Litera p

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Plevra: (fr. plèvre) a.: Fonon' ny havokavoka, izay roa sosona ka ny sosona anatiny miraikitra amin'ny havokavoka ary ny ivelany amin'ny haran-tratra; eo anelanelan' izy roa, misy rano izay manarona ny hetsiky ny fiaina. Ahitsio
Pne: (fr. pneu) a.: Fingotra mafy vita boribory misy fingotra manify mibontsin-drivotra ao anatiny, fanaovana kodiaran'ny fiarakodia sy ny fiaramanidina. Ahitsio
Pnemonia: na Amonia, Tevika (fr. pneumonie) a.: Aretina avy amin'ny mikraoby manokana mpamely ny havokavoka: tampoka ny fiaviany, mangatsiaka mafy ny tena ary tsaroana misy maharary mafy ao amin'ny tratra toy ny misy manevitevika; sarotra ny fiainana; misy kohaka fohy ary ny rehoka mivolona harafesina. Ahitsio
Po-doha: Jer. Poka. Ahitsio
Po-tany: (poka tany) ft,: Zavamahazo ny tany ama-monina; areti-mifindra. Ahitsio
Poa: a.: Teny enti-milaza nyfeo heno rehefa mandrehoka. Ahitsio
Poa: na Poapoa t. p.: Teny voateny raha misy zavatra ratsy maharikoriko, zava-tsy tiana na mahasosotra: Poa! ataoko inona akory iny! 1 Teny voateny raha maharay zava-maloto ny zaza, ka asafna-ariany io voarainy io: Poa! maloto iny fa ario! Ahitsio
Poahana: (poaka) mt. ih. na pdr. (poahy): Tifirina: Nopoahany basy ny alikany ka maty. 1 Torahana, tsipazana: Aoka hopoahako auto io vorona io. 1 Asiana: Tsy manaiky aho fa nopoahan'ny zokin'ialahy totohondry ny zandriko. 1 Latsahana: Nopoahan'ny mpanao behariva ny paisonay ka najifa. ? Natao amim-pahaizana, am-paharisihana: Nopoahany ny tsianjery ka vaky vava daholo ny olona rehetra nanatrika. Ahitsio
Poaka:Firefotra (oh: firefotry ny basy, firefotry ny varatra) Ahitsio
Poaketra: na Poketra (angl. pocket) a.: Karazana lasaka kely mazàna vita amin'ny hoditra, fitondran'ny vehivavy an-tanana ka ataony fasiana ny zavajavatra madinika tsy misaraka aminy, toy ny mosara, vola, ans.: NanJary fomban-kaingon'ny vehivavy ankehitriny ny poketra noho ny bikany sy ny hasarobidin' ny zavatra nanaovana azy. Ahitsio
Poapoaka: a.: Anaran-javamaniry sahala amin'ny bosoa. Ahitsio
Poatoizay: p. mt.: Miaraka amin'izay, miaraka amin'ny vava. Ahitsio
Poety: (fr. poète) a.: Mpanao na mpanoratra poezia: Iza no poety ankafizinao indrindra? ? Enti-milaza koa ny olona manao fitenenana feno sarisary ary mampamelovelo: Lasa poety indray i zokilahy izany! Ahitsio
Poezia: (fr. poésie) a.: Tononkalo: Nahafinaritra izay poezia nataon'Isambilo tamin' ny fetin'ny reny izay. ? Toetran'ny zavatra mampisondrotra fanahy na mampamelovelo ny fo sy ny saina: Tsy misy tsy manembonembona eo anoloan'ny poezian'ny takariva mahatsara vahiny. Ahitsio
Pohina: (poka) mt. ih. (pohy): Donina: Tandremo fa raha vao pohina kely foana io dia vaky. Ahitsio
Poika: t. p.: Teny ataon'ny ankizy entiny mandà izay lazaina aminy: Bozy a, indriako, hono, no namaky ity fitaratra ity? Poika! izaho tsy nahalala ny fisian'io fitaratra io akory. Ahitsio
Poipoy: (Ski) a.: Fikakakan'ny boloky. Ahitsio
Poirina: (poitra) mt. ih. (poiro): Loarana avy any anaty zavatra mba hiseho: Poiro amin'ny fangady io vato io. * Esorina amin-kery: Poirina ny hidin-trano. Ahitsio
Poitra: a.: Fisehoana, fitsimohan'ny zavatra ambolena. i t.i.f.: Poirina, apoitra, voapoitra, tafapoitra / mamoitra, famoitra, nranapoitra, fanapoitra j amoirana, famoirana; anapoirana, fana-. poirana / mipoitra, fipoitra, mpipoitra / ipoirana, fipoirana / mahapoitra / poipoitra. Ahitsio
Poizina: (angl. poison) a.: Zavatra mety hahafaty raha tafiditra ao anatin'ny tena amin'ny alalan'ny fihinanana, fisotroana, sns... - t.i.f.: Poizina, voapoizina 1 manapoizina, fanapoizina, mpanapoizina / anapoizinana, fanapoizinana. Ahitsio