Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rarina: (rary) mt. ih. (rario): Ampifampidipidirina mba ho tonga tsihy; randranina, Ahitsio
Rariny: a.: Fitsarana araka ny tokony ho izy, izay mirary tsara, izany hoe miady masony tsara tanteraka: Tsy rariny raha karama varimasaka no omenao ny mpiasa, nefa miasa andro aman'alina izy ireo. (Tsara homarihina fa ny hitsiny dia fitsarana araka ny tokony izy, izay mahitsy tsy misy olakolaka, ary ny marina, fitsarana araka ny tokony ho izy, izay marin-tampona tsy misy avo sy iva). - F.-p.: Ara-drariny: araka ny fahamarinana. / Lavo andrariny: voaheloka araka ny fahamarinana. / Mangataka rariny: mangataka fitsarana na didim-pitsarana tsy mitongilana. / Manome rariny olona: manaiky fa manana ny rariny ilay olona. / Tsy an-drariny: tsy araka ny fahamarinana. / Vary rariny: lany fotoana foana. * Ohab.: Fisaka ny rariny ka saro-tadiavina: ohabolana ilazana fa ilaina ny fiheverana sy fandinihana mba hahitana ny tena marina, fa sarotra ny ahitana azy raha tsy fakafakaina fatratra. / Ny heloka ibabohana mody rariny, ny rariny itompoana mody heloka: ny fiekena ny heloka vita dia mendri-pamelana, fa ny tsy fandeferana kosa —na dia manana ny rariny aza ny tena, ka efa miaiky ny hadisoany ny an-kilany — dia tsy fitiavana fihavanana, ka mahatonga ny tena ho melohin'ny olona. Ahitsio
Rary: ft.: Aretina, rofy, fanaintainana. 1 t.if.: Marary, farary, mparary 1 mankarary 1 ankarariana, fankarariana 1 maharary 1 harariana, faharariana. Ahitsio
Rary: a.: Hira vavaka fanaon' ny vehivavy ho fangatahampitahiana ho an'ny mpiantafika. - t.i.f.: Ruina 1 mirary, firary, mpirary 1 irariana, firariana 1 maharary. Ahitsio
Rary: a.: Fanaovana ny ahitra na ny rindra mifampidipiditra mba ho tonga tsihy na satroka, fandrandranana ahitra na rindra. - t.i.f.: Ratina, voarary 1 mandrary, fandrary, mpandrary / andrariana, fandrariana 1 mirary, firary, mpirary 1 irariana, firariana 1 maharary I rarirary. - F.-p.: Rarim-pihauanana: firindran'ny fifanarahana amin'ny havana ary ny mpiara-monina. Ahitsio
Rasa: a.: Fandidiana sy fitetehana ny henam-biby vonoina hohanina. i tif: Rasaina, voarasa 1 mandrasa, fandrasa, mpandrasa / andrasana, fandrasana / mirasa, firasa, mpirasa 1 maharasa. * F.-p.: Diso rasa: tsy nahatratra ny fotoana fizaran-kanina. / Tia rasa: tendana, sarotra an-kanina. / Rasa malama: enti-milaza fizaran-kanina vita tsara tsy misy kely sy lehibe. / Atao tra-drasa: entimilaza ny biby izay efa marary na nahazo takaitra, ka vonjena vonoina fa tsy avala ho faty ho azy. Ahitsio
Rasaina: (rasa) mt. ih. (rasao): Didiana sy tetehina: Rasao ity omby ity. * F.-p.: Rasain-koho: entimilaza hena matavy izaitsizy ka ny hoho ihany dia ampy handrasana azy. Ahitsio
Rasana: a.: Jar. Angongo. Ahitsio
Rasao:Teny madidy avy amin'ny [rasa] [mandrasa] Ahitsio
Rasaraka: (Btl) a.: Randrambolo betsileo misaratsaraka ny tadim-bolo. Ahitsio
