Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rado: a.: Fehivozona vita amin' ny vakana volamena na volafotsy. - t.i.f : Arado, radoina / mirado, firado, mpirado / iradoana, firadoana / maharado. Ahitsio
Radoina: (rado) mt. ih. (radoy): Ampanaovina rado, haingôina amin'ny rado: Noradoina i Soa kely ka aoka izany ny hatsarany! Ahitsio
Radona: na Radondradona p. t.: Tsara bika, mifanentana sy mifanao ara-keviny amin' izay maha-tsara azy ny habe sy ny halava. - t.i.f.: Maradona, maradondradona. Ahitsio
Radraty: (Ski) a.: Rivotra mafy avy any avaratra, mifanohitra amin'ny fandohotse avy any atsimo. Ahitsio
Rafana: a.: Fofona mahery mahatofoka, fofona mandraraka. - t.i.f.: Mandrafana. Ahitsio
Rafandrafana: p.t.: Mienjika atsy mienjika aroa noho ny tahotra, ny fivadiham-po. - t.i.f.: Arafandrafana / mirafandrafana, firafandrafana, mpirafandrafana. Ahitsio
Rafara: na Rafaravavy a,: Anarana iantsoana sy ilazana ny zanaka vavy zandriny indrindra amin'ny nateraka. Ahitsio
Rafaralahy: na Randriam parany a.: Anarana iantsoana sy ilazana ny zanaka lahy zandriny indrindra amin'ny nateraka. Ahitsio
Rafesina: (rafy) mt. ih (rafeso): Alaina ho rafy. Ahitsio
Rafetana: (rafitra) mt. ih. na pdr. (rafeto): Enti-milaza 1) zavatra asiana na petahana zavatra hafa: Norafetako tehamaina ny takoiany; 2) olona iadiana, ifampitolomana: Ahitsio
Rafitra: a.: Fiasanany hazo hanaovana fanaka, trano: Anisan'ny taozavatra ilaina tokoa ny rafitra. ? Fomba iasana ny hazo mba hanaovana azy ho fanaka, trano...: Tsara rafitra ity latabatra ity. 1 Fikambanan'ny zavatra ma-ro ho tenan-javatra iray: Mahatalanjona ny rafitry ny tenan'ny oiombelona. • p. t.: Manomboka: Tamin'izay, rafitra ny ady. ? Raikitra: Rafitra ady Isambilo sy Ibalita. ? Mikatroka... avy hatrany, ombika: Rafitra nifampi tolona izy roa lahy. - t.i.f.: Rafetana, arafitra, voarafitra, tafarafitra / mandrafitra, fandrafitra, mpandrafitra / andrafetana, fandrafetana / mirafitra, firafitra, mpirafitra / irafetana, firafetana / maharafitra ( rafidrafitra. Mifandray hevitra: Fitaovana fanaovana rafitra: Vankona, raboha, dalompy, tsofa, didiravina, homamanta, tantanana, famoalaka, torosy, tan-dm, fandraka (fandradahy, fandrabavy), vahoho, fively, fively fandraka, filamatra, hazomahitsy, famaky, tsimaka, lamisy, rivodahy. —Fomban-drafitra: am-panoa, andahiny, ambaviny, barazedxa, sokitra, torihisatra, koronosy, fehimbarika, filioro, saridiseza. Ahitsio
Rafoka: a.: Toetran'ny zavatra mora vaky, mora simba, faharefoana. - t.i.f.: Marafoka, marafodrafoka / harafoka, faharafoka / mandrafodrafoka / fandrafodrafoka. Ahitsio
Rafotrako: (Btm) a.: Orana anaty rano, lava tanana sady mainty. Ahitsio
Rafotsy: a.: Teny iantsoana ny vehivavy efa zokinjokiny, efa fotsy na manomboka ho fotsy ny volony, ka ampiasaina hoenti-milaza azy, na raha miteny aminy: Vao nahazo vola Rafotsy, dia lasa. / Aoka re, Rafotsy, hoy ireo tanora mpananihany, fa efa tofoky ny anatrao izahay. Ahitsio
Rafozana: a.: Teny ilazana ny ray aman-drenin'ny vady, na izay olona heverina ho tokotokony ho izany, toy ny iray tam-po aminy: Rafozan-dahy, rafozam-bauy. - t.i.f.: Rafozanina / mandrafozana, fandrafozana, mpandrafozana / andrafozanana, fandrafozanana / maharafozana. - F.-p.: Miasa jamba rafoxana: miasa ho an'olona tsy mahalala na tsy mankasitraka akory izay ataonao ho azy. * Ohab.: Mitabataba tonga rafozana, akoho iray no uonoina, ka dimy no ma-mono: mihetsiketsika be, ne-fa tsy lifta izay vita, lasan-ko vavany. ) Rafozana be menomenona: anaterana ny masaha, lazainy "sisa tsy lany"; anaterana ny manta, lazainy "tsy omby vilany": enti-milaza olona sarotra omena fahafahampo, be fanakianana na inona inona atao aminy. / Rafozana jamba: ny mana-titra lamba tsy hitany, fa ny manatitra sira no isaotsaorany: enti-milaza ny olonamahatsiaro ny soa kely fa tsy mahatsiaro ny soa lehibe a-tao azy. / Tsara ny tantana, fa ny rafozana no tsy enina: ny tena zavatra indray no hadino. ¶ M.h.: aza atao be ny raharaha ka ny voly vary indray no tsy efa. Ahitsio
Rafozanina: (rafozana) mt, ih. (rafozano): Alaina ho rafozana. * Ohab.: Ny hovadina be ihany, fa ny horafozanina no tsy misy: mora ny mitady izay halaina ho vady, fa ny ho rafozana, sarotra ny hahalala mialoha na ho tsara izy na ho ratsy. Ahitsio
Rafy: a.: Anaran-kazo madinika. Ahitsio
Rafy: a.: Olona manohitra ny tena, mifanao an-daniny amin'ny tena. ? Olona mifaninana amin'ny tena. ~ Vehivavy izay alain'ny vadin'ny tena ho vadiny koa: Rafivavin-dRasoa Ravao. ~ Izay maka ny vadin'ny tena: Tsy nanaiky izy raha tsy naratrany ilay rafilahiny. - t.i.f.: Arafy, rafesina, voarafy, tafarafy / mandrafy, fandrafy, mpandrafy )andra• fesana, fandrafesana I mirafy, firafy, mpiraf y / irafesana, firafesana / mampirafy / maharaf y. - F.-p.: Mampirafy iahy: manana vady lahy maro. / Mampirafy raharaha: misahana asa na raharaha maro indray miaraka. / Rafiiahy: lehilahy manimba ny vadin' ny tena. / Rafivavy: vehivavy manimba ny vadin'ny te-na. * Ohab.: Ny rafy tsy lavitra, fa ny uadin-drahalahy mitafY iambamena: enti-milaza fampitandremana mba hahay mihetsika, hahay mitondra tena, fa ny mpifaninana amin'ny tena tsy lavitra. Ahitsio
Ragehezina: a.: Anaran-javamaniry fanao ody farasisa. Ahitsio
Raha: a.: Teny fahita indrindra any anindran-tany entina hilazana fanahy tsy fantatra, izay matetika manimba na mety hanimba: Misy raha ao anatin'io rano io. 1 Teny ilazana izay tsy tiana na tsy hay holazaina mazava tsara: Hitsikitsika tsy mandihy foana fa ao raha. Ahitsio