Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tanana: a.: Rantsam-batana hatreo amin'ny hatotanana ka hatramin'ny rantsantanana, ary ampiasaina handray sy hikasika ary hitana zavatra: Manasà tanana alohan'ny hisakafo. - F.-p.: Lava tanana: fangalarina. / Mafana tanana: enti-milaza olona izay mety ha-nimba ny fikasihany tanana. / Mafy tanana: kahidy. / Manasa tanana amin'izany aho: tsy mandray anjara amin'izany aho ka miala amin'izay mety ho vokany. / Mandray tanana, fandraisantanana: manolotra vola kely ho fiarahabana olona vao tonga. / Masin-tanana: mahomby rehefa manasitrana, na mikasi-tanana izany, na manome fanafody. / Mitondra tanam-polo: mody maina fa tsy nahazo. / Tanam-bokovoko: sari-na tsipika roa mifanapaka, na mandry izany (X) na mijoro ( + ). / Ahitsio
Tanana: (tana) mt. ih. (tano): Gejaina amin'ny tanana, tazonina, fihinina: Tano tsara ny tady sao mianjera ianao. ? Hazonina, tsy avala ho very, ho lasa: Tano ny azo fa sarotra ny mita. ? Hazonina, tsy avala hivoaka: Notanany tao aminy ny zanany roa. ? Tehirizina; tsaroana: Notanany tao am-pony ireo teny ireo. Ahitsio
Tananivoho: a.: Fomban-drandram-bolo fanaon'ny vehivavy any anivon-tany andavanandro; toy izao no fanaovana azy: zaraina amin'ny soritra afovoany ny volo ka mizara roa, dia atambatra amin' ny randran-telo ny laniny roa avy, ary dia ireo randrana ireo no atambatra ao ivoho. Ahitsio
Tanantanamanga: a.: Hazo maniry be ravina, mirantsana ohatra ny felatanana, mena taho; tenehina hahazoana fanafody fampivalanana ny voany (Ricinus communis). Ahitsio
Tanantanana: a.: Zavamaniry ahazoana menaka ny voany, izay misy karazana roa: tanantanamanga sy tanantanampotsy. Ahitsio
Tanantsotro: a.: Haron-kely fasiana ny sotro, izay mazàna ahantona eo amin'ny an-dry afovoan-trano tsy lavitra ny fatana, na eo ambonin' ny fatana mihitsy. * Ohab.: Tsy maty raha tsy ianjeran'ny tanantsotro: enti-milaza olona faran'izay kanosa ka zavatra bitika kely dia heveriny hahafaty azy. Ahitsio
Tanatana: a.: Toetran'ny zavatra misokatra tanteraka, toy ny varavarana izany, ny va-va, ny fery... - t.i.f.: Tanatanaina, atanatana, voatanatana / manatanatana, fanatanatana, mpanatanatana / anatanatanana, fanatanatanana 1 mitanatana, fitanatana, mpitanatana / itanatanana, fitanatanana 1 mahatanatana. Ahitsio
Tanatanaina: (tanatana) mt. ih. (tanatanao): Sokafana tanteraka: Notanatanainy ny varauarana fa nisy fofona hafahafa tao an-trano. Ahitsio
Tanavavy: a.: Ny vavy amin'ny biby atao hoe tans. (jer. Kamaitso, Kamora, Kamorabe, S oam arandrana). Ahitsio
Tanavo: a,: Teny misy fanambaniana kely, enti-milaza ny tambanivohitra: Itony koa tanauo vao niakatra mihitsy. Ahitsio
Tandahatra: a.: Jar. Lahatra. Ahitsio
Tandalerina: a.: fihas?mban'ny hoe: Taindalerina p.t.: Misy na rakotra pentimpentina kely toy ny tain-dalitra. Ahitsio
Tandapa: a.: Ny olona manotrona ny Mpanjaka, na ireo miasa na mipetraka ao an-dapa mandrakariva. Ahitsio
Tandavana: a.: Filaharana manaraka ny lavany, toy ny an' ny hazo maniry eny amin'ny sisin-dalana. - t.i.f.: Mitandavana, tomandavana. - F.-p.: Tandavan-tendrombohitra: jar. Tendrombohitra. Ahitsio
Tandemena: p. t.: Osa malemilemy, saozanina. Ahitsio
Tandetsy: a.: Jar. Letsy. Ahitsio
Tandindomina: (tandindona) mt. ih. (tandindomy): Alofana: Hotandindomin'io vato io ny trano ka ho maizimaizina. ?Tsindriana:Notandindomin'alahelo aho lahy hateloana taiohan'ny nahafatesany! Ahitsio
Tandindona: a.: Aloky ny te-na: Aza miady amin'ny tandindona. ? Sarin'ny tena jerena ao anaty fitaratra na ao anaty rano ka ninoan'ny Ntaolo fa fahitana ny fanahy: Voalazan'ny tantara fa nijery tandindona tany Anosifito Andrianampoinimerina andro uitsivitsy talohan'ny hahafatesany. ? Sary: Ny famonoana ny zanak'ondrin' ny Paka teo amin'ny Jody dia tandindon'ny sorona nataon'i Kristy tamin'ny na-ha fatesan y. - t.i.f.: Tandindomina, voatandindona / manandindona. Ahitsio
Tandomerina: a.: Voan'ny aretina antsoina hoe tandomitra, nefa koa matetika ilazan' ny olona ilay aretina mihitsy io teny io: Voan'ny tandomerina ny zanako. Ahitsio
Tandomitra: na Tandomerina a.: Karazan'aretina mahatonga ny hoditra handrotsirotsy sy hivotrovotro mitapelaka noho ny fitohanana na koa matetika noho ny tsy fahazakan'ny tena karazan-kanina iray, toy ny trondro. Ahitsio