Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Takovana: a.: Hatevenan-javatra betsaka mifanongoa. ? Takopery mifanosontsosona. * Teny enti-milaza ovana izay mivongovongo sy lehibe ny fijery azy. - t.i.f.: Atakovana, voatakovana / manatakovana, fanatakovana, mpanatakovana / mitakovana, fitakovana. Ahitsio
Taksia: (fr. taxi) a.: Fiarakodia mikarama mitondra olona mifamezivezy amin'ny tanàn-dehibe;fiarakaretsaka. Ahitsio
Taky: a.: Fakana ny an'ny te-na (na vola nosamborina izany na zavatra nindramina) any amin'olona. i t. if.: Takina, ataky, voataky, tinaky / mitaky, fitaky, mpitaky / itakiana, fitakiana / mahataky. Ahitsio
Talaboboka: ft.: Habetsahana; enti-milaza koa zavatra miavosa sy mitoby be dia be. i t.i.f.: Mitalaboboka. Ahitsio
Talagaga: na Tolagaga p.t.: Gaga izaitsizy, talanjona. * t.i.f.: Mitalagaga, fitalagaga, mpitalagaga / italagagana, fitalagagana. Ahitsio
Talaho: a.: Fangatahana arahim-piangav?ana fatratra; fangataham-pitahiana amin-Janahary ho ana marary, ho an' olona 'ndeha hivahiny: Resin'ny talahony aho ka nanaiky ihany tamin'ny farany. - t.i.f.: Talahoana, talahoina, atalaho, voatalaho, tafatalaho / mitalaho, fitalaho, mpitalaho / italahoana, fitalahoana / mahatalaho. Ahitsio
Talahoana: na Talahoina (talaho) mt. ih. (talahoy): Angatahina arahim-piangaviana fatratra: Ny hahafahany miteny no notalahoiny. Ahitsio
Talaka: p.t.: Mihodina, avily, ahodina ho any an-kafa. - t.i.f.: Atolaka, voatolaka, tafatolaka / manolaka, fanolaka, mpanolaka / anolahana, fanolahana / mitolaka, fitolaka, mpitolaka 1 itolahana, fitolahana / mahatolaka / tolatolaka. - Tola-drano: matyteo am-pinomana. J Tolaka amboa an-drano: maty ny amboa nampinomina nisolo ilay voampanga ka dia noheverina ho resy izy. J Tolaka be ravina: antsoantson'ny ankizy mba hampanidina ny voangory izay fatorany amin'ny tady ny tongony. J Tolaka andro: mby efa tsy mahery intsony ny hainandro, efa ivaiva ny masoandro. / Tolaka ila: miraika na mitongilana, mirona fa tsy marin-toerana. J Tola-kitsiny: 1)- fanalan-tsiny ny tena amin'ny fiampangana ny sasany; 2)- resy amin'ny hitsiny fa tsy nety nanaraka ny toro hevitry ny hafa. / Tolak'olona: mosavy nataon' olona. J Tolak'orona: entimilaza ny fahaizan'ombatahy manilika ny tandroky ny ombalahy miady aminy. / Tola-paditra: amin'ny fanalana faditra, ireo zavatra atsipy mianatsimo mba hanalàna ny mosavy samihafa. * Ohab.: Banga kendam-bomanga: tsy ilana tolah'olona intsony fa maty nasesiky ny tanany: enti-milaza ny o10-na voan'ny nataon'ny tenany ihany. Ahitsio
Talaky: tp.: Fihasimban'ny hoe: "Halaky" (malaky) amin'ilay fiteny hr,e: "Talaky mandeha", fampiasa mba hampirisihana hampianarana ny zaza van miana-mandeha, ka ny heviny dia hoe: enga anie ka vetivety dia handeha! Ahitsio
Talaky: p. t.: Mora hitan'ny maso; tazana tsara; mierinerina sy tsy miafina: Aza esorina eo ambony eo io sary io fa talaky maso tsara izy eo. Ahitsio
Talanjona: p. t.: Gaga, vanana izaitsizy: Talanjona Ikoto nahita ity vy be misondrotra eny amin'ny habakabaka. i t.i.f : Mitalanjona, fitalanjona, mpitalanjona / italanjonana, fitalanjonana / mahatalanjona / hatalanjonana, fahatalanjonana. Ahitsio
Talanolo: (fit.-p.) a.: Lahimatoa na vavimatoa, zoky be toa ray, zoky be toa reny. Ahitsio
Talantalana: a.: Toeran'entana avoavo. ? Hazo narafitra handadian'ny voaloboka na voninkazo. ? Tsivalan-kazo misy ny boky amin'ny fitoeram-boky. i t. f. f.: Talantalanana na talantalanina, atalantalana, voatalantalana, tafatalantalana / manatalantalana, fanatalantalana, mpanatalantalana / anatalantalanana, fanatalantalanana / mitalantalana, fitalantalana / italantalanana, fitalantalanana / mahatalantalana. Ahitsio
Talantalanana: na Talantalanina (talantalana) mt. ih. (talantalano): Asiana talantalana. Ahitsio
Talaotra: a.: Ny Arabo. Ahitsio
Talapetraka: a.: Fipetraka mitorovoka eo amin'ny tsihy. - t.i.f. : Atalapetraka, voatalapetraka, tafatalapetraka / mitalapetraka, fitalapetraka, mpitalapetraka / italapetrahana, fitalapetrahana / mahatalapelatraka. ;? F.-p.: Manao talapetraky ny mplaotra: miray tetika. Ahitsio
Talapetraka: a.: Zavamaniry mivelatra eo amin'ny tany aniriany ny raviny ary fanao fanafody. Ahitsio
Talapioka: a.: Sioka na fisamonin'ny tsorakazo akivilivily mafy. * t.i.f.: Mitalapioka, fitalapioka. Ahitsio
Talata: a.: Andro faharoa amin' ny herinandro, manaraka ny alatsinainy ary mialoha ny alarobia; fivoahan'ny Andriana taloha sy fananterana ny zavatr'andriana; ny talata no fivoahan'ny tafika amin'ny faritany marri, tsy fanao ny mamangy manjb talata. Ahitsio
Tale: a.: Ny voam-pano voalohany amin'ny laharan-tsikidy voalohany. ? Olona miadidy trano fiasana na tranom-barotra na mitovitovy amin'izany: Ranona no talen'ny Sekoly ianaran'ny zanako. (Tsara homarihina fa tsy tale no ampiasaina fa lehibe amin'ny antokon-draharaha na mitovitovy amin' izany: Ny lehiben'ny Paositra, ary filoha amin'ny fikambanana: Ny filohan'ny Ak ad em ia). Ahitsio