Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tahotra: a.: Fahatsiarovana ny tena ho manahinahy eo anoloana na eo am-pieritreretana loza iray: Tahotra ny alika no tsy hidirako ao amin' io tanĂ na io. - t.i.f.: Matahotra, fatahotra, mpatahotra / atahorana, fatahorana / mampatahotra na mampitahotra / mahatahotra / tahotahotra / hatahorana, fahatahorana. * F.-p.: Afa-tahotra: tsy ma-nana ahiahy intsony. / Raiki-tahotra: feno horohoro. / Saro-tahotra: mora miahiahy sy mangorohoro. / Taho-bozona: Hakanosana tafahoatra na horohoro amin'ny tsinontsinona. / Tsy tahotra tsy henatra: ilazana olona tsy manan-katahorana ary tsy valahara tsy mahalala menatra. * Ohab.: Saro-tahotra ny masony ka te hividy ny lohany: enti-milaza ny olona matahotra noho ny zavatra nataony ihany. hon-tsotro: ny fitazonana ny Ahitsio
Tahozana: Jer. Tangozana. Ahitsio
Tahy: a.: Fanaovana izay hahasoa; fanampiana; vonjy. - t.i.f. : Tahina, voatahy / mitahy, fitahy, mpitahy / itahiana, fitahiana / mahatahy. Ahitsio
Taika: a.: Enti-milaza ny vongan-dranonorana indray mi-tete latsaka; patraka. - t.i.f.: Mitaika, fitaika / taitaika / mitaitaika. Ahitsio
Taikataika: a.: Fandeha somary mitsamboamboatra, ka ny tanana sy ny tongotra mikipilipily. * t.i.f : Tafataikataika / mitaikataika, fitaikataika, mpitaikataika 1 itaikataikana, fitaikataikana / mahataikataika. Ahitsio
Taikomby: na Taikombindoha a.: Hofakofaka mainty mitakovana amin'ny lohan-jazakely ka mety miendaka ho azy na kikisana mba hiala. Ahitsio
Taikomby: na Taik'omby a.: Fivalanan'ny omby, dikin' omby. - F.-p.: Taikombin-doha: hofakofaka mainty mitakovana eo amin'ny lohan'ny zazakely vao teraka, eo ambonin'ny handriny. / Tain' omby mivadika: fiteny fandre matetika entina mahatsiahy ny fahamarinan'ny Ntaolo fahizay . (Nilaina na-tao zezika ny tain'omby ka samy naka izay hitany ny olona; raha misy tain'omby nivadika kosa anefa, dia tsy nisy sahy nikasika satria fambara izany fa tain'omby efa nofandrihan'olona io). Ahitsio
Taikotaiko: a: Ranjo lava. ? Hakevohana, tsy firaharahana, fiavonavonana. * t.i.f.: Mitaikotaiko, fitaikotaiko, mpitaikotaiko / itaikotaikoana, fitaikotaikoana. Ahitsio
Taila: (angl. tile) a.: Tanimanga voadoro vita efa-joro fisapisaka atao tafo na fandiavana solo-ngorodona. Ahitsio
Tailana: p. t.: Vilana, tsy mitovy ny an-daniny roa avy, mitongilana ny ilany, somaradimbana, tafy: Tailana ity latabatra ity izany fa mitongilana ny ilany noho ny iray. * t.i.f.: Tailanina, atailana, voatailana / manatailana, fanatailana, mpanatailana / anatailanana, fanatailanana 1 mitailana, fitailana, mpitailana / fitailanana, itailanana / mahatailana / tailantailana. ? F.-p.: Tailam-pandeha: mamindra somary mihorirana kely. l Tailam-pijery: mitongilana eo am-pijerena, ka ny ilany ihany no voajery. / Taila-nandrenesana: nandre ny ilany fotsiny fa tsy ny rasa-ka manontolo ka miova ny hevitry ny zavatra re noho izany. / Tailan-doha: mivilan-doha. / Tailan-tsoritra: sori-bolo tsy mahitsy, na va-va asa mivilana. Ahitsio
Tailanina: (tailana) mt. ih. (tailano): Atao tonga tailana, didiana misomaradimbana. Ahitsio
Taimandriny: a.: Zava-miraikitra amin'ny saod?era. Ahitsio
Taina: a.: Fampirehetana afo mba handrahoana sakafo. * t.i.f.: Tainana na tainina, ataina, voataina / mitaina, fitaina, mpitaina 1 itainana, fitainana / mahataina. Ahitsio
Tainana: na Tainina (taina) mt ih. (taino): Enti-milaza izay ampirehetana afo, izany hoe izay andrahoina: Inona no ao am-patana ao, ry Bozy? Mangahazo no tainiko ao, ry Nenitoa. Ahitsio
Taindambokely: a: Jer. Amboalambokely. Ahitsio
Tainga: a.: Soitrafo lava be fisokirana ny arma ao anaty fatana (amin'ny fanaovana arma). - t.i.f.: Taingaina. Ahitsio
Taingaina: (tainga) mt. ih. (taingao): Enti-milaza ny arma avy ao anaty fatana. - t.i.fa mikodia. ? Omena amboniny: Notaingenako efajato avy hatrany ilay boky natao lauanty, ka tsy nisy nahateny ny olona. Ahitsio
Taingina: a.: Fiakarana eo ambony; fipetrahana eo ambonin'ny zavatra avo; fanongonam-barotra indray. - t.i.f.: Taingenana, ataingina, voataingina, tinaingina, tafataingina 1 manaingina, fanaingina, mpanaingina / anaingenana, fanaingenana / mitaingina, fitaingina, mpitaingina 1 itaingenana, fitaingenana / mahataingina. Ahitsio
Taingo: a.: Fitangosana ny tsirin'ny zavamaniry, na ny laingony; fanapahana ny lamgon-javamaniry na ny tendrony; fijinjana eny amin' ny hato-bary fotsiny. - t.i.f.: Taingoina na taingosana, voataingo 1 mitaingo, fitaingo, mpitaingo / itaingoana, fitaingoana 1 mahataingo / taingotaingo. Ahitsio
Taingoina: na Taingosana (tain-go) nit ih. (taingosy): Tapahina ny laingony, ny lohany: Taingosy ny kafe mba haniry tsara. Ahitsio