Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tsotsòka: a,: Nofo mihorona manarona ny filahiana. Ahitsio
Tsotsoka: a.: Anaram-bosotra omena ny Vazaha; jar. Tsitsoka (Tsm). Ahitsio
Tsotsòka: a.: Karazan-javamaneno tsotra dia tsotra fa vy na haro kely misy vavany ary loaka tokana eo amin' ny vatany fotsiny no tsofina. Ahitsio
Tsotsoraka: a.: Karazan-kazo fanao tehina. Ahitsio
Tsotsotsotso: a.: Feo re amin' ny vy mena mivaivay atsoboka ao anaty rano , na amin' ny zavatra ritra raha tampohan-drano ka feo mitovitovy amin'ny fanononana an'io teny io no heno. 1 t.if,: Atsotsotsotso, voatsotsotsotso, tafatsotsotsotso / manatsotsotsotso, fanatsotsotsotso, mpanatsotsotsotso /anatsotsotsotsoana, fanatsotsotsotsoana/ mitsotsotsotso, fitsotsotsotso / itsotsotsotsoana, fitsotsotsotsoana. Ahitsio
Tsovahana: (tsovaka) mt. th. (tsovaho): Main'ny hanina mahamay: Notsovahan'ny ronono mahamay ny lelako. Ahitsio
Tsovaka: p.t.: Main-javatra mahamay — na rano mangotraka izany na vy mivaivay — ka miendaka ny hoditra ary miseho ny nofo. - t.i.f.: Tsovahana, atsovaka, voatsovaka / manatsovaka, fanatsovaka, mpanatsovaka / anatsovahana, fanatsovahana / mitsovaka, fitsovaka / itsovahana, fitsovahana / mahatsovaka / tsovatsovaka. Ahitsio
Tsy: a.: Karazana vy, antsoina koa hoe "vy mahery", izay anaovana fiasana maro samihafa fandidiana na fandoahana (antsy, hety, hareza, ans...). Ahitsio
Tsy: p. mt.: Entina manda', ka fametraka: 1) eo alohan'ny teny lazaina (amin'izay asiana no eo alohan'ny enti-milaza): Tsy Rakoto no namaky ny fitaratra. / Tsy omby no hitanao fa soavaly; 2) eo alohan'ny enti-milaza: Tsy omby io biby io fa soavaly. / Tsy handeha aho; 3) eo alohan'ny teny roa mifanohitra mifanarakaraka avy mba hilazana toetra anelanelany: Tsy kely tsy lehibe itay izy fa salasalany na hilazana koa ny "rehetra": Tsy antitra tsy tanora fa samy revo amin'ny vola daholo rehefa mety ho olombetona; 4) eo alohan'ny teny roa mifanarakaraka avy mba hanamafisana tsy fisian-javatra: Tsy kitay tsy vary maina ao antranony, - F,-p.: Tsy ahoan-tsy ahoana: tsy misy antony inona. / Tsy alain-teny: mpiovaova teny, mpanao teny sendra. / Tsy azo atao amin'ahoana: be di-doha, mafy hatoka. / Tsy fidiny: tsy araka ny sitrapon'ny tena. f Tsy firy: vitsy, ankavitsiana. / Tsy hi-ta avanavana, tsy hita polopolorina: lalina mangitsokitsoka, tsy manam-petra, tsy hita lany. / Tsy hita hirangirana, tsy hita lavadavaka, tsy hita noanoa, tsy hita pesipesenina, tsy hita oelively, tsy hita zambazamba: be dia be, tsy hita lany, tsy hita fara. / Tsy ho faty raha tsy hianjeran'ny tanan-tsotro: kanosa izaitsizy amin'ny tahotra sao maratra, f Tsy ho vaky bilady anie: tsy hanan-java-mahory anie!! / Tsy Ikoto tsy Ika!a: ilazana ray aman-dreny tsy manan-janaka na iray aza. / Tsy mahandry andro Zomà: maika loatra alohan' ny fotoana. / Tsy maintsy: teny enti-milaza fa ilaina tsy azo avala ny fanaovana zavatra iray (eo aorian'ny "tsy maintsy" dia azo atao milaza ny ankehitriny na milaza ny ho avy ny matoanteny arakaraka ny hevitra tian-kolazaina): Tsy maintsy ataoko ity asa ity izao ihany — tsy maintsy hovangiako ny reniko rahampitso. /Tsy manampaharoa: tsy misy mitovy aminy. ¶ M,h.: Tsy manantsahala, baka lany sahaza, fanaperana, tonga lafatra, tapitra ohatra, tapitra efatra. / Tsy manan-kambo: tsy mahalala mitandro ny voninahitena. / Tsy manan-tsahala: jer. Tsy manam-paharoa./ Tsy mivalam-pa miorika: zavatra tsy mba mety midina, fa miakatra lalandava, / Tsy nahoana: tsy noheverina ho misy antony, tsy noraharahaina akory, / Tsy nahy: tsy iniana atao. / Tsy namono anaka: miaraka amin'izay (dia maty na resy). / Tsy rony tsy ventiny: tsy hita akory izay antony. / Tsy satry: jer. tsy fidiny. / Tsy tambo isaina: be dia be ka tsy azo isaina, tsy hita isa intsony. / Tsy tan-dalàna: ireo olon-dratsy tsy voatanan'ny lalàna intsony. / Tsy taova tsy volouo-Io: enti-milaza olona tsy mifaninoninona akory na mifanalavitra be amin'ny fihavanana. / Tsy vaky atatra, tsy vaky afero: tsy mahalala menatra na dia kely akory aza. / Tsy zarizary: tsy lavorary, tsy tena vanona. Ahitsio