Rebireby | : | a: Fitarihana mba hampivily lalana fa tsy amin' ny tokony ho izy. ~ Hevitra manodoka hamitahana; fanolikolena; fanadalana. - t.i.f.: Rebirebena, arebireby, voarebireby, tafarebireby J mandrebireby, fandrebireby, mpandrebireby / andrebirebena, fandrebirebena I mirebireby, firebireby, mpirebireby I ixebirebena, firebirebena I maharebireby.
Ahitsio |
Reboka | : | a.: Fihinanana an-kisesy amin-kasarotana na hatendana, famosibosehana. 1 p.t.: Mieboebo, mirehareha amin'ny fandanilaniana, amin'ny firaQaradana. - t.i.f.: Areboka, voareboka J mandreboka, fandreboka, mpandreboka I andrebohana, fandrebohana J mireboka, fireboka, mpireboka J mahareboka I rebodreboka.
Ahitsio |
Redaka | : | a.: Lelafo miredareda, afo manao rehi-be. - t.i.f.: Aredaka, voaredaka, tafaredaka I mandredaka, fandredaka, mpandredaka f andredahana, fandredahanaI miredaka, firedaka, mpiredaka I iredahana, firedahana I maharedaka.
Ahitsio |
Redareda | : | a.: Lelafo mirehi-be toa mahafinaritra ka maharitra. - t.i.f.: Aredareda, tafaredareda l mandredareda,fandredareda, mpandredareda J andredaredana, fandredaredana I miredareda, firedareda, mpiredareda J iredaredana, firedaredana I maharedareda.
Ahitsio |
Rediredena | : | (rediredy) mt. ih. (rediredeo): Tenitenenimpoana, tsy misy heviny.
Ahitsio |
Rediredy | : | a.: Teniteny be tsy misy heviny; fimenomenonana tsy misy fiatoana: Ny andRangahy io koa, rediredy foana; aiza ka hamidiko aminy masonkarena, hono, ity xauatra nanahirana ahy izaitsizy ity! - t.i.f.: Rediredena, arediredy, voarediredy, tafarediredy J mirediredy, firediredy, mpirediredy I irediredena, firediredena I maharediredy.
Ahitsio |
Redona | : | a.: Fiaraha-miteny na fiaraha-mihira. - t.i.f.: Redonina,. aredona, tafaredona / mandredona, fandredona, mpandredona / andredonana, fandredonana, miredona, firedona, mpiredona 1 iredonana, firedonana J maharedona Iredondredona.
Ahitsio |
Redonina | : | (redona) mt, ih. (redony): Tenenina, hiraina indray miaraka: Noredonin'ny mpianatra rehetra ny "Ry tanindrazanay malala ô!"
Ahitsio |
Refaka | : | ft.: Toetran'ny zavatra mitaritarika mifafa amin'ny tany toy ny rambo, ny akanjo lava... - t.i.f.: Arefaka, tafarefaka I mirefaka, firefaka, mpirefaka J irefahana, firefahana ! refadrefaka.
Ahitsio |
Refarefa | : | p.t.: Mitaritarika amin'ny tany. / a.: Toetran' ny zavatra lava miramborambo ka mitaritarika amin'ny tany, ny zavatra mitarozaka ela loatra, ny masoandro ma-diva hilentika, ny olona mitaredretra. - t.i.f.: Refarefaina, arefarefa, voarefarefa, tafarefarefa / mandrefarefa, fandrefarefa, mpandrefarefa I andrefarefana, fandrefarefana I mirefarefa, firefarefa, mpirefarefa I irefarefana, firefarefanalmaharefarefa.
Ahitsio |
Refarefaina | : | (refarefa) mt. ih. (refarefao): Enti-milaza ny raharaha atao mitarozaka, ka manjary halavaina ny fotoana hamitana azy.
Ahitsio |
Refesina | : | (refy) mt. ih. (refeso): 1) Jerena misy refy firy; 2) alaina refy, jerena ny halavany: Refeso kely ny lavan'ity efitra ity sy ny sakany. - F,-p,: Tsy refesi-mandidy: enti-milaza ny mpitondra manao jadona. ¶ M,h,: Mandidy tokana, tsy zehena, mpanao teniko fe lehibe, mpanao teny tsy valiana, mpanao teny jadona.
Ahitsio |
Refo | : | ft.: Toetran'ny zavatra mora vaky, malia. - t.i.f.: Marefo I mareforefo I harefo, faharefo.
Ahitsio |
Refona | : | p.t.: Valaka, reraka noho ny hanoanana: Refona aho ka nijanona nipetraka teo ambody hazo, nihinana iiay tapa-mofo farany tao anaty kitapoko.
Ahitsio |
Refotra | : | a.: Feon-javatra vaky na tapaka, ka miriatra, mitefoka, toy ny hazo maina voahitsaka, feom-basy mipoaka. 1 tif: Arefotra, tafarefotra 1 mandrefotra, fandrefotra, mpandrefotra J andrefotana, fandrefotana / mirefotra, firefotra, mpirefotra J irefotana, firefotana I maharefotra f refodrefotra.
Ahitsio |
Refy | : | a.: Halavana mitovy amin'ny halavan'ny sandry roa mitsotra tsars (ny refy dia sahala amin'ny mamakitratra indroa, na zehy imbalo na tondro inenina amby sivifolo, ka mitovy amin'ny 1,75 metatra eo ho eo amin' ny fandrefesana ampiasaina ankehitriny). Halavana: Zahao kely ny refin'ity latabatra ity. - t.i.f.: Refesina, arefy, voarefy J mandrefy, fandrefy, mpandrefy J andrefesana, fandrefesana / maharefy. - F.-p.: Refy tsy miampatra: ilazana fandrefesan-javatra manambaka: tsy henjanina tsara hivelatra ny tanana roa hany ka tsy ampy reo fy. ~ h, o.: Faneriterena. f Refy miampatra: refy atao somary mihantsika kely any aoriana ny sandry anankiroa. 1 h.o.: Enti-milaza ny fahafahana malalaka.
Ahitsio |
Rehaka | : | a.: Hadedahana, hakevohana, fiderana tena. - t.i.f.: Tafaxehaka I mirehaka, firehaka, mpirehaka J irehafana, firehafana f maharehaka J rehadrehaka.
Ahitsio |
Rehana | : | p.t. (t.tr.): Maro be, tsy tambo hisaina.
Ahitsio |
Rehareha | : | a.: Fihetsika miavona sady tsy miraharaha; fianjonanjonana noho ny hery na ny harena na fahaizana... ananana: Reharehan'olona re izany! mba manana fiarakodia izy ka dia mianjonanjona er?. ~ Zavatra na olona mahatonga hanana hambo: Ianareo miaramila nandresy no reharehan'ny firenena. - t.i.f.: Reharehana, voarehareha, tafarehareha / mirehaxeha, firehareha, mpirehareha 1 ixeharehana, fireharehana / maharehareha.
Ahitsio |
Rehareha | : | a.: Karazan-kazo (Colea); misy reharehalahy (Colea floribunda), ary reharehavavy (Colea).
Ahitsio |