RASAVOLANA:Kabary (amin'ny fahoriana) atao amin'ny misasak'alin'ny fiandrasam-paty ho fisaorana ny olona sy ho fanomezan-dalana izay tsy afaka hijanona intsony ary hanomezana ny fandaharam-potoana amin'ny fandevenana Ahitsio
Ratra: a.: Fery, fiendahan' ny hoditra sy loaka amin' ny nofo noho ny rangotra na zava-maranitra. - t.i.f.: Ratraina, aratra, voaratra 1 mandratra, fandratra, mpandratra / andratrana, fandratrana 1 miratra, firatra 1 iratrana, firatrana / maharatra 1 radratra ( maxa- ' tra. Ahitsio
Ratraina: (ratra) mt. ih. (ratrao): Asana ratra: Noratrain'io tsofa io ny zanako. • h. o.: Ampitondraina alahelo: Noratrainao, hono, ny fony tamin'ny nandaozanao azy tampoka. Ahitsio
Ratsiaina: p. t.: Enti-milaza ny vehivavy bevohoka manan-javatra tiana hohanina mafy: Ratsiaina vorivorin-kena Ramatoa io tamin'ny nanana ny zanany voalohany. ? h.i.: Maniry fatratra: Ratsiaina ady io lehilahy io. Ahitsio
Ratsina: (ratsy) mt. ih. (ratsio): Mao tonga ratsy. Ahitsio
Ratsiririatra: (Btm) a.: Karazam-bibilava madinika. Ahitsio
Ratsy: p.t.: Tsy tsars tarehy, mahasosotra ny mijery azy: Ratsy ny satroko noho ny anao. ? Tsy manan-toetra tsars, tsy mamy, tsy mahasalama, tsy manjary...: Ratsy izany mofo izany. / Ratsy ity trano ity fa sady maizimaizina no tsy mahazo riuotra. ? Olona fatra-panimba ny sasany, mamohehatra: Tsy sahy mandeha amin'ity lalana ity aho fa be olon-dratsy, hono, eto ho eto. - t.i.f.: Ratsina, haratsina, voaratsy 1 manaratsy, fanaratsy, mpanaratsy 1 anaratsiana, fanaratsiana / maharatsy / miharatsy 1 ratsixatsy / haratsy, haratsiana, faharatsiana 1 an-karatsiana 1 ratsiratsy. - F.-p.: Alin-dratsy: ilazana ny alina mialoha ny fandroana ka iverenan'ny vehivavy mbola tsy voasaotra any amin'ny vadiny izay nisarahany. / Hena ratsy: anaran'ny hena zaraina amin'ny mpandevina. / Hevi-dratsy: fisainana maloto sy tsy mendrika hamitahana na handaingana mba hamelezana ny hafa. / Manisy ratsy olona: manendrikendrika na manao ny tsy marina amin'ny hafa. / Naman-dratsy: namana mitarika amin'ny toetra tsy mahomby samihafa, / Nofy ratsy: nofy ahitana zava-mahatahotra sy mahafeno ahiahy, ka manjary tsy mampandry ny saina. / Olon-dratsy: entimilaza ireo olona tsy menatra, tsy mitans ny marina ary mety hahafaty ny aina, toy ny mpamosavy, mpangalatra... / Ratsy fanahy: a) olona tsy mahay mitondra tena sy tsy mahalala ny rariny; b) olona masiaka sy lozabe. / Ratsy fo: ilazana ireo olona sosisosy, tezitezi-poana, mora tohina sy misafoaka ary mitahiry hatezerana sy manao an-dolompo. / Rats y fiafara: tonga mahantra no farany nony lehibe, mijaly sy fadiranovana any ':m-parany. / Ratsy fiaina, ratsy fitondran-tena: olona tsy menatra, tsy valahara, mpivaro-tena, mivelona amin'ny halatra sy ny hafetsifetsena isan-karazany. / Ratsy tany: tsy mifankahazo amim-pihavanana amin'ny mpiara-monina. / Ratsy tarehy: olona manana endrika misy kilemany, tsy mahafinaritra ny maso ny mijery azy. / Ratsy vintana: tsy mba ambinina