Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Takarina: (takatra) mt. ih. (takaro): Ezahina tratrarina amin'ny tanana: Takaro kely io sary hitsinao io. Ahitsio
Takariva: a. na p. mt.: Amin' ny harivariva efa madiva ho alina na maizimaizina: Ho-mana takariva izahay. Takariva miavaka. - F.-p,: Takariva mena masoandro: ilazana ilay hariva efa madiva hilentika iny ny masoandro. Ahitsio
Takaroka: a.: Kitapo hoditr' omby. Ahitsio
Takasina: a.: Boribory lavalava sahala amin'ny fanoto. Ahitsio
Takataka: p. t.: Lava marotsaka, kely lava. - t.i.f.: Mitakataka. Ahitsio
Takatra: t. ih.: Tratran'ny tanana, azon'ny tanana raisina: Tsy takatro io voankazo io fa avo loatra. / Vakin'io zaza kely io izay rehetra takany. ? Mety ho tratran-javatra atsipy na atoraka: Ho taka-toraka va re iry trano mena-mena, iry? Mety ho vita noho ny fananana saina, vola: Lafo loatra izany ka tsy takatry ny volako - t.i.f.: Takarina, atakatra, voatakatra, tinakatra / manakatra, fanakatra, mpanakatra / anakarana, fanakarana / mifanakatra 1 mahatakatra. Ahitsio
Takatra: a.: Voronamitovitovy habe amin'ny vantotr'akoho saingy lava vozona sy lava vava, nefa ny bikan'ny lohany no manaitra avy hatrany fa tazana mandrakariva toa fisaka, nefa ny marina dia ny volony no somary lava eo ankatony sady mitsangan-dava misandrahaka; ny volon' endriky ny tenany rehetra dia manja vasoka. Ahitsio
Takatsihina: (takatsika) mt. ih. (takatsiho): Fitahina amimpiraisan-tetika. Ahitsio
Takatsika: a.: Fisolokiana hamitaka na hangalatra; fitaka; fahaiza-mifetsy hamandrika na hanoro vohony. - t.i.f.: Takatsihina / mitakatsika, fitakatsika, mpitakatsika / itakatsihana, fitakatsihana. Ahitsio
Take: (Ski) a.: Hazo amehezana ny ladirisy eo am-pototry ny andrin'ny botry na ny sambolay. Ahitsio
Takelajozoro: na Takelaka a.: Zozoro maro nalahatra dia notevehina bararata kely lava na fantaka mba hampitambatra azy. (Ny takelaka dia fanaon'ny olona solom-baravarana vonjimaika, na fefy anakonan-javatra, na tontam-parafara lafiky ny kidoro). Ahitsio
Takelaka: a.: Zavatra fisaka ary manify mielakelaka. ? Tahon-jozoro tohitohizina amin'ny fantaka ampiasaina hatao fefy na lafika. ? Ny ravin-taratasy isanisany amin'ny boky na kahie...: Zato takelaka ity kahie ity. Ahitsio
Takembo:(Tsm) a.: Bosoa fanao amin'ny fintana. Ahitsio
Takemotra: ft.: Fiverenana tsy mandroso, noho ny henatra na tahotra; hem otra. • t. t. f.: Mitakemotra, fitakemotra, mpitakemotra / itakemorana, fitakemorana. Ahitsio
Taketrana: na Takaitrana p.t.: Misy takaitra, misy tsininy, misy kilemany: Taketrana ity hazo ity fa misy tonony. Ahitsio
Takiba: na Takibaka a.: Ny ilany amin'ny kibo, ny faritra eo anelanelan'ny taolantehezana farany ambany sy ny moja. — Ilazana koa ny elanelan'ny zoro amin'ny rindrina, na afovoan'ny zoro anankiroa. - t.i.f.: Takibahana, atakibaka, voatakibaka / manatakibaka, fanatakibaka, mpanatakibaka. Ahitsio
Takibahana: (takibaka) mt. ih. (takibaho): Asiana na tevehina eo amin'ny takibaka. Ahitsio
Takibaka: a.: Jer. Takiba. Ahitsio
Takiboka: a.: Fano (rano na rivotra hidiana tsy afa-mivoaka), enti-milaza vay feno na-na, efitrano hipoka olona. ? h.o.: Vitsy teny, jomdka. - t.i.f.: Atakiboka, voatakiboka, tafatakiboka / manatakiboka, fanatakiboka, mpanatakiboka / anatakibohana, fanatakibohana / mitakiboka, fitakiboka, mpitakiboka / itakibohana, fitakibohana / mahatakiboka. Ahitsio
Takidiarana: a.: Kibo be; kibo mandroso be, mirotarota. Ahitsio