Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tandro: ft.: Fitsimbinana, fitandremana zavatra mba tsy ho simba, fandalana. * t.i.f.: Tandrovina, voatandm / mitandro, fitandro, mpitandro / fitandrovana, itandrovana. Ahitsio
Tandrobalala: (Mer sy Btl) p. t.: Teny ilazana karazan-tandrok'omby mahitsy miendritandro-balala somary miondrika any aloha. Ahitsio
Tandrohana: (tandroka) mt. ih. (tandrohy): Petahana tandroka, izay ampiasaina ho toy ny vantozy amin'ny fitsaboana aretina sasantsasany. ? (trano) Asiana ilay hazo avo misampana antsoina hoe tandrotrano. Ahitsio
Tandrohina: (tandroka) mt. ih. (tandrohy): Raisina amin' ny tandroka. Ahitsio
Tandroho: a.: Karazana harona lehibe misy makarakara, vita amin'ny hazondrano ampifadidirina, ka atao fanihifana trondro na toho. (Mitovitovy amin'ny vovo ny tandroho, saingy toy ny sobiky ny bikany ary asaika ao anaty rano no faka hazandrano aminy, fa tsy mba apetraka fotsiny "miandry mahazo" ao anaty rano tahaka ny vovo; atao hoe manihika ny maka hazandrano amin'ny tandroh o ). Ahitsio
Tandroka: a.: Zavatra mafimafy toy ny taolana mipoitra eo an-dohan'ny biby sasantsasany toy ny omby, ny osy,... ka ataony fiadiana sy hiarovany tena amin'ny fahavalony. ? Olona ambony ara-pahaizana na ara-pahefana ka miahy sy miaro ny vahoaka ary mitsangana ho voninahiny: Ianareo foloalindahy no tandroky ny firenena. - Tandrohana, tandrohina, voatandroka / manandroka, fanandroka, mpanandroka / anandrohana, fanandrohana / miantandroka, fiantandroka, mpiantandmka / iantandrohana, fiantandrohana. Toetra amam-bikan'ny tandrok'omby araka ny fahalalan'ny foko sasantsasany azy: Biko na Bikoa (Ski): karazan-tandrok'omby namboarina hatramin'ny fitsiriany haka ny endrika itiavana azy, ka mety ho voa-Janahary ny bikany, mety ho nafaingoka kely, mety koa ho nafaingo-, ka hiolaka tanteraka mils hikasika ny loha; Kirongo na Korongo (Mer na Btl): tandrok'omby miendri-bolantsinana ary mifanatona ny tendrony roa; Lily (Br): tandrok'omby somary misabaka mitovy fandry nefa misompirana; Mamadika (Btl): tahaka ny korongo fa boribory antonony ny fiolany; Manofaka (Btl): ilazana ny tandrok'omby manomboka mitsefatsefaka na vakivaky; Molily (Btl): tandrok'omby solilahina ny ilany iray mba hitsirian'ny ilany iray; Monga (Btl): tandrok'omby zara raha misy ny ilany; Rondrika (BU): karazan-tandrok' omby miolaka amin'ny andanin'ny sofina roa; Salamaloha na Sapelatra (Btl): ilazana ny tandrok'omby mihamivelatra mahitsy miakatra; Salangalanga (Btl): toetandrok'omby mijoro mahitsy miakatra; Salandy na Bo-ri (vori) (Btl): tandrok'omby malemy fonosana ka mikiraviravy eo aloha; Sapapa (Br): tandroka mivolantsinana tonga lafatra ka tian'ny olona izaitsizy fa mahatsara bika ny omby; Sondenda (Mer) na Sondandy (Br): toe-tandrok'omby misabaka fitsiry ary miakatra nefa fohy; Tandrobalala (Mer sy Btl): tandrok'omby mahitsy somary miondrika er? aloha, miendri-tandro-balala; Tandrok'osy (Br) na Sakoloha (Btl): tandroka miendrika tandrok'osy; Teko (Br) na Rondrona (Btl): somary miondrika mankany anoloana ny tandroka; Tola (Btl): toetandrok'omby miolaka amin'ny an-daniny avy; Trea (Br): tandrok'omby misabaka tanteraka ka manao fandrin-drano ary somary mahitsy lava amin'ny ila sofina roa. Ahitsio
Tandrokosy: (Br) p. t.: Tandrok' omby miendri-tandrok'osy. Ahitsio
Tandrovina: (tandro) mt. ih. (tandrovy): Tandrem ana, tsimbinina, raharahaina (tsy fiteny anefa afa-tsy amin'ny voninahitra, henatra, hasasarana...: Tandrovy ny voninahitrao fa aza manala-bara-tena amin'ny fahamamoana. Ahitsio
Tandry: Mitovy amin'ny Tandrina, tsy fahita afa-tsy amin'ilay fitenenana hoe Tsy tandry: tsy niraiken'ny saina firy, lasalasa ho azy. Ahitsio
Tandry: a. (tsy dia fampiasa loatra): Endrikendrika, fitsaratsarana olona foana, tombotomboka, * t.i.f.: Tandrena na tendre-na, atandry na atendry, voatandry / manandry. Ahitsio
Tanehina: (tanika) mt. ih. (taneho): Handroina na andrahoina: Taneho aloha ny hena. ? Ampangotrahina: Tanehina ny ranombary vao arotsaka ny vary. ? Empoina: Tanehin'ny hainandro ny ranonando ka levona antoerana. ? Zohina sy enjehina tsy an-kijanona, tanarahina: Tanehin'ny tompon--trosa Rangahy iny ka mila ho voa ny lohany. Ahitsio
Tanesaka: a.: Fandeha mitsikamokamo, mivaroraka sy mitaredretra (jer. Danesaka). * t.i.f.: Mitanesaka, fitanesaka, mpitanesaka. Ahitsio
Tanety: a.: Tany be tsy anaty rano. * t.i.f.: Mananety. - F.-p.: Tanety lava misy fisainana: enti-milaza fa tsy tokony hanapatapa-kevitra maimaika, fa hiandry fotoana lavalava mba haka sains tsara. Ahitsio
tangala:Tangala: dia tehina, vy na hazo voafantina sahazan'ny ankihibe sy ny fanondro didinina. ny zokiolona ao an-tanana no omena azy. tangalamena=tanga omena. Ahitsio
tangalamena:tehina omena ny zokiolona ao an-tanana. tangala: tehina vy na hazo. omena, atolotra an'izay ray amandrenibe ao an-tanana. tangala omena=tangalamena Ahitsio
Tangarana: na Tarangana p. t.: Tapaka hentitra tsara: Aoka ho tapaka tangarana ny amin'iny. - t.i.f.: Tangaranina, voatangarana / manatangarana, fanatangarana, mpanatangarana/ anatangaranana, fanatangaranana. Ahitsio
Tangaranina: (tangarana) mt. ih. (tangarano): Tapahina hentitra tsara. Ahitsio
Tangary: p. t.: Fetsy mody miseho ho olon-tsotra, kanjo fiharatra. * t.i.f.: Mitangary, fitangary / itangariana, fitangariana. Ahitsio
Tangazona: a.: Tana, sakana (mitovy amin'ny Hazona). * t.i.f• : Tangazonina, atangazona, voatangazona / manatangazona, fanatangazona, mpanatangazona 1 anatangazonana, fanatangazonana / mitangazona, fitangazona / itangazonana, fitangazonana / mahatangazona. Ahitsio
Tangazonina: (tangazona) mt. ih. (tangazony): Tanana, hazonina, sakanana. Ahitsio