Litera r

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Rainiolona: a.: Anarana nome-na ny miaramila mpitifitra amin'ny tafondro taloha. Ahitsio
Rainkona: Mitovy amin'ny Raikona. Ahitsio
Raioritra: a.: Anaran-kazo. Ahitsio
Rairaindrihana: a.: Hazo lava-lava fanao lafidrihana. Ahitsio
Raisina: (ray) mt. ih. (raiso): Alaina: Noraisiny ny satrony dia lasa izy. • Azo: Houaliako rahariva ilay taratasy noraisiko anikeheo. ? Ampiantranoina: Raiso tsara Rakoto fa havantsika. • E-kena ho isan'ny...: Noraisina ho mpikambana amin' ny Vokovoko Volamena izy. Ahitsio
Raitra: (agi. right) p.t.: Tsara tarehy bikana; voalohany amin'ny laharana;mendrika. Ahitsio
Raivasy: (angl. reverse) a.: Fanatsingolohana ny basy ho mari-pisaonana mpanjaka na mpitondra ambony. Ahitsio
Raivo: a.: Ny zanaka vavy eo anelànelan'ny vavimatoa sy ny faravavy, na firy na firy isany. Ahitsio
Rajako: a.: Karazam-biby izay manakaikikaiky ny olombelona amin'ny rafitry ny tenany, ny fomba fandraisany zavatra, satria mifanohitra amin'ny rantsantanany efatra ny ankibeny ka afaka mamihinazavatra izy. • h.i.: Enti-milaza tarehy na bika mampitahotra ananan'ny olona. Ahitsio
Rajaraja: p. t.: Avo, manerinerina. - t.i.f.: Arajaraja, tafarajaraja I mirajaraja, firajaraja, mpirajaraja / ¢ajarajana,firajarajana. Ahitsio
Raka: ft.: Hahia, hahiazana, fahamaranan-tsody. i t.i.f.: Mandràka, fandràka. Ahitsio
Rakandrakana: ft.: Toetran' ny tahom-bary mahitsy ary somary mahalankalana eny an-tanimbary. - t.i.f.: Mirakandrakana, firakandrakana. Ahitsio
Rakaraka: a.: Toetran'ny volo tsy voahogo fa mihaha mipariaka ary toa misaritaka. - t.i.f.: Rakarakaina, arakaraka, voarakaraka / mandrakaraka, fandrakaraka, mpandrakaraka I andrakarakana, fandrakarakana / mirakaraka, firakaraka, mpirakaraka 1 irakarakana, firakarakana / maharakaraka. Ahitsio
Rakarakaina: (rakaraka) mt. ih. (rakarakao): Hahana (volo). Ahitsio
Raketina: (rakitra) mt. ih. (raheto): Tahirizina. Ahitsio
Rakibolana: (rakitra, volana) a,: Anarana omena ny boky mirakitra na mitahiry ny tenim-pirenena iray voalahatra araka ny abidy ka voazava amin'ny teny fohy ny hevitry ny teny tsirairay na voavadika amin'ny fitenim-pirenen-kafa; diksionera: Rakibotana malagasy. / Rakibolana frantsay-malagasy. Ahitsio
Rakitra: a.: Vola angonina tsikelikely hatao tahiry:Manaova rakitra raha ta hahazo bisikileta ianao amin'ny faran' ny tao na. • h.o.: Harena, zava-tsoa sarobidy voatahiry: Rakitra lehibe ho an'ny firenena ireo sangan'asan'ny mpanoratra ao aminy. ? Toerana misy ny vola angonina: Namahy rakitra Ikoto ornaly. • Vola tantazana amin' ny olona vory maro be tsirairay, indrindra any ampiangonana: Tsy hisy uidimpidirana fa rahitra no hotantazana eo am-baravarana. - t.i.f.: Raketina, voarakitra I mirakitra, firakitra, mpirakitra / iraketana, firaketana 1 maharakitra / rakidrakitra. • F.-p.: Latsa-drakitra: ny vola alatsaka ao anaty rakitra na arotsaka amin'ny rakitra any am-piangonana. / Raki-malala: izay rehetra tiana sy lalaina. / Rakitr'antitra: enti-milaza izay zava-tsarobidy tehirizina amim-pitandremana fatratra. / Tsy mahamafy rakitra: enti-milaza zavatra na olon-tiana izay amohana ny rakitra mora foana. Ahitsio
Rakofana: (rakotra) mt. ih. (rakofy): Asiana zavatra eo ambony mba tsy hahitana azy na hiarovana azy amin'ny hatsiaka...: Rakofy io zaza io sao mangatsiaka. Ahitsio
Rakonantitra: a.: Lehilahy na vehivavy efa antitra mahia (jer. Konantitra). Ahitsio
Rakorako: a.: Toetran'ny volo misaritaka, tsy milamina. - t.i.f.: Arakorako, voarakorako, tafarakorako / mirakorako, firakorako, mpirakorako / irakorakoana, firakorakoana. Ahitsio