Ahitsio
Niany: p. mt.: Anio, androany: Novidiko niany iny. Ahitsio
Niavina: (nia) mt. ih. (niavo); na iniana (inio): Atao antsitrapo: Noniavinao, ninianao natao mihitsy izany mba hanorisorena ahy. Ahitsio
Nifinakanga: a.: Karazan-iavamaniry mandady (Commelyna madagascariensis). Ahitsio
Nifisina: (nify) mt. ih. (nifiso): Atao tonga manify: Efa nonifisinao ve ilay hazo nolazaiko anao? Ahitsio
Nify: ft.: Tsy fahatevenana. - t.i.f : Nifisina, hanifisina / manify / anifisana, fanifisana mahanify 1 mihamanify / mampanify 1 nifinify / hanify, fahanify 1 hanifisana, fahanifisana. Ahitsio
Nify: a.: Taolana madinika mitsatoka amin'ny valanorano ambony sy ambany, natao hitsakoana ny zavatra hanina. — Misy karazany telo ny nify, izay samy manana ny asany manokana avy: ny andrianify mitetika, ny vangy mandrovitra, ary ny vazana mamotipotika. - Mifo-nify: enti-milaza ny ankizy izay misolo vaovao ny nifiny, eo amin' ny fahafito na fahavalon'ny taonany. / Tsy anify: banga tanteraka. / Nify vao marnaky tan y: enti-milaza ny nifin'ny zaza vao miseho ka mampivonto ny akanjo-nify. / Fotsy nify: mbola tanora. ¶ M.h.: Maitso vo1o. * Fiten,: Maniry nifin'akoho tsy haniry: mitady zavatra tsy ho tanteraka na oviana na oviana. * Ohab.: Bitsibitsiky ny la-va nify, ny lavitra indray no mandre aloha: enti-milaza izay rehetra toa bitsibitsihina, nefa henon'ny olona lavidavitra ny tena ihany. / Nify hanin'ny olitra: ny afaka ihany no odiny: enti-milaza zava-manahirana izay aleo alana haingana na indray mandeha na taikelikely sa-tria tsy maintsy hoesorina ihany ary mampijaly tsy ankijanona. / Nify sy molotra: izay mihenjana ihany no mitsipika aloha: (mitovitovy amin'ny hoe: lohalika sy laferana, izay miantraitraika no vasoka). / Tsy tsara nify anoloana aho ka hitsako alohan'ny vazana: enti-milaza ny tsy tokony hanaovan-javatra alohan'izay ambony na manampahefana noho ny tena. / Miaramila be nify tsy mandalo katsa-maina: entimilaza fa tsy tokony hiaingitraingitra amin'ny sakafo rehefa eo am-panaovana ny fanompoana. Ahitsio
Nikaragoanina: (fr. Nicaragua-yen) a.: Ny firenena tompontany any amin'ny tanin'ny Nikaragoay (Amerika afovoany): Miteny espaniola ny Nikaragoanina 1 p.t.: Ny volamena no harena nikaragoanina voalohany. Ahitsio
Nindry: (Atk) a.: Reny. Ahitsio
Nino:Jereo ny [mino] [finoana] Ahitsio
Ninoninona: (inona): Na inona na inona: Tsy mahalala ninoninona amin 'izany aho. Ahitsio