Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Salavalava: (Tsm) p. t.: Lavalava boribory tahaka ny atody. Ahitsio
Salazana: a.: Andrin-tsambo:Mirona miaraka amin'ny sambo ny salazan-tsambo. ? Soitrafo na havitra fitonoan-kena. ? Talantalana eo ambony fatana: Atao eo ambony salazana ny kitay mba ho maina rehefa fahavaratra. Ahitsio
Salazanina: (salazana) mt. ih. (salazano): Atsatsika eo ambony afo; hamainina eo ambony salazana. Ahitsio
Salebolebo: a.: Fisondrotry ny ambavafo ta handoa, loiloy. i t.i.f.: Misalebolebo. ΒΆ M. h.: Salebona. Ahitsio
Salebona: a.: Mitovy amin'ny salebolebo. - t.i.f. : Misalebona. Ahitsio
Salehotra: a.: Fahamaikamaikana foana; fahasahisahiana; fiselontselonana amin'ny raharahan'ny sasany. * t.i.f.: Asalehotra, tafasalehotra / misalehotra, fisalehotra, mpisalehotra / isalehorana, fisalehorana. Ahitsio
Salehotra: Fihasimban'ny Salehotra. Ahitsio
Salelaka: p.t.: Talesaka, sady marivo aty: Vilia salelaka. * t.i.f.: Misalelaka. Ahitsio
Salema: a.: Karazan-damba malemilemy volo. Ahitsio
Salembo: Salembona, na Salemboana a.: Mitovy amin' ny salebona. Ahitsio
Salesaka: p. t.: Vaky mitresaka eo amin'ny afovoany. - t.i.f. : Misalesaka, fisalesaka. Ahitsio
Saliadiaka: p. t.: Liandiana, ma-'dry fatratra (mitovy amin' ny liaka). * t.i.f.: Misaliadiaka, fisaliadiaka, mpisaliadiaka. Ahitsio
Saliaka: p. t.: Talesaka kely aty, tsy lalina ny atiny. 6 t.i.f. : Misaliaka, fisaliaka. Ahitsio
Salitika: Jer. Litika. Ahitsio
Salobona: a.: Fanaronana amin' ny lamba, fisaronana ao anaty lamba, sakobona. * t.i.f.: Salobonina, asalobona, voasalobona, tafasalobona / manasalobona, fanasalobona, mpanasalobona / anasalobonana, fanasalobonana / misalobona, fisalobona, mpisalobona 1 isalobonana, fisalobonana / mahasalobona 1 salobondobona. Ahitsio
Salobonina: (salobona) mt. ih. (salobony) :Saronana ao anaty lamba: Inona izao saloboninao izao? Ahitsio
Salohy: a.: Tendrony ambony amin'ny zavamaniry sasantsasany toy ny vary, izay iraiketan'ny voa mirindrarindra amin'ny taho: Mahafinaritra amin'ny fetin'ny santabary ny mahita ankizy kely milanja salohim-bary lehibe aoka izany. - F.-p.: Salohim-bary, salohim-boaloboka. Ahitsio
Salohy: (Btm) a.: Lefona. - F.-p.: Miala salohy fito: mihataka tora-defona' betsaka alefan'ny olona iray na alefan'ny olona marc). ? h.o.: Miala tsiny be dia be. Ahitsio
Salondo: na Salondona ft.: Toetran'ny lanitra feno rahona. * h.o.: Fisaronan-doha amin' ny lamba. * t.i.f.: Misalondona, fisalondona. Ahitsio
Salopy: (fr. chaloupe) a.: Lakandrafitra, botry, batrakely. Ahitsio