Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Renibe: a.: Reny niteraka ny ray na reny niteraka ny te-na: "Baba" no fiantsoan'ny ankizy (zafikely) azy. Ahitsio
Renifeo: a.: Anarana omena ny renisoratra eo amin'ny fanononana. Misy karazany efatra lehibe ny renifeo: ny renifeo tsotra (b, d...), ny renifeo sosona mikasaoka (tr, dr...), ny renifeo sosona kentsona (nt, mp, nd...), ny renifeo kambana (oh. 1 sy n amin'ny hoe olona, izay tononina hoe "on"). Ahitsio
Renihatina: a.: Biby mahatonga ny hatina, izay bibikely rats? endrika volovoloina, karazana hala mibikan-tsokatra, misy tongony lomisy efatra (valo). Ahitsio
Renikely: a.: Vehivavy vadin' ny ray nefa tsy niteraka ny tena. Ahitsio
Renimanditra: na Manditra na Mandotra a.: Karazam-bibilava lehibe malaza ho mivelona ao anaty lava-bitsika, ka izany no iantsoana azy koa hoe renivitsika. Ahitsio
Renin-janaka: a.: Enti-milaza vady nisarahana nefa niterabana. Ahitsio
Renin-jaza: a.: Anarana 1) niantsoana fahizay ny renin' ny zaza natao hasoavana; 2) ilazana ny renin-drazazavavy amin'ny fotoana fampakarana; 3) iantsoana ny mpampivelona na ny mpanome tambavy. Ahitsio
Renina: ft.: Jer. Marenina. Ahitsio
Reniny: a.: Teny fiantsoan' ny lehilahy ny vadiny ao an-trano rehefa miresaka: Aoka re, reniny, fa mahatsikaiky ity lazainao. Ahitsio
Renirano: a.: Rano mandeha lehibe avy amin'ny fitambaran'ny sakelidrano marc>, ka mivarina any an'ony: Ikopa sy t Mahajilo dia samy renirano, fa ny iray mivarina any amin'ny onin'i Betsiboka, ny iray any amin'ny onin'i Tsiribihina. Ahitsio
Renireny: a.: Fandehandehanana etsy sy eroa tsy misy antony; fivezivezem-poana. - t.i.f.: Arenireny, tafarenireny 1 mirenireny, firenireny, mpirenireny I irenirenena, firenirenena / maharenireny. Ahitsio
Renivintana: a.: Anarana orne-na ireo vintana efatra lehibe sady mahery, dia ny Alahamady, Asorotany, Adimizana ary Adijady. Ireo renivintana ireo, amin'ny fanandroana izay anisana ny andro amin'ny iray volana, dia mi-tondra andro telo avy: vavany, vontony ary vodiny; oh. Vava alahamady, vonton'alahamady, vody alahamady. Ahitsio
Renivitsika: a.: Karazam-bibilava mipetraka amin'ny lava-bitsika ary voalaza fa fahanan'ny vitsika ka rehefa matavy tsy afa-mivoaka ny lavany dia haniny; somary manjamanja ny volony ary fisapisa-doha ny bikany. Ahitsio
Renivitsika: a.: Jer, Renimanditra. Ahitsio
Renivola: a.: Vola apetraka amin'ny banky mba hiteraka zanabola; petra-bola. 1 Vola ampiasaina hahazoana tombony. Ahitsio
Renivorona: a.: Anarana entimilaza vorona vavy alain-taranaka. Ahitsio
Renjvohitra: a.: Tanàn-dehibe misy foiben'ny fitondrampanjakana amin'ny tany iray: Antananarivo no renivohitr' i Madagasikara. Ahitsio
Renohina: (renoka) mt. ih, (renohy): Varianina, sondrianina. Ahitsio
Renoka: p.t.: Variana dia varia-na amin'ny asa, amin-javatra iray: Renoky ny raharahany izy ka tsy nahaheno ahy niditra akory. ¶ M.h.: Revo, sondriana. ~ Rendrika: Renoky ny torimaso. 1 Raiki-pitia: Efa renoky ny fitiavana anao izy. i tif: Renohina, arenoka, voarenoka I mandrenoka, fandrenoka, mpandrenoka / andrenohana, fandrenohana / mirenoka, firenoka, mpirenoka 1 irenohana, firenohana / maharenoka 1 renodrenoka. Ahitsio
Rentena: (renty) mt. ih. (renteo): Haingoina, ravahana. Ahitsio