Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sarangotina: (sarangotra) mt. ih. (sarangoty): Tanana mafy hamikirana raha misy mahazo ny tena: Iza moa no hosarangotiko at? an-tany la-vitra at? raha tsy ianao? Ahitsio
Sarangotra: a.: Famikirana amin'izay azo amaharana raha misy mahazo na raha mitady hianjera. 1 t. if.: Sarangotina, asarangotra, voasarangotra, tafasarangotra 1 manasarangotra, fanasarangotra, mpanasarangotra / anasarangotana, fanasarangotana 1 misarangotra, fisarangotra, mpisarangotra I isarangotana, fisarangotana / mahasarangotra. Ahitsio
Sarasara: a.: Teny nentina niarahaba ny mpanjaka fahiny, ka natokana ho azy irery ihany: Sarasara tsy ambaka, tompoko e! -- Sarasara! (enga anie ka tsy ho azon'ny aretina ambakaina ianao, tompoko, — Enga allie!). Ahitsio
Sarebaka: a.: Toetran'ny fitafiana na ny akanjo lava, malalaka sy mirefarefa amin'ny tany. - t.i.f.: Asarebaka, voasarebaka, tafasarebaka 1 manasarebaka, fanasarebaka, mpanasarebaka / anasarebahana, fanasarebahana / misarebaka, fisarebaka, mpisarebaka 1 isarebahana, fisarebahana 1 mahasarebaka 1 sarebadrebaka. Ahitsio
Sarendry: a.: Fanaovana rafitra ngorodona na fandaharana talla atao mifampidipiditra. Ahitsio
Sarendry: a.: Zavamaniry mitovitovy amin'ny sakamalao nampidirin'ny Antalaotra teto, manana fofo-manitra miavaka. Ahitsio
Sarerahina: (sareraka) mt. ih. (sareraho): Avala hibarera, hitaritarika amin'ny tany. Ahitsio
Sareraka: a.: Toetran'ny zavatra mibarera ary mitaritarika, toy ny elatry ny vorona anan'ny hafanana, na ny lamba tafina miroraka fa tsy misampina tsara. - t.i.f.: Sarerahina, asareraka I manasareraka, fanasareraka, mpanasareraka / misareraka, fisareraka, mpisareraka / isarerahana, fisarerahana 1 mahasareraka / sareradreraka. Ahitsio
Saresaka: p.t.: Mpiresaka be, mahay mifandray amin'ny olona, tsy mba mpanafinafina fa mamboraka ny ao ampony. Ahitsio
Sarety: (fr. charrette) a.: Kalesy tarihin'ny olona (saretintanana) na tarihin'ny omby miditra anaty jioga: Ariary zato ny zezika iray sarety. - F.-p.: Mpandroaka sarety: enti-milaza ny olona mibaiko ny omby mitarika sarety. * Ohab.: Kodiaran-tsarety ny fiainana ka mifandimby ambony sy ambany: enti-milaza fa ny fiainana eto an-tany dia tsy misy toerana raikitra fa miovaova mifandimbindimby ka ny ambony mbola mety ho ambany ary ny ambany mbola mety ho am bony. Ahitsio
Sariaka: na Sariadriaka p.t.: Falifaly lava, tia resaka sy mitsikitsiky: 0lona sariaka iny namanao iny ka mahafinaritra ny miaraka aminy. - t.i.f•: Tafasariaka / misariaka, fisariaka, mpisariaka I mahasariaka. Ahitsio
Saribakoly: a.: Sariolona izay matetika vita amin'ny bakoly, ka ataon'ny ankizivavy kely kilalao kizanajanaka. Ahitsio
Saribo: a.: Fantara. Ahitsio
Saridinina: (fr. sardine) a.: Karazan-trondro madinika fahita amin'ny ranomasin'i Mediteranea, izay mivelona manao andiany miara-dia maro be. (Tehirizina amin'ny diloilo anaty boaty vifotsy ny sardinina ka tonga laoka matsiro fatratra). Ahitsio
Saridiseza: (fr. lambrissage) a.: Ny haao arafitra manaraka ny sisin-gorodona sy ny rindrina. Ahitsio
Sarifilanelina: a.: Enti-milaza lamba izay kofehy volonondry ny tenany ary kofehy landihazo kosa ny fahany. Ahitsio
Sarihana: (sarika) mt. ih. (sari-ho) : Alaina sintonina. - F.-p.: Vata sarihana na Vatasarihana: karazana vatakely narafitra hifampiditra amin'ny latabatra na lalimoara, ka azo sarihana na sintonina araka izay itiavana azy. Ahitsio
Sarika: a.: Sintona, roritra. ? Kofehy madinika avy amin' ny vatan'akondro. - t.i.f.: Sarihana, asarika, voasarika / misarika, fisarika, mpisarika / isarihana, fisarihana / mahasarika / saritsarika. - Akondro sarika: karazan'akondro lava fa kely voany, izay fakana indrindra ny tsiratsirany hanaovana lamba. / Lamba sarika: lamba mavomavo tsara natao tarnin'ny sarika na kofehy madinika avy amin'ny vatan' akondro, izay nosarihana, dia notohizina natao lamba. * Ohab.: Lehibe miana-pototsarika, koa sahirana: entimilaza ny olona izay efa lehibe vao mianatra manenona (na manao asa iray) ka mananosarotra aoka izany. / Zazavavy tsy endrehindamba sarika; tsy adidiko tsy adidin-drainy: enti-milaza zavatra izay tsy miankina amin'ny hafa fa amin'ny tena ihany (eto, ny endrik' ilay zazavavy na ny tsy fahaizany mitafy no maha-tsara na maha-ratsy azy; marihina fa toa manala ny rainy sy manadidy ny hafa eto ny ohabolana, ny antony angamba dia satria ny reniny no tokony ho efa nampianatra sy nanazatra an-janany hitafy lamba sarika hatry ny ela). Ahitsio
Sarika: a.: Karazan'akondro fakana tsiratsirany ny vatany, izay nanaovan'ny Ntaolo indrindra lamba fahiny; ny vatan'ny akondro sarika dia la-va, ne fa ny voany madinika. Ahitsio
Sariko: a.: Ozona na ompa ratsy. - t.i.f.: Sarikoina, voasariko / misariko, fisariko, mpisariko. Ahitsio