Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vatofalia: na Falia a: Jer. Vatoafo. Ahitsio
Vatofantsika: a.: Fonjam-by alentika any anaty ranomasina mba hitana ny sambo tsy handeha. Ahitsio
Vatokangaly: na Vatongaly na Vatokinangaly a.: Karazambato mainty mangilohilo. Ahitsio
Vatokaranana: na Vatoharanana a.: Karazam-bato mafy sy mangarangarana. Ahitsio
Vatokilonjy: a.: Vongam-bato madinidinika efa tonga malama sy boribory noho izy nifampikasokasoka tao anaty rano. Ahitsio
Vatolahy: na Vato mitsangana a.: Vato ajoro eo ambony f asana na amin'ny toerana an-kavoana amoron-dalana mazàna misy soratra fampahatsiarovana. Ahitsio
Vatomainty: a: Karazam-bato mainty fahita betsaka eto amin'ny Nosy, heverina ho avy amin'ny fivainganan'ny mineraly niempo fahizay. Ahitsio
Vatomamy: a.: Karazan-javapihinana aingitraingitra vita amin'ny siramamy, mitarehina vato kely boribory. Ahitsio
Vatomandry: (Ats) a.: Vary afafy amin'ny heniheny ka jinjaina amin'ny ririnina. Ahitsio
Vatomanga: a.: Karazam-batosoa manga mahafinaritra ny lokony. Ahitsio
Vatomasina: a.: Sehatra boribory sy avo, voafaritra amin' ny vato, natokana hikabarian'ny Andriamanjaka fahizay. Ahitsio
Vatomazava: g: Karazana vatokaranana madio, tantera-pahazavana vita-Nanahary. Ahitsio
Vatomizana: a.: Fonjana metaly ampiasaina amin'ny fandanjana zavatra amin'ny mizana; manana endrika efa raikitra ny vatomizana ary misy tarehimarika milaza ny lanjany avy: l kilao, 2 kilao, 5 kilao, sns... Ahitsio
Vatonakoho: a.: Karazam-bato malemy sady loadoaka. Ahitsio
Vatonangy: a.: Karazam-bato mafy. Ahitsio
Vatonono: a.: Jer. Nono. Ahitsio
Vatony: na Sakany na Andranarivavy (Btt) a.: Vantotr' ombivavy afa-miteraka. Ahitsio
Vatopaika: (t. tr.) a.: Vonjy fo, sakafo tohan'aina. Ahitsio
Vatorano: a.: Karazana vatomainty izay mainty dia mainty ary mafy izaitsizy, ela vao mafana raha hafanaina, ka raha mandalo eo aminy ny entona tonga rano. Ahitsio
Vatorendrika: a.: Karazan-javatra namboarina hitarehi-na VatoaOa, mitovitovy amin' ny tamaboha. Ahitsio