Litera p

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Pika: a.: Fipitsile-javatra miala amin'ny toerana misy azy, ka misy feo kely miaraka amin'izany; fampifantsitsirana; fandosirana. - t.i.f.: Pihina, apika, voapika, tafapika / mamika, manapika, fanapika, mpanapika j anapihana, fanapihana j mipika, fipika, mpipika / ipihana, fipihana / mahapika / pipika / mamipika j mipipiha / mamipika. - F.-p.: Pik'afo: tselatr'afo. l Pik'ampela: ny fanosehana feno hakingana ny ampela famolesana alohan'ny hampandihizana azY. / Tsy misy rano piny akory eo an-tsinibe: enti-milaza fa tsy misy rano na dia kely akory aza ao an-tsinibe. Ahitsio
Pika: a.: Karazam-boninkazo izay madinika maro loko mahafinaritra mitambatambatra ny felany. Ahitsio
Pikany: (t. tr.) a.: Vodin-javamaniry izay nambolena ka vao niitaran'ny sisa. Ahitsio
Pike: (Ski) a.: Karazan-tsakamalao tsara fofona fihosotry ny vehivavy sakalava. Ahitsio
Pike: (Ski) a.: Tady mifatotra amin'ny laveroka ka marnaky ny laim-botry sady mifatotra koa amin'ny take. Ahitsio
Pila: (fr, pile) a,: Fitehirizana aratra, avy amin'ny fitambaran-javatra miteraka angovo simika lzay miova ho angovo elektrika ka ampiasaina amin' ny 7iro na radio fitondra mandeha; misy pila fisaka ary misy pila boribory ; vataaratra. Ahitsio
Pilaka: na Pilapilakap.t.: Jejojejo mba hanaitra ny mason' ny lehilahy. - t.i.f.: Apilapilaka / mipilapilaka, fipilapilaka, mpipilapilaka / ipilapilahana, fipilapilahana ( mahapilaka na mahapilapilaka / mitsipilaka. ΒΆ M.h.: Jejo, jefy, jila. Ahitsio
Pilampilana: p.t.: Mitovy amin' ny Pilapilaka. Ahitsio
Pilao: (fr. plomb) a: Tady kely misy vongam-pira-mainty izay entina manamarina ny fahitsian'ny rindrina tsy vilana na mivohitra. Ahitsio
Pilatse: (Ski) a,: Antsamotady. Ahitsio
Piliavava: a.: Fanaovana tsy anjery mikararana ka indraindray tsy heverina akory izay lazaina. Ahitsio
Pilimo: (fr. plume) a.: Teny enti-milaza ny lelam-penina sy ny tahony miaraka. Ahitsio
Pilina: (angl. pill) Fanafody miendri-boananana kely na-tao hatelina avy hatrany. Pilin-kankana: pilina ody kankana. Ahitsio
Piliolitse: (Ski) p.t.: Enti-milaza ny zavatra na feo kely mi-la tsy ho hitan'ny maso na ho ren'ny sofina, bilitika. Ahitsio
Pilipily: (Ski) a.: Sakay. Ahitsio
Pilo: a.: Sakay mena. Ahitsio
Pilopilo: (fit.-p.) a.: Voantsiperifery, dipoavatra. Ahitsio
Pilopilo: p.t.: Marani-doha. ? I-lazana koa ny loha mihefikefika mampiseho hajejoana, na ny loham-bibilava misosososo sy mitrangatranga le-la. - t.i.f.: Apilopilo / mipilopilo. Ahitsio
Pilotra: (fit.-p.) a.: Anaran-kata iantsoana ny antsamotady. Ahitsio
Pilotse: (Ski) a.: Enti-milazany salaka sady kely no fohy. Ahitsio