Tàmbana | : | na Tambàna a.: Sampona misakana tsy hanao na hanatanteraka zavatra nokasaina. - t.i.f-: Tambanana. - Tsy ho azon-tsampona, tsy ho azon-tambana: enga anie ka hieren-doza!
Ahitsio |
Tambanana | : | (tambana) mt. ih. (tambano): Asiana zavatra hisakanana tambana: Matetika taloha ny zauatra nokinasa notambanana valala manatody, fa "raha indrindra ho lauo ihany, aleoko mba ho lavo amin'akondro", hoy ny Ntaolo.
Ahitsio |
Tambany | : | (ambany) a.: Olona avy any amoron-tsiraka, izay toerana ivaiva na ambany miolotra amin'ny eto afovoan-tany.
Ahitsio |
Tambatambazana | : | (tambitamby) mt, ih. (tambatambazo): Safosafoina na tehatehafina malefaka: Tambatambazo io zaza io mba hangina ambara-pahatongan-dreniny. ? Kojikojena, anaovana teny malefaka na omena zavatra mba hitaomana hanao izay tian'ny tena: Notambatambazan'ny namany izy ka izariy no nahasimba azy.
Ahitsio |
Tambato | : | a: Mpipai-bato na mpandrafi-bato.
Ahitsio |
Tambatra | : | ft.: Firaisana tsy misaraka, fikambanana ho iray. i tif,: Atambatra, voatambatra, tafatambatra / manambatra, fanambatra, mpanambatra / anambarana, fanarnbarana / mitambatra, fitambatra, mpitambatra / itambarana, fitambarana / mahatambatra.
Ahitsio |
Tambavy | : | a: Anaran'aretina mahazo ny zaza izay heverina fa av)[ amin'ny vehivavy reniny niteraka azy ihany. ? Fanafodin-jaza amboarin'ny mpanao fanafody na mpanao raokandro: Misotro tom bauy.
Ahitsio |
Tambazana | : | (tamby) mt. ih. (tambazo): Karamaina: Notambazako telopolo Rakoto hanala ahitra manodidina ny tranonay. ? Omena atao loka: Tambazako ariary zato ianao raha mahabata ity vato ity.
Ahitsio |
Tambelona | : | a.: Fiverenan'ny ain'olona torana na safotra ka velona sy miaina indray. ? t.i.f.: Mitambelona, fitambelona.
Ahitsio |
Tamberezina | : | (verezina) p.t.: Enti-milaza olona angatahan-javatra tsisy farany, itampesonana, itambezoana.
Ahitsio |
Tamberina | : | a.: Entina milaza ny olona mandeha, dia miverina; ny lasa kely dia tonga indray. ? Entina milaza koa ny mihodinkodina eo an-toerana ihany, na ny fivezivezena mandroso dia misangodina eo amin'izay nialana. - t.i.f.: Atamberina, voatamberina, tafatamberina / manatamberina, fanatamberina, mpanatamberina / anatamberenana, fanatamberenana / mitamberina, fitamberina, mpitamberina / itamberenana, fitamberenana / mahatamberina / tamberimberina. - F.-p.: Tamberin-tany: ,fahadison-dalana ka mampiverina indray eo amin'izay efa naleha. / Azon'ny tamberin-tany: miverimberina eo amin'ny toerana efa naleha. / Vaky tamberina: mpandainga vaky lainga amin'izay nataony ihany. / Tamberim-bidy: vola miverina amin'ny mpamokatra avy amin'ny fokontany (Vatoeka) na ny SINPA nividy ny vokany, ambonin'ny vidiny, ka io dia ampahany isan-jato, ohatra, amin'ny tambatry ny vidin' ny vokatra lafony.
Ahitsio |
Tamberiverena | : | (tamberiuery) mt. ih. (tamberivereo): Asaina misodisody, mihaodihaody.
Ahitsio |
Tamberivery | : | a.: Fihodinkodinana amin'ny toerana tsy dia mifanalavitra ataon'ny mpangalatra fetsy, ka sady mihodividivitra izy no mitsikilo. - t.i.f.: Tamberiverina, atamberivery, voatamberivery, tafatamberivery / manatamberivery, fanatamberivery, mpanatamberivery / anatamberiverena, fanatamberiverena / mitamberivery, fitamberivery, mpitamberivery / itamberiverena, fitamberiverena / mahatamberivery.
Ahitsio |
Tambesarana | : | (tambesatra) mt. ih. (tambesaro): Tsindriana mafy ka tonga mavesatra: Aza tambesarana io talantalana io sao tapaka.
Ahitsio |
Tambesatra | : | a.: Fanindriana mafy eo ambony zavatra anankiray mba hampahavesatra azy kokoa. 6 Tambesarana, atambesatra, voatambesatra, tafatambesatra / manatambesatra, fanatambesatra, mpanatambesatra / anatambesarana, fanatambesarana / mitambesatra, fitambesatra, mpitambesatra / itambesarana, fitambesarana/ mahatambesatra.
Ahitsio |
Tambezo | : | na Tambezona a.: Hataka fatratra, fangatahana tsy misy fiatoana sy sesilany; tampesona; ambezo. - t.i.f•: Tambezoina, atambezo, voatambezo, tafatambezo / mitambezo, fitambezo, mpitambezo / itambezoana, fitambezona na itambezonana, fitambezonana / mahatambezo.
Ahitsio |
Tambezoina | : | (tambezo) mt. ih. (tambezoy): Angatahina mafy tsy misy fiatoana sy sesilany.
Ahitsio |
Tambiazina | : | a.: Ranom-by menamena misodika eny ambony rano mihandrona, na le-voila anaty tanimbary na miraikitra koa amin'ny vato milevina anaty vato, ka malaza ho ratsy. * Ohab.: Rafotsibe lavo antambiazina: raha tafarina mitsimpona tsindretra: enti-milaza olona azon'ny fahavoazana mafy, ka raha afaka avy ao aza, mbola tsy ambinina.
Ahitsio |
Tambina | : | a.: Zavatra atao tohana hanamafy zavatra iray hafa fanamp?ny: Asio tambiny io toko io fa mila hiongana. * Tambinana, atambina, voatambina, tinambina / manambina na manatambina, fanatambina, mpanatambina / anatambinana, fanatambinana / mitambina, fitambina, mpitambina / itambinana, fitambinana / mahatambina.
Ahitsio |
Tambinana | : | (tambina) mt. ih. (tambino): Asiana tambiny na fanampiny mba ho tsara fipetraka. ? h.o,: Enti-milaza olona ampiampiana lava fa tsy mahavita tena.
Ahitsio |