Salorana | : | (salotra) mt. ih. (salory): Anantonana (zavatra, toy ny lamba): Salory fehitenda ny uozonao raha mangatsiaka.
Ahitsio |
Salosina | : | a.: Fahalalana, fisainana (tsy miasa raha tsy miaraka amin'ny teny hoe "marivo"): Mariuo salosina: kely fisainana, tsy ampy fiheverana sy fahalalana.
Ahitsio |
Salosonina | : | p. t.: Ta handoa, misondrotsondrotra ny ambavafo (jer. Salebolebo).
Ahitsio |
Salotra | : | a.: Akanjo toy ny palitao fa fohy tena sy tsy misy tanana ary tsindriana ny palitao. ? ft.: Enti-milaza fomba fitafy lamba izay apetraka fotsiny eo ambony soroka roa. - t.i.f.: Salorana, asalotra, voasalotra, tafasalotra / manasalotra, fanasalotra, mpanasalotra / anasalorana, fanasalorana / misalotra, fisalotra, mpisalotra / isalorana, fisalorana / mahasalotra / salotsalotra.
Ahitsio |
Salotra | : | a.: Fomba firandran' ny renin-jaza amin'ny andro amorana ny zanany; r andram-b olo ataon'ny reny amin'ny fandidiam-poitra ny zanany.
Ahitsio |
Salovana | : | a.: Fankanesana eo anoloan'ny hafa ka manembantsembana azy. ? Fitenenana avy hatrany alohan'ny hafa ka tsy ahazoan'izato milaza ny heviny. ? Ny eo anoloana amin'ny tarehy:Salouan-taua. - t.i.f.: Salovanina, asalovana, voasalovana, tafasalovana /misalovana, fisalovana, mpisalovana / isalovanana, fisalovanana/ mahasalovana/ salovandovana. - F.-p.: An-tsalouana: eo anoloana manembantsembana ny hafa; mitsabaka amin'ny raharahan'ny hafa.
Ahitsio |
Salovana | : | a.: Lamba atao arondoto eo anoloana.
Ahitsio |
Salovanina | : | (salovana) ma ih. Malouany): Sembantsembanina amin'ny fankanesana eo anoloana: Aza salouaninao ny zokiolona.
Ahitsio |
Saly | : | Salisaly a.: Fametrahana zavatra (hazandrano, ohatra) eo ambonin'ny fatana, hitonoana na hanamainana azy amin'ny alalan'ny setroka. - t.i.f.: Asaly, voasaly, tafasaly / manasaly, fanasaly, mpanasaly / anasaliana, fanasaliana 1 misaly, fisaly, mpisaly / isaliana, fisaliana / mahasaly.
Ahitsio |
Saly | : | (fr. châle) a.: Tapa-damba lehibebe, volonondry na lasoa, andrakofan'ny vehivavy ny sorony roa ka mihaona eo anoloana.
Ahitsio |
Sama | : | p. t.: Misokatra be, samaka, ary tsy fiteny afa-tsy amin'ny vava tokana ihany: Sama uava.
Ahitsio |
Sama | : | a.: Karazam-borona sa-hala amin'ny vano. (Phoenicopterus antiquarum)
Ahitsio |
Samahina | : | (samaka) mt. ih. (samaho): Vakina, verahina hisaraka roa: Nosamahin'ny ankizy ny fen'ilay sahona.
Ahitsio |
Samaka | : | m. t.: Tataka ka misaraka roa: Samaka ilay hazo nifandroritan'ny ankizy. - t.i.f.: Samahina, asamaka, voasamaka, tafasamaka / manasamaka, fanasamaka, mpanasamaka / anasamahana, fanasamahana / misamaka, fisamaka, mpisamaka / isamahana, fisamahana / mahasamaka / samatsamaka.
Ahitsio |
Samalama | : | a.: Anaram-bakana vonivony.
Ahitsio |
Samamena | : | a.: Anaran-karatra filalaovana misy sarina fo.
Ahitsio |
Sambalahivilana | : | a.: Jer. Sombalahivilana.
Ahitsio |
Sambany | : | p.mt.: Enti-milaza fanaovan-javatra vao indray mandeha monja: Sambany nividy karatra tombola aho dia nahazo.
Ahitsio |
Sambasamba | : | a.: Teny atao ho fisaorana an'Andriamanitra, raha misantatra zavatra na mihinana sakafo tsy mbola nohanina. ? Fanandramana voalohany. ? Teny firariana raha tratran'ny taona vaovao; tenim-pirariana sy firavoana amin'ny fandroana: Sambasamba Andriamanitra Andriananahary. * t.i.f.: Sambasambaina, asambasamba, voasambasamba / misambasamba / isambasambana, fisambasambana / mahasambasamba.
Ahitsio |
Sambasambaina | : | (sambasamba) mt. ih. (sambasambao): Irariana ny fitahian'Andriamanitra: Nosambasambain'i Dadabe izahay rehetra.
Ahitsio |