Litera p

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Pily: (fit.-p.) a.: Anaran-kafa iantsoana ny fandrefiala. Ahitsio
Pily: a.: Karazam-bibilava vaventy. Ahitsio
Pimaso: a.: Baiko atao amin' ny maso (na hiantsoana olona na handrarana azy tsy hiteny...). Ahitsio
Pin-: Fitambaran'ny P sy ny " tsofoka na sisika IN hanaovana mt. ih. amin'ny fototeny sasantsasany manomboka amin'ny P.: Pinaoka = p+ in+ aoka: Voapaoka. Ahitsio
Pinaika: (paika) mt. ih. misy tsofoka in: Voapaika, voapoka, pehina: Nopinaika ilay vara dia vaky. Ahitsio
Pinaingotra: (paingotra) mt. ih. misy tsofoka in: Voapaingotra, paingorina, asiana paingotra. Ahitsio
Pinaoka: (paoka) mt. ih. misy tsofoka in: Voafaoka amimpahakingana. Ahitsio
Pinasoka: (pasoka) mt, ih. misy tsofoka in: Voapasoka, pasohina. Ahitsio
Pindakoaka: na Pindaoka a.: Biby fahagola voalazan'ny angano ho nisy tany amin' ny ilany atsimon'ny Nosy. Ahitsio
Pindina: (pindy) mt. ih. (pindio): Apitika amin'ny fanondro, tsipindina. Ahitsio
Pindy: a.: Fanapitihana zavatra amin'ny fanondro izay aforitra amin'ny ankibe ka atsotra tampoka sy mafy. - t.i.f.: Pindina, voapindy / manapindy, fanapindy, mpanapindy / anapindiana, fanapindiana ) mahapindy / pindipindy. ¶ M.h.: Tsipindy. Ahitsio
Pinelatra: (pelatra) mt, ih. misy tsofoka in: Voapelatra, pelarana, voafelaky ny tehamaina: Nopinelany ilay zaza maivan-doha. Ahitsio
Pinetaka: (petaka) mt. ih. misy tsofoka in: Voapetaka. Ahitsio
Pingapinga: a.: Fahamaimaizana mipelipelika sy kevokevoka. - t.i.f.: Mipingapinga. Ahitsio
Pingipongy: (fr, ping-pong) a.: Karazana tenisy fanao eo ambony latabatra. -+ Ahitsio
Pingo: a.: Hazo mainty sady mafy. Ahitsio
Pinitika: (pitika) mt. ih. misy tsofoka in: Voapitika, ipitihana: Nopinitiky ny fotaka ilay akanjoko vao auy nosasana. Ahitsio
Pinjy (Sakalava):Jorery Ahitsio
Pinotsitra: (potsitra) mt. ih. misy tsofoka in: Voapotsitra, potsirina: Naharary ilay uoy nopinotsitra. Ahitsio
Pintsana: na Pintsampintsana p. t.: Olona keliray na kelireny fa kinga;maivamaivana sy mailaka. - t.i.f•: Mipintsana, mipintsampintsana / fahapintsana, fahapintsampintsana, hapintsana, hapintsampintsana. Ahitsio