Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rebireby: a: Fitarihana mba hampivily lalana fa tsy amin' ny tokony ho izy. ~ Hevitra manodoka hamitahana; fanolikolena; fanadalana. - t.i.f.: Rebirebena, arebireby, voarebireby, tafarebireby J mandrebireby, fandrebireby, mpandrebireby / andrebirebena, fandrebirebena I mirebireby, firebireby, mpirebireby I ixebirebena, firebirebena I maharebireby. Ahitsio
Reboka: a.: Fihinanana an-kisesy amin-kasarotana na hatendana, famosibosehana. 1 p.t.: Mieboebo, mirehareha amin'ny fandanilaniana, amin'ny firaQaradana. - t.i.f.: Areboka, voareboka J mandreboka, fandreboka, mpandreboka I andrebohana, fandrebohana J mireboka, fireboka, mpireboka J mahareboka I rebodreboka. Ahitsio
Redaka: a.: Lelafo miredareda, afo manao rehi-be. - t.i.f.: Aredaka, voaredaka, tafaredaka I mandredaka, fandredaka, mpandredaka f andredahana, fandredahanaI miredaka, firedaka, mpiredaka I iredahana, firedahana I maharedaka. Ahitsio
Redareda: a.: Lelafo mirehi-be toa mahafinaritra ka maharitra. - t.i.f.: Aredareda, tafaredareda l mandredareda,fandredareda, mpandredareda J andredaredana, fandredaredana I miredareda, firedareda, mpiredareda J iredaredana, firedaredana I maharedareda. Ahitsio
Rediredena: (rediredy) mt. ih. (rediredeo): Tenitenenimpoana, tsy misy heviny. Ahitsio
Rediredy: a.: Teniteny be tsy misy heviny; fimenomenonana tsy misy fiatoana: Ny andRangahy io koa, rediredy foana; aiza ka hamidiko aminy masonkarena, hono, ity xauatra nanahirana ahy izaitsizy ity! - t.i.f.: Rediredena, arediredy, voarediredy, tafarediredy J mirediredy, firediredy, mpirediredy I irediredena, firediredena I maharediredy. Ahitsio
Redona: a.: Fiaraha-miteny na fiaraha-mihira. - t.i.f.: Redonina,. aredona, tafaredona / mandredona, fandredona, mpandredona / andredonana, fandredonana, miredona, firedona, mpiredona 1 iredonana, firedonana J maharedona Iredondredona. Ahitsio
Redonina: (redona) mt, ih. (redony): Tenenina, hiraina indray miaraka: Noredonin'ny mpianatra rehetra ny "Ry tanindrazanay malala ô!" Ahitsio
Refaka: ft.: Toetran'ny zavatra mitaritarika mifafa amin'ny tany toy ny rambo, ny akanjo lava... - t.i.f.: Arefaka, tafarefaka I mirefaka, firefaka, mpirefaka J irefahana, firefahana ! refadrefaka. Ahitsio
Refarefa: p.t.: Mitaritarika amin'ny tany. / a.: Toetran' ny zavatra lava miramborambo ka mitaritarika amin'ny tany, ny zavatra mitarozaka ela loatra, ny masoandro ma-diva hilentika, ny olona mitaredretra. - t.i.f.: Refarefaina, arefarefa, voarefarefa, tafarefarefa / mandrefarefa, fandrefarefa, mpandrefarefa I andrefarefana, fandrefarefana I mirefarefa, firefarefa, mpirefarefa I irefarefana, firefarefanalmaharefarefa. Ahitsio
Refarefaina: (refarefa) mt. ih. (refarefao): Enti-milaza ny raharaha atao mitarozaka, ka manjary halavaina ny fotoana hamitana azy. Ahitsio
Refesina: (refy) mt. ih. (refeso): 1) Jerena misy refy firy; 2) alaina refy, jerena ny halavany: Refeso kely ny lavan'ity efitra ity sy ny sakany. - F,-p,: Tsy refesi-mandidy: enti-milaza ny mpitondra manao jadona. ¶ M,h,: Mandidy tokana, tsy zehena, mpanao teniko fe lehibe, mpanao teny tsy valiana, mpanao teny jadona. Ahitsio
Refo: ft.: Toetran'ny zavatra mora vaky, malia. - t.i.f.: Marefo I mareforefo I harefo, faharefo. Ahitsio
Refona: p.t.: Valaka, reraka noho ny hanoanana: Refona aho ka nijanona nipetraka teo ambody hazo, nihinana iiay tapa-mofo farany tao anaty kitapoko. Ahitsio
Refotra: a.: Feon-javatra vaky na tapaka, ka miriatra, mitefoka, toy ny hazo maina voahitsaka, feom-basy mipoaka. 1 tif: Arefotra, tafarefotra 1 mandrefotra, fandrefotra, mpandrefotra J andrefotana, fandrefotana / mirefotra, firefotra, mpirefotra J irefotana, firefotana I maharefotra f refodrefotra. Ahitsio
Refy: a.: Halavana mitovy amin'ny halavan'ny sandry roa mitsotra tsars (ny refy dia sahala amin'ny mamakitratra indroa, na zehy imbalo na tondro inenina amby sivifolo, ka mitovy amin'ny 1,75 metatra eo ho eo amin' ny fandrefesana ampiasaina ankehitriny). Halavana: Zahao kely ny refin'ity latabatra ity. - t.i.f.: Refesina, arefy, voarefy J mandrefy, fandrefy, mpandrefy J andrefesana, fandrefesana / maharefy. - F.-p.: Refy tsy miampatra: ilazana fandrefesan-javatra manambaka: tsy henjanina tsara hivelatra ny tanana roa hany ka tsy ampy reo fy. ~ h, o.: Faneriterena. f Refy miampatra: refy atao somary mihantsika kely any aoriana ny sandry anankiroa. 1 h.o.: Enti-milaza ny fahafahana malalaka. Ahitsio
Rehaka: a.: Hadedahana, hakevohana, fiderana tena. - t.i.f.: Tafaxehaka I mirehaka, firehaka, mpirehaka J irehafana, firehafana f maharehaka J rehadrehaka. Ahitsio
Rehana: p.t. (t.tr.): Maro be, tsy tambo hisaina. Ahitsio
Rehareha: a.: Fihetsika miavona sady tsy miraharaha; fianjonanjonana noho ny hery na ny harena na fahaizana... ananana: Reharehan'olona re izany! mba manana fiarakodia izy ka dia mianjonanjona er?. ~ Zavatra na olona mahatonga hanana hambo: Ianareo miaramila nandresy no reharehan'ny firenena. - t.i.f.: Reharehana, voarehareha, tafarehareha / mirehaxeha, firehareha, mpirehareha 1 ixeharehana, fireharehana / maharehareha. Ahitsio
Rehareha: a.: Karazan-kazo (Colea); misy reharehalahy (Colea floribunda), ary reharehavavy (Colea). Ahitsio