Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Valahetraka: na Valaketraka a.: Toetran'ny olona mipetraka mivalandotra, tsy manana ahiahy. • p.t.: Rera-tsaina eo am-pieritreretana, tsy mahahetsika, mivarahontsana: Valaketraka foana teo izahay raha nandre ny namonoan' ny sasany ny filoham-pirenena. i t.if.: Mivalahetraka, mivalaketraka, fivalaketraka, mpivalaketraka. Ahitsio
Valaka: p.t.: Mahatsiaro tena ho reraka noho ny hery lany nampiasaina; trotraka; kotra: Valaky ny asa tany Rabe. (Tsara homarihina ny mahasamy hala ny hoe: "sasatra, vizana, valaka ary trotraka": ny hoe "sasatra" dia ilazana fahatsiarovan-tena ho reraka noho ny fahenjanan'ny hozatra indrindra: Sasatry ny miandry; ny hoe "vizana" kosa dia noho ny tsy fiovampihetsehana indrindra: Vizan'ny mihorirana ny marary; ny "valaka", dia noho ny hamaflsan'ny asa: Valaky ny asa tany izy, ary ny "trotraka", mitovy hevitra amin' ny valaka ihany saingy mafimafy kokoa indray). Ahitsio
Valala: a.: Karazam-bibikely la-va tanna, maitso na manja, ary misy tongony efatra ka ny roa eo aoriana lavalava kokoa noho ny eo aloha, izay ahafahany mitsambikina. ? F.-p.: Valalabemandry: ny sarambabem-bahoaka. / Valalatsimandadiharona: ohatrohatra ilazana ny zaza amam-behivavy. / Valais fiandry fasana: ny mpanompo sasany tsy mba nozarain'ny mpandova fa nasainy nitoetra teo amin'ny tany nisy ny fasan'ny mpandova lhany. — Ankehitriny: ny olona mponina eny an-tanindrazana. Ahitsio
Valalabemandry: a.: Teny entimilaza ny ankapobem-bahoaka. Ahitsio
Valalamena: a.: Ireo valala vahiny na valala vao. Ahitsio
Valalamihoatra: (Bl) a: Randram-bolo betsileo miendribalala mihoatra. Ahitsio
Valalanina: p. t.: Enti-milaza ny maso vizana eo am-pitazanana na eo am-piandrasana: Valalanina ny maso mijery ireo fiarakodia an-jatony mitanjozotra ? Enti-milaza olona refona na noana ka jembijemby mila tsy hahita. i t.Lf.: Mahavalalanina. Ahitsio
Valalatsimandadiharona: a: Teny enti-milaza ny zaza amam-behivavy izay tsy mba afaka mandositra raha misy fahatairana. Ahitsio
Valambato: (Btm) a.: Vilany tany. Ahitsio
Valamena: a.: Fefy na rova manodidina ny faritra misy ny mpitsara. • h. 4: Ny Fitsarana. Ahitsio
Valamparia: a: Tovon-tanymamaritra ny sisin-tanimbary, atao koa hoe "tahalaka". Ahitsio
Valampatra: a: Toetran'ny tongotra atsotra raha mipetraka. 1 t.if: Avalampatra, voavalampatra, tafavalampatra / mivalampatra, fivalampatra, mpivalampatra I ivalamparana, fivalamparana I mahavalampatra I valampadampatra. Ahitsio
Valana: (vala) rit. ih. (valao): Asiana fefy manodidina: Va-lao ny ombinao sao dia mitondraka enyamin'ny tanimbolinay. Ahitsio
Valana: a.: Fandehan'ny rano manaraka ny iva. 6 t.Lf.: Avalana, voavalana, tafavalana 1 mamalana, famalana 1 amalanana, famalanana 1 mivalana, fivalana, mpivalana 1 ivalanana, fivalanana 1 mahavalana / valambalana. Ahitsio
Valanaretina: a : Areti-mifindra. Ahitsio
Valandotra: ft.: Toetran'ny olona mandry ka mivalampatra ny tongony aman-tanany noho ny faharerahana na ny aretina. I ii t.i.f: Mivalandotra, fiva-/ landotra, mpivalandotra. Ahitsio
Valandotra: a.: Ny filazana hoe ampahafirin'ny refin-javatra iray ny sary entina milaza azy. Oh.: misy trano 12 m. ny lavany, ary ny sary milaza io halavany io 4 sm; ny valandotra nampiasaina dia 1/300, izany hoe: 1 sm amin'ny sary dia 1 sm x 300 = 3 m amin'ny tena izy; mari-drefy. Ahitsio
Valandresaka: a.: Lahateny feno famelabelarana atao amin' olona tafavory, izay mifandahatra rehefa avy eo, samy milaza ny heviny avy. Ahitsio
Valangidina: ft.: Fikodiavana amin'ny tany, fianjerana amin'ny tany; faharavan-karena. i t.Lf.: Avalangidina 1 mivalangidina, fivalangidina. Ahitsio
Valangitriky: (Tsm) a.: Andry omby an-kalamanjana mandritra ny alina. Ahitsio