Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Verimaso: a.: Fijerena amin' ny hirika kely amin'ny larrrba anaronana ny loha ka ny maso ihany no tsy takonana: Manao verimaso. Ahitsio
Verina: a.: Fahatongavana indray eo amin'ny toerana nialans. • Fanaovana dia mianotra. •Fanaterana. - t.i.f.: Averina, voaverina, tafaverina 1 mamerina, famerina, mpamerina 1 amerenana, famerenana j miverina, fiverina, mpiverina / iverenana, fiverenana j mahaverina / verimberina / mamerimberina / miverimberina. Ahitsio
Vermisely: (fr. vermicelle) a.: Koba misy atody nomainina ary notorotoroina. Ahitsio
Vero: a.: Karazan'ahitra lava, ny raviny mahitsy maranfdoha (Andropogon hirtus, L). Misy karazany vitsivitsy ny vero: verobe, verofehana, veromanitra, verontsanjy. - t.i.f.: Verovero j mamerovero. Ahitsio
Verobe: a: Ny Inhibe indrindra amin'ny vero (Andropogon). Ahitsio
Verofehana: a.: Karazam-bero (Andropogon nardus). Ahitsio
Veroka: a.: Teny tsy fahita afatsy amin'ilay fombam-pitenenana hoe: Tsy azo veroka, tsy hita veroka: tsy azo eritreretina, tsy azo saintsainlna. Ahitsio
Veromanitra: a.: Karazam-bero mani-dravina izay anaovan' ny olona fisotro toy ny dite ka manapahita tory tsara(Andropogon Schoenantus). Ahitsio
Verontsanjy: a.: Karazam-bero vaventy sady lava (Andropogon Cymbarius). Ahitsio
Verovero: a.: Hanitra, fofona. 1 t.i.f.: Mamerovero. Ahitsio
Very: p.t.: Tsy hita izay misy azy, tsy hita izay nalehany: Very ny peniko (izay atao koa hoe: Veriko ny peniko, na Very penina aho). / Very ny ondrinay. • Lany amin' ny tsinontsinona, amin'ny tsisy antony: Very foana lahy ny androko! / Very mai-na ny hasasarako. • (taloha) Nandevozina, nesorina ny zo maha-olona afaka azy: Vary izy mianakavy fa tsy nahaloa ny volan'olona, • Voaheloka ho any amin'ny afobe: Ho very izay tsy mibebaka alohan'ny hahafatesany (fampianarana kristianina). - t.i.f.: Verèzina I mamery, famery, mpamery j amerezana, famerezana 1 mahavery j ahaverezana, fahaverezana / haverezana. - Very andro: lany fotoana amin'ny tsinontsinona. / Vary araka: tsy hita harahina intsony ny nalehany. / Very dia: tsy mifantoka intsony amin'ny zavatra iray nibahana tao an-doha ny saina. / Very faty: tsy hita izay misy ny fatiny. / Very fonoka: tsy ao an-tsaina intsony. / Very hasina: tay manana ny voninahiny intsony. / Very heuitra: tsy mahita izay hatao, sanganehana fatratra. / Vary lany: enti-milaza ny kofehy misafotofoto tsy hi-ta ny laniny roa. / Very mai-na: tsisy vokany. / Very maso: jer, verimaso. / Very momoka: tsy misy mahatsiaro intsony. / Very polka na very petsika: enti-milaza ny mpilalao fanorona izay voasokera hatraiza hatraiza ka voatery milavo lefona. j Very poka: tsy re maty tsy re velona. j Very rariny: mitovy amin'ny very andro. j Ahitsio
Very rerika: latsaka lalina ao anatin'ny fandinihana ka tsy mahare izay ambonin' ny tany intsony. / Very saina: lasa adala. / Vary arisa-ka: nahena na nariana ny antsasany. / Very sioka: hadino tanteraka. j Very tadidy: enti-milaza ny zavatra tsy tsaroana intsony na olona tsy mahatsiaro na inona na inona intsony. / Very tenany: amin'ny adin'akoholahy, ny tenan'ilay akoholahy resy mihitsy no natao Io-ka ka lasan'ny tompon'ilay akoho naharesy.l Very voadia: mitovy hevitra amin'ny very araka, tsy hita hokarohina intsony. / Very zo: nesorina taminy ny fahazoamanao zavatra maha-olona azy, lasa mpanompo. ¶ M. h.: Diso toerana, tsy hi-ta, nafoy, aira latsaka andrano, very an-tsavony, very faty, very momoka, very po-ka, very sioka, very tadidy. — Very, diso lalana, maniasia, mirenireny, tsy mahita lalana, voan'ny tamberintany. Ahitsio
Vesarana: na Vesarina (uesatra) mt. pdr. (vesaro): Tsindriana zavatra be lanja: Aza vesarana entana io zaza io fa mbola kely. / Nouesaranao adidy Inhibe aho, nefa na dia izany aza tsy hiamboho adidy aho. 1 Tototra: Vesaran'alahelo ny fony. Ahitsio
Vesatra: a.: Lanja: Ny vesatry ny adidy. i• Ny hadontoana, tsy fisononohana. - t.i.f.: Vesarana, vesarina, avesatra, voavesatra / marnesatra na manavesatra, farnesatra, mpamesatra / amesarana, famesarana / mivesatra, fivesatra, mpivesatra / ivesarana, fivesarana / mahavesatra / vesabesatra / havesarana I fahavesarana / mavesatra. Ahitsio
Vesohina: (vesoka) mt. ih. (vesohy): Enti-milaza ny zavatra resahina tsisy faranY mandany andro. Ahitsio
Vesoka: a: Pentsompentsona, fitenenana tsisy farany mandany fotoana, vatsavatsa, ta-ria. - t.i.f.: Vesohina, voavesoka I mivesoka, fivesoka, mpivesoka I tvesohana, fivesohana / mahavesoka 1 vesobesoka. Ahitsio
Veta: p. t.: Mainte, flafna, tia na milalao loto: Ity tena zozo veta mihitsy: diky maloto io dia lalaouiny. - t.i.f.: Vetaina, voaveta I mameta, fameta, mpameta / ametàna, fametàna / mahaveta / vetaveta 1 mametaveta. Ahitsio
Vetaina: (veto) mt ih. (vetao): Lotoina, otana fady. Ahitsio
Vetaveta: (veta) p. t.: Mana na miteny zavatra tsy mendrlka; ratsy fiaina: Zaza vetaveta mihitsy ity zaza ity. •Maha-;nenatra, tsy mendrika, ma-loto: Aoka ianareo tsY hiteny vetaveta eto imasoko fa mahasosotra ahy. • Mandranitra ny filan'ny nofo: Aoka tsy hanao dihy vetaveta fa mamono ny fanahinareo izany. Ahitsio
Vetivety: na Vetivetika p. mt.: Tsy ela, haingana ihany: Hiverina vetivety aho ka aza miala eto foana ianao. Ahitsio