Litera o

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ory: p. t.: Malahelo, mijaly, miferinaina: Manafaka alahelo ny olona ory. 0 Mahantra, fadiranovana: Ampio ny oiona ory. ¶ Mit.: Faraidiny, poripory, mikaforoforo, mikokokoko. 0 Ampijalina, ampahorina. ? Hontsa, malahelo: Ory ny foko nahita azy. - t.i.f.: Orena, orina, voaory, tafaory I manory, fanory, mpanory / anorena, fanorena / miory, fiory, mpiory / ioriana, fioriana I mahory / fahoriana, - F.-p.: Ory ampiana: entimilaza ny vadibe izay malahelo raha manampy vady masay ny léhilahy vadiny. I Ory misalahy: malahelo na-nana anjara mitovy amin' ireo namany. I Ory velona: faran'izay ory. * Ohab.: Ny ory tsy mba rangahy: ny mahantra tsY mba voahaja na ananana henamaso. f Ny zaza mihanta amin-dRay aman-dreny saro-miory: enti-milaza fa ny zaza tsy mba nihafy fa niadan-dava teo amin'ny ray aman-dreniny no sahirana sy mijaly eo amin'ny tsy fisiana. Ahitsio
Osa: p.t.: Tsy manana tanjaka na herim-batana; mora reraka na tsy salama: Osa fa tsy tahaka ny lehilahy ny uehiuauy. - t.i.f.: Aosa, osaina / mahaosa I mampahosa I osaosa, ososa 1 haosana, fahosana. - F,-p.: Osa tanana: enti-milaza ireo izay tsy mba kinga na haingana rehefa manao zavatra, raharaha, fa miadaha sy milamina aoka izany. ( 0-sa tay: kabaosy, matahotra tafahoatra sy maharikoriko. ( Osa voua: tsy afa-mamaly resaka avy hatrany fa votsavotsa vava eo am-pitenenana. ¶ M.h.: Malemy, kely aina, saozanina, reraka, mihozohozo, mangozohozo. Ahitsio
Osaina: (osa) mt. ih. (osso): Lemena. Ahitsio
Osanosanina: Aosanosana (osanosana) mt, ih.: Haninaabosibosika. Ahitsio
Osaosana: a.: Fihinanana mambosibosika mampiseho fa reraka sy sarotra an-kanina. i Aosanosana, osaosanina / miosanosana I manosanosana. Ahitsio
Oseana: (fr, océan) a.: Velarandranomasimbe mandrakotra ny telo ampahefatry ny tany ary mampisaraka ireo tanibe; nozaraina ho far3tra dimy: ny Oseana Arktika: amin'ny tendron-tany avaratra; ny 0-seana Antarktika: amin'ny tendron-tany atsimo; ny 0-seana Pasifika: mamplsaraka an'i Amerika amin't Azia sy Aostraha; ny Oseana Atlantika: mampisaraka an'i Eoropa sy Afrika amin'i Amerika; ary ny Oseana Indianina: ml-p aka hatramin' ny sisin- tanin' i India sy Afrika atsinanana ka hatrany Aostralla, hodidininy ny Nosy Madagasikara. Ahitsio
Osy: a.: Biby fiompy, fianakaviam-ben'ny biby mandinika milantsi-tandroka ary somorina, nahatongany fitenenana hoe "Tay ny osivavy somodna; ny lova tamindray tsy avala ary ny hetra tamin-dreny tsy diso"; bengY. Ahitsio
Ota: a.: Hadisoana, heloka na-tao (indrindra tamin'Andriamanitra). ? Fandikana didy na fitsipika na zavatra tsy azo atao: Ota fady. - t.i.f.: Otaina, voaota 1 ma-nota, fanota, mpanota / anotana, fanotana / mahaota / otaota 1 fahotana. - F.-p.: Ota fady: fanaovana ny zavatra nasaina nofadina. J Ota isa: fifandiasan'ny isa tsy mitovy fa misy elanelany amin'ny isa tena izy. Ahitsio
Otaina: (ota) mt. ih. (otay, o-tao): Enti-milaza ireo fombafomba ara-pivavahana dikaina: Tsy azo otaina ny fady lehibe. Ahitsio
Otazana: na Otoazana na Toazana (oty) mt. ih. (otazo, otoazy, toazy): Tapahina hiala amin'ny taho: Otazy ireo voankazo ireo fa efa masaka. Ahitsio
Otely: (fr. autel) a.: Latabatra anaovana ny fisoronan'ny lamesa ao an-trano leglizy. Ahitsio
Otina: na Otinotina a.: Fanozongozonana, fanetsiketsehana: "Hay,.. sorotan-kazo tsy mahaleo otina, ka vao donindambo dia hentitra (Tsel.) - t.i.f : Aotina, voaotina, tafaotina 1 manotina, fanotina, mpanotina 1 anotinana, fanotinana / mietina, fiotinotina, mpiotinotina 1 iotinotinana, fiotinotinana 1 mahotina. Ahitsio
Otosana: mt. ih.: Jer, Ito. Ahitsio
Otra: a.: Fisafoana sady famoretana amin'ny tanana ny faritra iray amin'ny tena mba hampahalefadefaka ny hozatra marary na mivonto na vizana. - t.i.f.: Orina, aotra, voaotra 1 manotra, fanotra, mpanotra/ anorana, fanorana 1 miotra, fiotra, mpiotra / iorana, fiorana / mahotra, otrotra. Ahitsio
Otrehana: (otrika) mt, ih. (otreho): ilazana ny fatana itahirizana ny afo ao anaty lavenona. * F. -p.: Otripo: lolompo. J Otrik'afo: afo miotrika na misarona ao anaty lavenona ka tsy maty. J Otrik'afon' ampombo: lolompo tsy levona. Ahitsio
Otrika: a.: Karazam-borona andrano mitovitovy habe amin' ny akoho. Ahitsio
Otrika: a.: Fitahirizana vain' afo ao anaty lavenona; fametrahana ny voankazo amin' ny toerana mafana mba hanamasaka azy haingana; fitahirizana, fierena, famitsahan' ny miaramila. - t.i.f.: Otrehana, aotrika, voaotrika / manotrika, fanotrika, mpanotrika / anotrehana, fanotrehana / miotxika, fiotrika, mpiotrika 1 iotrehana, fiotrehana / mahotrika, otrikotrika. * F.-p.: Otri-po: hatezerana voatahiry ao am-po ka mite-raira fankahalana. ¶ M.h.: Lolompo, fo lentika. Ahitsio
Otrikafo: a.: Afo tehirizina ao anaty lavenona. * F.-p.: Otrik'afon'ampombo: lolompo. Ahitsio
Otrikaina: a.: Ireo karazan-javatra hita ao anatin'ny zavamaniry na zavatra hafa ka misy ireo fototra mahavelona; ny tsy fahampiana na tsy fisian'ny otrikaina dia miteraka aretina toy ny solohitra, ny manirano, ny bibaka an-tenda...; nomena anarana araks ny abidy ny otrikaina, ka misy otrikaina A, B, D, B1, B2, PP.; vitamina. Ahitsio
Otrikaretina: a : Jer. Mil¢aoby. Otrona a.: Famihinana eo antratra; fiarahana mba hiaro na hanome voninahitra. - t.i.f.: Otronina, voaotrona 1 manotrona, fanotrona, mpanotrona 1 anotronana, fanotronana / mahotrona J otronotrona. Ahitsio