sahala amin'ny hafa canin' izay atao. / Sain-dratsy: toetra amam-panahy tsy misai-na afa-tsy faharatsiana: halatra, fitaka.,. / Sakaiza ratsy: (toy ny naman-dratsy ihany jar. eo ambony), na koa olona anaovana fitondran-tena tsy mendrika. / Teny ratsy: ompa sy ozona na fanevatevana olona noho ny hasosorana na fankahalana, teny vetaveta tsy mendrika lazaina eny imasom-bahoaka, / Teti-dratsy: fiokoana sy firaisan-tsaina hangalatra na hamono olona. / Voua ratsy: fanaratsiana na ompa sy ozona atao amin'olona. / Vasa tsy ratsy na am-bava tsy ratsy: enti-milaza ny teny ifanaovana izay tsars sy mamy nefs tsy araka ny fo fa saronana fihatsarambelatslhy fotsiny. / Zava-dratsy: ilazana ireo zavatra mahamenatra toy ny heloka na fitondrantena tsy mahomby sy fisolokiana olona; anarana iantsoana sy ilazana ny kary. / Zaza ratsy taiza: ilazana ireo ankizy maloto fiteny, mpaniratsira, tsy marin-toetra. * Ohab.: Mafanafana ohatra ny ratsy ataon-kavana: rehefa ny havana izay tena tokony hanampy no manisy ratsy dia tena mangidy tokoa fa tsaroan'ny aina ka mafana sy manempotra. / Aza manaratsy tena toa omby hantsika: aoka tsy ny tena ihany no hilaza ratsy sy hanambany ny tena (toy ny omby izay bilaka miditra ny tandrony). / Ny havan-dratsy tsy mahaleo ny sakaiza tiana: enti-milaza ny haratsian' ny havana sasany izay mijery fotsiny ny voina mahazo ny tena, mitaha amin'ny sakaiza tiana, tsy taova tsy volovolo, nefa tsy manary amin'ny sarotra. / Tsy tsara tsy ratsy ohatra ny andro ririnina: ilazana toe-javatra na toetr'olona tsy hita hatao tsara na ratsy tanteraka (mitovy amin' ny hoe "tsy main tsy lena" entin'ny olona milaza ny ririnina koa). ¶ M.h.: Ratsiratsy, tsizarizary, tsy tsara, tsy manahoana, eo ho eo, benahoana, tsy va-non, tsy mahomby, tsy manjary, fatritran-javatra. Ahitsio
Raty: a.: Ny hoditry ny akondro maina: Maivana toy ny raty Ahitsio
Raty: na Ratiraty (fit.-p.) a.: Bozaka maina. Ahitsio
Rava: p. t.: Simba tanteraka, potika: Ravan'ny rivo-doza ny tranony ka tsy nahita hialofana izy. ? h.o.: Vao telo tao-na monja dia roua ny fanambadian'izy roa. ? Tsy m?sy na inona na inona mijanona, fongana, foana: Rava ny fikasanay. ? Mihahaka, miparitaka: Rama ny tafika. / Efa raya ny kilalao vao tonga ianao. - t.i.f.: Ravana, tafarava J mandrava, fandrava, mpandrava J andravana, fandravana / mirava, firava, mpirava J iravana, firavana / maharava J ravarava. - F.-p.: Raya fananana, raya harena: simba harena, tonga mahantra. I Raya hatreo ny fihauanana: enti-milaza ny fahatapahan'ny firaisana arapifankatiavana. J Bava ny tetika: tsy nahomby ny hevitra novolavolaina. / Raya ny volana: miratra na nahabangana ny volana, /Rava tokantrano, raya fanambadiana: nisaxaka am-panambadiana. J Trano raya: trano efa simba tsy misy tafony intsony, fa ampiantany sy rindrina efa nianjera no sisa. ¶ M.h.: Simba, rota, levona, fongana, miongana, mirodana, ambony ambany, tay misy vato mifanongoa. Ahitsio