Litera t

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Tadivavarana: a.: Tady avôna tsy atao fato-maty fa atao mora vahana raha vao voasintona ny laniny; ampiasaina amin'ny fandri-borona na amin'ny faningorana omby... Ahitsio
Tady: a.: Fizahana, fikarohana. * t.i.f.: Tadiavina, voatady / mitady, fitady, mpitady/itadiavana, fitadiavana / mahatady. Ahitsio
Tady: a.: Kofehy; ireo kiranjavamanirY samihafa azo atao kofehy amatorana: Makà tady hamehezana ny enta-na. ? h.i.: Famolaina: Efa nahitsy tamin'ny tady ity lalana ity. - t.i.f.: Tadina, voatady, tinady/manady, fanady, mpanady / anadiana, fanadiana / manatady, fanatady, mpanatady / anatadiana, fanatadiana / mitady, fitady, mpitady / mahatady. - F.-p.: Tady manaraka: kofehy kely ampiasaina rehefa manenona. / Tadim-bozona: ireo hozabe amin'ny vo-zona. / Tady mita: 1) tady asain'ny mpanao sikidy henjanina avy eo amin'ny zorontrano atsimo andrefana mankamin'ny zorony avaratra atsinanana mba hiarovana amin'ny loza. -2) tady henjanina avy amin'ny môrondrano iray mankamin'ny morony er? am-pita ka arahina rehefa miampita an-domano. / Tady mody: vonantady izay manenda rehefa mihenjana. / Tadim-poitra: hozatra mitarehin-tady, ary mampitohy ny zaza ao an-kibo amin-dreniny eo anelanelan'ny ahitra. / Maty an-tady: maty am-pifatorana, izany hoe am-pigadrana, ary koa enti-milaza ny tsara fototra. / Tora-tady: ilazana ny lalana mahitsy tsy misy melomeloka, ka mifanandrlfy amin'izay iaingana ny er? am-pita. Ahitsio
Taenimpolo: a.: Enti-milaza ny isa tsy mba mandeha tsifolofolo ny venty sy ny jotso na songatombony fa tsienimpoloenimpolo; oh. 1 ora = 60 minitra, 1 min. = 60 segondra. Ahitsio
Tafa: Resaka somary entina mandany andro. - t.i.f.: Tafaina, voatafa / mitafa, fitafa, mpitafa / itafana, fitafana / mahatafa / tafatafa. Ahitsio
Tafa: (fit.-p.) a.: Ota, fahadisoana — Ny zavatra entimanohitra ny tafa dia atao hoe fatafa. Ahitsio
Tafa-: Tovona fanaovana matoantenin'ny iharana, milaza asa efa vita tanteraka, toy ny voa- ihany koa (tafavory, voavory), saingy izy matetika milaza fa ny tena ihany no manao ny asa. Mizara karazany roa ny mt. ih. misy tovona tata- raha ny heviny no jerena: 1) raha tsy misy mpanao ny asa voalaza, dia milaza asa toa tsy an-tsitrapo sendra lasa tsy nahy ny tafa-: Tafalentika tao anaty hohoko ny tsilo. 2) raha misy mpanao kosa ny asa voalaza, dia manisika ny hevitra hoe "azo (atao)" ny tafa-: Tsy tafauoakanay intsony ilay farafara fa uizana izahay. Ahitsio
Tafabifona: mt.: Nitsipika nandositra. Ahitsio
Tafahitsoka: (hitsoka) mt, th.: Latsaka na milentika amin' ny toerana tsy ahafahana miala: Tafahltsoka ao anatin' ny fotaka ny fiara. Ahitsio
Tafaina: (tata) mt.ih. (tafao): Resahina entina mandany andro: Inona indray no notafainareo roa tao tapak'andro maninjitra? Ahitsio
Tafarohona: mt.: Mandeha miara-be. Ahitsio
Tafarongirongy: mt.: Nanao ditra, nikiribiby. Ahitsio
Tafasirina: (tafasiry) mt. ih. (tafasirio): Enti-milaza ny zavatra izay resahina: Mba zavatra mahafinaritra sy tsara tafasirina, rankizy a! Ahitsio
Tafasiry: a.: Resaka mahasoa; dinidinika; tapatapakahitra. • t.i.f.: Tafasirina, voatafasiry / mitafasiry, fitafasiry, mpitafasiry / itafasir?ana, fitafasiriana / mahatafasiry / tafasirisiry. * F.-p.: Tafasiry aman-javona: resaka amin'olo-mpamitaka, mpandainga. Ahitsio
Tafiana: (tafy) mt. pdr. na ih. (tafio): Enti-milaza ny olona izay ampanaovina na rakofana lamba: Tafiana lamba ma-fana ny zaza uao teraka fa toerana materna no aao agita, nialany tao an-kibon-dreniny. ? h.o.: Karakaraina, o-mena akanjo: Notafian-dRamatoa io hatrizay ela izay ireo mahantra ireo. Ahitsio
Tafiditra: (iditra) mt. ih. (t.t. m.): Mamo: Tafiditra Rangahy iny izany ka miuembena izaitsizy. Ahitsio
Tafihina: (tafika) m. ih. (tafiho): Enti-milaza fahavalo izay hatonina hasiana any aminy, tanàna izay ibosesehana halaina: Notafihin'ny A-lemaina i Frantsa tamin'ny 1945. / Notafihin'ny fahaualo ny tanànanay. Ahitsio
Tafika: a.: Fitambaran'ny miaramila enti-miady, miaramila amim-piadiana: Nandroso hamely ny fahaualo ny tafika. ? Fitambaran'ny miaramila mampiasa fiadiana sy fomba fiady iray: Ny tafika an-tanety, ny tafika an-dranomasina. ? Fitambaran'ny miaramila eo ambany fanevam-pirenena, foloalindahy: Izy no jeneraly mifehy ny tafika. ? h.o.: Enti-milaza fahamaroan'isa, fahabetsahana: Betsaka ue ny olona niakatra taty an-tanna nijery fety? Tafika iray manontolo ka ianao angaha maninona! * tif:: Tafihina, voatafika, tinafika / manafika, fanafika, mpanafika / téfitafika / miantafika, fiantafika, mpiantafika / iantafihana, fiantafihana. Ahitsio
Tafina: (tafy) mt. ih. (tafio): Enti-milaza ny lamba izay entina na irakofana: Lamba mafana no tokony hotafina rehefa ririnina. (Aoka tsy hafangaro amin'ny tafia-na). Ahitsio
Tafintohina: p. t.: Voapoka na Tafo a.: Saron'ny zavatra amvoadona amin-javatra eny am-pandehanana ny tongotra: Tafintohina izy no nampianjera azy. ? h.o.: Tezitra na sorena amin'ny fahitana ny ratsy ataon'ny hafa, amin'ny fiteny na toetra tsy mendrika asehon'ny hafa: Tafintohina aho nahita ilay Rangahy namono uady teo ampouoan'ny arabe. - t.i.f.: Tafintohinina, voatafintohina / manafintohina, fanafintohina, mpanafintohina / anafintohinana, fanafintohinana / mahatafintohina / hatafintohinana, f ahatafintohinana. — Tai Ahitsio