Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Samoina: a.: Bibikely miofo ho lolo avy amin'ny bibintsaonjo na bibimbomanga na olimpanjehy;manana fantsona la-va mety mihorongorona eo ambony vavany ny samoina, izay fitsentsefany ny rano mamy ao anatin'ny voninkazo (tsahivina fa ny samoin' ny bibindandy dia atao hoe soherina no anarany). - t.i.f.: Misamoina, sy misamoimoina, fisamoina, mpisamoina / isamoinana, fisamoinana / mahasamoina. Ahitsio
Samokimoky: Mitovy amin' ny Mokimoky. Ahitsio
Samonina: a.: Monomonona na ngonongonona noho ny hasosorana na hatezerana. ? Ny firimorimon'ny fihodinan' ny milina. ? Ny feo heno amin'ny fanidinan'ny tantely. * t.i.f. : Misamonina, fisamonina, mpisamon?na / mahasamonina / samonimonina. Ahitsio
Samonta: a.: Fisondrotan'ny ranon'ny ranomasina arapotoana isan'andro amin'ny toerana iray. Ahitsio
Samontitra: na Samontotra a.: Fahatezerana feno fisafoahana, haromotana. * tif,: Tafasamontitra / misamontitra, fisamontitra, mpisamontitra / isamonterana, fisamonterana / mahasamontitra / samontimontitra. Ahitsio
Samosina: (samosy) mt. ih. (samosio): Atao miadana, lalorina. Ahitsio
Samosy: a.: Miadana fanao raharaha, mitaredretra: Samosy lava io mpianatra io. ? Mitarozaka: Samosy ny raharahantsika izany. * t.i.f.: Samosina, voasamosy, tafasamosy / misamosy, fisamosy, / mahasamosy / sa-m osim osy. Ahitsio
Samotady: Mitovy amin'ny Antsamotady (jer. ?o teny io). Ahitsio
Samotaka: Fihasimban'ny somotaka ara-panononana. Ahitsio
Sampaho: a.: Ny taho kelin' ny hazo misy ny voa; ny voankazo miraikitra amin'io ta-ho kely io: Tarafo ny rano fa ho hitanao ao /Ny nakako voahirana indray maka izay, / Ka tsarovy ny teny nataoko aminao / Raha nanolotra anao ny sampahony iray. (Ratsimiseta) Ahitsio
Sampaina: (fr. champagne) a.: Karazan-divay ambony mamorivory ataon'ny olona fisotro amin'ny andro iray. Ahitsio
Sampana: a.: Ny rantsana madinika miray amin'ny vataben'ny hazo: Be sampana ity hazo ity. / Sampan-kazo. ? Rehefa mety ho fizarazaran-javatra mivoaka avy amin'ny foto-be: Amin'ireo rano aisy any Ankaratra, ny sampana mianavaratra dia mivarina any Ikopa. ? Fizarazarana, antokon-javatra ao anatin'ny firaisam-be: Ny marika dia sampan'ny fianarana ambaratonga uoalohany. ? Fikambanana kely izay mifandray amin'ny foibe, na iray fileovana aminy: Ny sampana atsy Ananona no mandeha indrindra amin'ny sampan'ny Fikambanan'ny Ray aman-drenin'ny mpianatra eto amin'ny faritany. - t.i.f.: Sampanana na sampanina, asampana, voasampana, tafasampana / manampana, fanampana, mpanampana / anampanana, fanampanana / misampana, fisampana, mpisampana / isampanana, fisampanana / mahasampana / sampantsampana. Ahitsio
Sampanana: Sampanina (sampana) mt. ih. (sampano): Rantsanana: Andeha sampano itsy hazo itsy hirobona rehefa fahavaratra. ? h.o.: Sahanina: Aiza moa no hahombiazany? asa telo amana efatra no sampaniny. Ahitsio
Sampanteny: a.: Ireo teny rehetra avy amin'ny fototeny iray, azo tamin'ny alalan' ny tovona, tovana ary tsofoka. Oh.: Sitranina, sampanteny avy amin'ny ft. sitrana, manenona (ft. tenona), vinidy (ft. vidy), tomaratra (ft. taratra). Ahitsio
Sampazana: (sampy) mt, pdr-(sampazo): Enti-milaza ny zavatra ametrahan-javatra misampy na misavily:Nosampazana tady randrana lavalaua ny uozony. Ahitsio
Sampibe: a.: Ilazana ny olona miteraka lahy betsaka ary vavy vitsy, na vavy betsaka ary lahy vitsy. Ahitsio
Sampilahy: a.: Firavaka voahangy izay asampy ohatra ny samboady ny fitondra azy. Ahitsio
Sampina: a.: Ilazana ny fomba fanipy ny lanin'ny lamba tafina ho eo ambony soroka: Sampin-kau?a. - t.i.f.: Asampina, voasampina, tafasampina / manasampina, fanasampina, mpanasampina / anasampinana, fanasampinana / misampina, fisampina, mpisampina / isampinana, fisampinana / mahasampina / sampintsampina. Ahitsio
Sampivato: a.: Vahy mandadina misy matsilotsilo ny raviny. Ahitsio
Sampivony: a.: Ilazana ny olona miteraka lahy sy vavy mifandimbindimby hatrany: Manao sampivony. Ahitsio