Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tambinoana: a,: Anarana karazan'ahitra an-drano. Ahitsio
Tambintsy: na Tambitsy a.: Hazo fanao ody hatina ny fakany (Psocospermum androsoemifolium, Baker). Ahitsio
Tambiorîo: (Tsm) a: Hevitra na zavatra tonga tampoka ao an-tsaina eo am-pitenenana ka anadinoana ny hevitra na zavatra saika holazaina. Ahitsio
Tambitamby: a.: Safosafo na tehatehaka malefaka mitory fitiavana enti-manala alahelo na mamporisika sy mitaona hanao zavatra iray: "Bodo zatra tambitamby / sy tamàna angotingoty, / vao maraina dia somamby / izany andron'ny kamboty". (J.J. Rabearivelo) - t.i.f.: Tambatambazana, atambitamby, voatambitamby, tinambitamby / manambitamby, fanambitamby, mpanambitamby / anambatambazana, fanambatambazana 1 mitambitamby, fitambitamby, mpitambitamby / itambatambazana, fitamb?tambazana 1 mahatambitamby. Ahitsio
Tambo: p.t.: Ialohan'ny hoe "tsy" mandrakariva io teny io, ka ny heviny amin'izany dia hoe be dia be, lehibe dia lehibe hany ka...: Tsy tamboko holazaina ny fahoriana nampitondrain-dRangahy io ahy (be dia be ka tsy hitako holazaina...). * F.-p.: Tsy tambo isaina: tsy hita isa. / Tsy tambo heverina: tsy tratran'ny saina hosa?ntsainina, na koa enti-milaza zavatra na raharaha maro loba. Ahitsio
Tamboavoa: a.: Fivontosana amin'ny lalan'ny hozatra iray izay misy zavajavatra mavomavo ao anatiny: Ny atodintarina dia karazana tamboauoa ihany. Ahitsio
Tamboazily: p.t.: Botrefona. ? Ombalahy. Ahitsio
Tambohitra: a.: Ny mponina amin'ny havoana, amin'ny vohitra na tanàna an-tampon-kavoana. Ahitsio
Tamboho: a.: Fefy tany atao manodidina ny fonenana. * F,-p.: Tamboho tsy uikinin-dahy: tamboho tsy dia avo loatra, nefa tsy azondehilahy ihoarana amin'ny vikina. Ahitsio
Tambolavola: a.: Kiborin-javatra maditidity, toy ny vary masaka, fats, tanimanga, ka potsipotsehina sy volavolaina amin'ny tanana. - t.i.f.: Tambolavolaina, voatambolavola / manatambolavola, fanatambolavola, mpanatambolavola / anatambolavolana, fanatambolavolana / mitambolavola, fitambolavola. Ahitsio
Tambolavolaina: (tambolavola) mt. th, (tambolauolao): Atao boribory ; volavolaina. Ahitsio
Tambolenina: (tambolina) mt. ih. (tamboleno): Asangodina. Ahitsio
Tambolina: a.: Sangodin-drivotra, na rano na vovoka. ? Enti-milaza zavatra mihorongorona lava, mitangolingolika. ? Mandalo, fitangolikoliky ny tsinay. - t.i.f• : Tambolenina, atambolina, voatambolina, tafatambolina / manatambolina, fanatambolina, mpanatambolina / anatambolenana, fanatambolenana / mitambolina, fitambolina / itambolenana, fitambolenana / mahatambolina / tambolimbolina / mitambolimbolina. Ahitsio
Tambolivoly: a: Ngolingoly, tsaroana dontodonto. Ahitsio
Tambolo: a: Zavamaniry fanamaintisa-nify (Buchnera teptostachia), Ahitsio
Tambolovolo: p. t.: Tsy havana na sakaiza. Ahitsio
Tambongana: a: Fitambatambaran-javatra mivongam bongana. - t.i.f.: Atambongana, tafatambongana / manatambongana, fanatambongana, mpanatambongana / anatambonganana, fanatambonganana / mitambongana, fitambongana, mpitambongana / itambonganana, fitambonganana / tambongambongana. Ahitsio
Tambororiitra: a.: Firiotana midina; fikororosiana hankamin'ny ambany; filetsena sa-hala amin'ny tany mikoa. * Atambororotra, tafatamboromtra / manatamboromtra, fanatambororotra, mpanatambororotra 1 anatambororotana, fanatambororotana 1 mitambororotra, fitambororotra, mpitambororotra 1 itambororotana, fitambororotana / mahatambororotra. Ahitsio
Tambotsotra: a.: Fikorisana na fidinana amin'ny iva. ? h.o.: Fihemorana, tsy fahasahiana manohy ny natao fa miverina ilalana. * t. f.: Atambotsotra, voatambotsotra, tafatambotsotra / manatambotsotra, fanatambotsotra, mpanatambotsotra / anatambotsorana, fanatambotsorana / mitambotsotra, fitambotsotra, mpitambotsotra f itambotsorana, fitambotsorana / mahatambotsotra. Ahitsio
Tambovo: (Ski) a.: Anarana iantsoan'ny Sakalava ny Rimorimo der. io teny io). Ahitsio