Litera s

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Sahindra: a.: Redon-javamaneno fandihizana. Ahitsio
Sahirana: p. t.: Be raharaha vonjena atsY sy ar?: Sahirana aho anio ka tsy afaka handray olona. / Sahirana be ihany ry zareo ato avaratra fa manana uahiny betsaka. ¶ M. h. : Miheninkenina, mipenimpenina. ? Be ahiahy, manahy, sanganehana, valsa: Sahiran-tsaina aoka izany izy amin'ilay ady lova tsy mety vita. • Sosotra, sorena: Sahirana ny anao fa tsy afa-panadinana. • Tsy manam-bola, ao anatin'ny tsy fisiana, haporetana: Sahirana mafy Ra-koto mianadahy avy hatramin'ny nahafatesan-drainy. ¶ M.h.: Poritra, tery,"poribola. • Mahatsiaro fahasarotana: Sahirana er? izy rehefa mandeha noho ilay vay ao amin'ny feny. - t.i.f. : Sahiranina / manahirana, fanahirana, mpanahirana / anahiranana, fanahiranana / misahirana, fisahirana, mpisahirana / isahiranana, f?sahiranana / sahirankirana / hasahiranana, fahasahiranana / mahasahirana. ¶ M.h.: Be raharaha, miheninkenina, mihenikenika, jambena, maro herehina, ma-ro sahanina, mipenimpenina, tominjana. — Sahirana, sahirankirana, mahantra. — Manahirana, sarotra, mafotaka, baodibaodika, anoin-tsarotra. Ahitsio
Sahiranina: (sahirana) mt. ih. (sahirano): Omena raharaha, ahiahy: Aza fady fa sahiraniko ianao. • Sampontsamponana, sakantsakanana: Tsy sahiranin'inona na inona izy. Ahitsio
Sahiratsy: a.: Karazan' angady fa mivelatra kokoa ny lelany. Ahitsio
Sahoa: a.: Resadresaka miankina amin'ny honohono; tsaho. - t.i.f. : Misahoa / sahoahoa / misahoahoa. Ahitsio
Sahoahoa: a.: Kiakiaka, antso vonjeo tsisy antony. Ahitsio
Sahobaka: a.: Karazan'angely, izay mitovy amin'ny angely tsotra na loha, na tongotra, fa ny elany no tapany kely, ary somary botabota matavy ilay izy, indrindra ny kibo lasa leminy. Ahitsio
Sahoby: a.: Lanonan-dehibe misy hira sy dihy ifaninanana fanao hatry ny tamin'ny andro taloha ka nahatonga ny anarana hoe "sahobin'ny Ntaolo". Ahitsio
Sahoina: p. t.: Be dia be, raofim-potsiny, alaina araka izay tiana: Sahoina ny mananasy ambolenay er? andafy andrefana. • Amidy mora, a-tao varo-boba. Ahitsio
sahoko:feo vokatry ny fankafizana avoakan'ny mpifankatia (indrindra ny vehivary) mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo. Ahitsio
Sahomborera: a.: Karazana sahona maitsomaitso volo fahita eny ambony hazo. Ahitsio
Sahona: a.: Karazam-biby mivelona eny amoron'ny farihy sy heniheny, be monto-maso, malamalama hoditra, ary lava ny tongony aoriana no-ho ny eo aloha ka mahay mitsambikina izaitsizy izy; ny sahona dia biby miofo ka raha mbola kely izy, ka atao hoe tsiboboka, dia hafa dia hafa ny bika aman'endriny. Ahitsio
Sahonaka: p.t.: Vonto, bobo-ka, ampoka. - t.i.f. : Manasahonaka. Ahitsio
Sahondoroka: a.: Karazana sahona. Ahitsio
Sahondra: a.: Karazana vahona any an'ala misy voniny mena na vony izay mirozaroza mahafinaritra. - F.-p.: Sahondran-drambony: ny loha rambon.'omby ilay be volo iny. * Ohab.: Tsy adala monina Ankaratra aho ka tsy hahalala sahondra ho uaky: olona mahalala ny ataoko aho. ¶ M.h.: Tsy soavaly vao aho ka tsy hahalala an'i Mahamasina. / Tsy Tankay aho ka tsy hahalala dian-dambo. Ahitsio
Sahondrahondra: Mitovy amin' ny Hondrahondra. Ahitsio
Sahondrandrambony: a.: Ny tendron'ny rambon'omby izay volovoloina. Ahitsio
Sahotaka: a.: Fahataitairana sy fisavoritahana noho ny tahotra indrindra; fisafotofoto, fisaritaka. il t.i.f. : Misahotaka, fisahotaka, mpisahotaka / isahotahana, fisahotahana / sahotakotaka. Ahitsio
Sahy: p.t.: Manana herim-po hanao zavatra: Tsy sahy niady tamin'ny zanako Isambilo. • Afaka manao, manaiky: Tsy sahiko ny handray io olona io ao an-tranoko. • Tsy matahotra: Sahy anareo aho, hoy Rakoto tamin'ny lehiben'ny jiolahy. • Afakahividy: Tsy sahiko ariary zato akory io latabatra io fa ratsy. ? t.i.f.: Mahasahy na mahasaky / sahisahy / hasahiana, hahasahiana. - F.-p.: Angady sahy: angady miendrika famoalàka ny bikany. / Sahy lapa: azo aseho an-danonana. / Sahy latabatra: enti-milaza sakafo izay tsy mahamenatra ny mandroso azy eo ambony latabatra ho an'ny vahiny. /Sahy loza: tsy mataho-doza, mitsena loza. / Sahy rano: tsy matahotra ny hinona na ny hisotro tangena. J Sahy zauatra: fatra-panao an-kasahiana loatra. * Ohab.: Kely sahy lapa ohatra ny sotrobe: enti-milaza izay olona fatra-pihambohambo foana. ¶ M.h.: Sahisahy, mavany, misehaseha, sahy zavatra, sahy faty, tsy mivandy, tsy mivohovoho, bibin'olona, mosalahy, kimosamosa, misenasena, manao vy very, manao anjoria, mivarotra ai-na, mitsambiki-mikimpy, manaika loza, miseha-doza, mitsena loza, manaboha-maty, mankaha-paty, misotro ny aleoko maty, misotro tsilaky, minia maty ho maimbo, manehatra ny tandrok' omby maranitra, voalavo manaikiby, voalavo sasatry ny miaina, lolo fotsy mitono tena, atody miady amam-bato, basy maninana varatra. Ahitsio
Sahy: a.: Fanevatevana amin' ny teny ratsy sy ompa. - t.i.f.: Sahina, asahy, voasahy / misahy, fisahy, mpisahy / isahiana, fisahiana. - F.-p.: Misahy razana: maniratsira, manompa ny razan' ny sasany. Ahitsio