Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Ranohandrina: a.: Hazo fanao fanafody. Ahitsio
Ranoina: (rano) mt. ih. (ranoy): Atao tonga rano, levonina anaty rano: Betsaka ny fanafody no ranoina uao hanina. Ahitsio
Ranoka: a.: Anarana omena ny tsiranorano amboarin'ny fihary mba hanova toetra ny hanina alohan'ny hidirany amin'ny ra; ohatra, ny rora dia ranoka manova toetra simika ny hanina raha mbola vao ao am-bava. Ahitsio
Ranoka: sy Ranodranoka ft.: Zavatra mitera-drano na mando lava; enti-milaza toetr'aretfna mahalanaka izaitsizy ny marary. é Mandranoka, fandranoka, mpandranoka / mandranodranoka, fandranodranoka, mpandranodranoka . Ahitsio
Ranolalina: a.: Voahangy mainty kely fanao fehivozona. Ahitsio
Ranomafana: a.: Rano mafana toy ny vao avy nampangotrahina mivoaka avy any anaty tany iloman'ny olona mararin'ny rohana sy ny aretinkozatra ary ny malemy. Ahitsio
Ranomahery: a.: Asidra mahery ampiasain'ny mpanefy haninginana. Ahitsio
Ranomainty: a.: Rano fanoratana amin'ny taratasy, izay misy lokony samihafa ka ny mainty dia atao fotsiny hoe ranomainty, fa ny hafa kosa dia ampiana ny anaran-dokony avy; ranomainty manga, ranomainty mena. Ahitsio
Ranomalahelo: a.: Rano noharoana tany nalaina tamin'ny fasan'andriana ka nanaovana fianianana tokim-panompoana raha nisy mpanjaka vaovao. Ahitsio
Ranomamy: a.: Rano avy amin' ny loharano (ampiasaina indrindra raha miteny mifanohitra amin'ny ranomasina): Trondron-dranomamy. Ahitsio
Ranomandry: a.: Rano mivongana noho ny hatsiaka sahala amin'ny havandra. 1 h.i.: Fomban-domano misosa. 1 Hazakaza-madinika ataon'ny mpilanja misosa sy misononoka ka tsy mitontona akory ilay olona lanjaina. Ahitsio
Ranomanitra: a.: Rano amboarina amin'ny zavamaniry misy fofona mantra ka atao amin'ny akanjo na hanosorana ny tena. Ahitsio
Ranomanja: a.: Zavamaniry. (Crotalaria) Ahitsio
Ranomaria: a.: Rano mandeha mafy, mifanohitra amin'ny rano mihandron'ny farihy. Ahitsio
Ranomasina: a.: Rano lalina sady midadasika ary manonja misamboaravoara, m an odidina ny tany: Masirasira ny tsiron'ny ranomasina ka auy amin'izany no nahatonga ny anarany. Ahitsio
Ranomaso: a.: Tsiranorano mivoaka avy ao anaty maso no-ho ny fihetseham-po be loatra, na fanaintainana ara-batana na ara-panahy. - F.-p,: Adalo be ranomaso: anarana ilazan'ny olona ny volana adalo, izay voalaza ho be rivotra sy orana, ka ny vintan'ny zaza teraka amin' io dia vintan'olona malahelohelo lava. / Manao an-dranomaso: miangavy na mangataka miaraka amin'ny fitomaniana. / Manao ranomaso havozona: mitomany fatratra mila tsy hionona. / Marivo ranomaso: mora andairan'ny alahelo ka mora mitomany sy misentosento. / Miati-dranomaso: fomba fanaon'ny foko sy faritany sasany fahiny raha nankany an-dapa mba hitomany ny mpanjaka niamboho, mialoha ny fanafenana ny masina. / Mitrahotraho, mihandrohandro, manganohano ny ranomaso: ilazana ireo izay toy ny hitomany na efa ma-diva hirotsaka ny ranomasony noho ny alahelo na hafaliana vokatry ny fihetsehampo. j ranomaso manentsinkeloka na afefy heloka: enti-milaza ny hafetsen'ny sasany, izay mody mitomany sy malahelo mba hanafenany ny ratsy nataony. / Ranomasom-borono: enti-milaza ilay erika madinika mialoha ny andro fandroana. / Ranomaso-mpandoua: tomany tsy dia araka ny fo marina. / Ranomason-takotra: ny rano ateraky ny hafanana manaraka ny takotra rehefa mahandro sakafo. / Ranomaso teren-tsetroka: tsy tena alahelo fa vokatry ny zavatra ha-fa no itomaniana. / Ranomaso tsy miaraka amam-paty: enti-milaza fa tsy mety raira tsy mifanaraka amin'ny toejavatra miseho izay atao, indrindra izay mikasika ny fahoriana na ny alahelo (raha zavatra mikasika ny hafaliana kosa no resahina dia a-tao hoe "haingo diso an' Iarivo"). ¶ M.h,: Tomany, tany. Ahitsio
Ranomasonjatovo: a.: Anarandamba zandiana mora miofa izaitsizy. Ahitsio
Ranombary: a.: Rano miaraka amin'ny vary nandrahofna: Efa misotro ranombary ity zazakely ity. 1 Rano nandrahoam-bary andomana ny kofehy hanenomana mba hampahahenjana azy: Malemy an-dranombary loatra ity kofehy ity. Ahitsio
Ranombary tsy masaka: a.: Anarana ilazana ny vola famangiana amin'ny fahoriana raha mbola eo am-bohitra ny faty no mamangy: Auy manatitra ny ranombary tsy masaka, Tompoko. ¶ M. h.: Solon-tsosoa, faodranomaso, kofehy, rambondamba, zara levenana. Ahitsio
Ranombatsiny: a.: Tsiranorano fotsifotsy mitsika avy amin'ny ronono ampandrina. Ahitsio