Litera n

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Neny: a.: Teny fiantsoana ny reny niteraka, na miteny azy: Nankany an-tsena i neny, na miteny aminy: Andeha hankaiza ianao, ry neny? ? hi.: Teny enti-manaja ny vehivavy efa lehibebe tokotokony ho renin'ny tena. Teny nakambana: nenibe, nenifara, nenitoa (jer. ireo teny ireo). * Fiten.: Ny voamena zaton' i dada, ny sotro rano tsy tian'i neny: enti-milaza ny fahasahiranana mafy nentin' ny ray sy ny reny amin'ny famelomana, fikarakarana ny zanaka eo amin'ny taona mbola maha-kely azy indrindra. Ahitsio
Ngadona: a.: Feon'ny fanoto midoboka ao anaty laona, na ny tongotra mipaika amin' ny tany rehefa mandeha mafy. ? Fahatongavana. * fi, f.: Ngadonina, angadona, voangadona, tafangadona 1 mangadona na manangadona, fangadona na fanangadona, mpangadona na mpanangadona / angadonana na anangadonana / fangadonana na fanangadonana I mingadona, fingadona, mpingadona / angadonana, fingadonana / mahangadona I ngadongadona. Ahitsio
Ngadona:Ngadona dia fiovaovan' ny feo hoentina miantsa tononkalo iray araky ny fihetseham-po ny mpanoratra Ahitsio
Ngadonina: (ngadona) mt. ih. (ngadony): Totoina: Nongadoniny mafy ny uary ka torotoro. ? Pehina, velezina amin'ny tongotra: Axa ngadonina toy izany ny rihana sao miletsy. Ahitsio
Ngaha: p. mt.: Entina manontany miharo fisalasalana kely: Ngaha hadinonao ny hafatro taminao? ¶ M. h. : Angaha. Ahitsio
Ngahy: a.: Mitovy amin'ny Ingahy. Ahitsio
Ngaly: p. t.: Mainty mangirangirana; maizina tanteraka. Ngalingaly: mainty manganohano, maizimaizina. Ahitsio
Ngamba: p. mt.: Entina milaza fisalasalana amin'ny valinteny; tsy manaiky na mandà fa miroaroa saina. ¶ M.h.: Angamba. Ahitsio
Nganja: p. mt.: Fihasimban'ny hoe' Angamba ihany, ary mbola misy endriny hafa: nginamba, nginanja, nginao. Ahitsio
Ngaosina: mt. ih.: Mitovy amin' ny Indaosina. Ahitsio
Ngara: p.t.: Volondavenona manopy manga, mara mainty (tsy fiteny afa-tsy amin' ny maso ihany): Ngara maso. • t.i.f.: Hangara, fahangara. Ahitsio
Ngarangidina: p. nit: Enti-milaza fotoana iray maharitra manontolo: Herinandro nga- rangidina izy tsy nanendry hanina. ¶ M.h.: Tontolo, maninjitra, mipaka, maninjihinjy. Ahitsio
Ngavoka: p. t.: Jer. Mavoka. Ahitsio
Ngazana: p. t.: Enti-milaza tany maina karakaina ka tsy anirian-javamaniry. 1 h. i.: Tany — tanety na toerana tsy ahitan-tsakafo. - t.i.f.: Hangazana. Ahitsio
Ngedona: p.t.: Maloto, mainty (akanjo). - t.i.f.: Ngedonina / manangedona, fanangedona, mpanangedona / anangedonana, fanangedonana 1 mahangedona I ngedongedona. Ahitsio
Ngedonina: (ngedona) mt. ih. (ngedony): Lotoina. Ahitsio
Ngelingely: p.t.: Mitovy amin' ny Angelingely. Ahitsio
Ngenja: p. mt.: Jer. Ngamba. Ahitsio
Ngenongenona: a.: Menomen,ona, teny an'orona, ngonongonona noho ny tsy fahafaliana, tsy fahafaham-po. - t.i.f.: Ngenongenonina, tafangenongenona / mingenongenona, fingenongenona, mpingenongenona / ingenongenonana, fingenongenonana / mahangenongenona. Ahitsio
Ngenongenonina: (ngenongenona) mt. ih. (ngenongenbny): llazana ny olona izay imenomenonana na izay teny fluai-na an'orona amin'ny fimenomenonana: Aza izaho no ngenongenonina eo. / Inona indray izany ngenongenonin' i Bozy izany. Ahitsio