Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Vetraka: na Tsivetraka a.: Ny faritra hatreo amin'ny valahana ka hatramin'ny tongotra. • Fipetrahana amin'ny tsihy ka mitsotra tsara ny tongotra roa. - t.i.f.: Avetraka, voavetraka / mivetraka, fivetraka, mpivetraka I ivetrahana, fivetrahana / mahavetraka I vetrabetraka 1 vetrany. - F.-p.: Milanja am-betraka: fomba filanjana olona, na biby, na zavatra tsy malntsy ilana olona roa, toy ny marary fonosina anaty lamba, ka ny iray amin'ny mpitondra avy eny amin'ny, lohanY, ny iray avy any amin'ny tongony. Ahitsio
Vetrehina: (vetrika) mt. ih. (vetreho): Vatsavatsaina, kamentsonina. • Bedibedena, bedibedesina. Ahitsio
Vetrika: a.: Vatsavatsa; kamentsona. • Bedibedy foana tsy misy farany. - t.i.f.: Vetxehina, voavetrika/ mivetrika, fivetrika, mpivetrika / ivetrehana, fivetrehana j mahavetrika / vetribetrika. Ahitsio
Vetro: na Vetrovetro a.: Fampifangaroana zavatra andrahoina ka ny anana no atao betsaka fa sombiny kely ny hafa. - t.i.f: Mivetro na mivetrovetro, fivetro na fivetrovetro. Ahitsio
Vetsivetsy: na Vetsovetso a.: (ity faharoa no tena fampiasa) Tanisanisa lazain'ny vava na ao am-po tsy miloaka fotsiny ihany. • h.L: Hira kaloina malefaka dia malefaka. - t.i.f.: Vetsivetsena, vetsovetsoina, voavetsivetsy, voavetsovetso / mametsivetsy na mametsovetso, fametsivetsy na fametsovetso, mpametsivetsy na mpametsovetso / mivetsivetsy na mivetsovetso, fivetsivetsy na fivetsovetso, mpivetsovetso na mpivetsivetsy / ivetsivetsena na ivetsovetsoana, fivetsivetsena na fivetsovetsoana / mahavetsivetsy na mahavetsovetso. Ahitsio
vetso:Tononkalo an-tsento. Rindran-teny milanto. Tanisan-teny Ahitsio
vetsovetso:Jer. [vetso] Ahitsio
Vetsovetsoina: (vetsovetso) mt. ih. (vetsovetsdy): Tanisanisaina, hirahiraina: NY fahatsiarovana ny zanany no io vetsovetsoiny marain-tsy ha-riva io. Ahitsio
Vezabezatra: a.: Toetran'ny zavatra misokatra mangotanatana. Ahitsio
Vezarina: na Vezatina (vezatra) mt. ih. (vezàro, vezato): Roritina mafy mba hisokatra na hivaha. Ahitsio
Vezatra: a.: Famahana na fanokafana zavatra an-keriny amin'ny fandroritana mafy ny vavany: Aza atao am-bezatra ny fanokafana io sobiky io sao dia vaky daholo ny atodim-borona ao anatiny. - t.i.f.: Vezarina, vezatina, avezatra, voavezatra / marnezatra, famezatra, mpamezatra / amezàrana, famezàrana / mivezatra, fivezatra I ivezarana, fivezarana. Ahitsio
Vezavezaina: (vezaveza) mt.ih. (vezavezao):Atao tonga mangotanatana. Ahitsio
Vezika: a.: Fandehanana etsy sy eroa ka miverimberina eo hatrany. - t.i.f.: Avezika, voavezika, tafavezika / mivezika, fivezika, mpivezika I ivezehana, fivezehana / mahavezika. Ahitsio
Vezimbezina:(vezina) a.: Firondronana, fiverimberenana amin'ny toerany teo aloha indray. Ahitsio
Vezina: a.: Enti-milaza fihemorana na fihatahan-javatra kely izay miverina eo amin'ny toerany ihany indray. i t.Lf: Avezina, tafavezinaj mivezina, fivezina / ivezenana, fivezenana / vezimbezina / mamezimbezina I mivezimbezina. Ahitsio
Vezivezy: a.: Fandehanana etsy sy eroa; fiasana dia; firenirenena, firioriovana. - t.i.f.: Avezivezy, voavezivezy, tafavezivezy / mamezivezy, famezivezy, mpamezivezy / amezivezena, famezivezena /mivezivezy, fivezivezy, mpivezivezy 1 ivezivezena, fivezivezena f màhavezivezy. Ahitsio
Vezo: a.: Zana-poko madinika sakalava, atsimo andrefana, malaza amin'ny fahaizana rano ka ny fanjonoana indrindra no antom-pivelomany. Ahitsio
Vezovezo: a.: Filan-kisa, filambaniny, fifandirana hanimbana fihavanana. 1 t.if.: Vezovezoina, voavezovezo / mamezovezo, fainezovezo, mpamezovezo / ainezovezoana, famezovezoana / mivezovezo, fivezovezo, mpivezovezo / ivezovezoana, fivezovezoana/ mahavezovezo. Ahitsio
Vezovezoina: (vezovezo) mt. ih. (vezovezoy): Ilana ady: Miangavy anao aho, aza mba izaho no vezovezoinao eo fa hataoko mahita ahy ianao! Ahitsio
Via: a.: Jar. Viha. Ahitsio