Litera v

A | B | D | E | F | G | H | I | J | K | L | M | N | O | P | R | S | T | V | Z
Valanirana: a.: Karazan-kazo mafy fanaovan-trano (Nuxia capitala). Mahatsara ny lalandra ny raviny ka azo tanehi- valanorano na ampiasalna amin ny fana- ambony fodin'ny tosidra. Ahitsio
Valanorano: a: Ny taolana itsatohan'ny nify ambany. Ahitsio
Valatendro: Ahitra maniry any anaty rano (Potamogeton paruifolius). Ahitsio
Valavala: a: Tapa-kazo lavalava fitorahana vorona; kipikipy. ~ p. t.: Sahisahy miteny, be vazivazy sady mampihomehy no mahasosotra: Valavala loatra to zazalahy io ka tsy azoazoko. a t.Lf.: Valavalana, valavalaina, avalavaia, voavalavala 1 mamalavala, famalavala, mpamalavala / amalavalana, famalavalana / mivalavala, fivalavala 1 mahavalavala. Ahitsio
Valavalaina: (valavala) mt, ih. (valavalao): Lazaina mba hanaovana kivazivazy vosobosotra: Aza fady raha nahasosotra anao ilay tans' tao inY fa teny novalavaiaiko fotsiny ante iny e! Ahitsio
Valavalana: (valavala) mt. ih. (valaualao): Kipilizana valavala: Valavalao ireny vorona miara-dia ireny. •Vangovangoina: Vao novalavalana fotsiny io sary io. Ahitsio
Valiana: (valy) mt ih. (valio): Omena vaiiny (taratasy na fanontaniana): Valio unie ity taratasy ity raha vao voarainao e! 1 Setrena: Tsy tokony ho novalianao ratsy ny soa nataoko anao. ~ Omena valin-teny tsy amim-panajana, toherina: Tezitra tokoa aho ka novaliako mafy izy. Ahitsio
Valiha: a.: Ny malaza indrindra amin'ny zavamaneno nentim-paharazana malagasy. Vita amin'ny volo (volotsangana vaventy) ny valiha ary misy tady kitihina amin'ny ta-nana; ireo tadiny heo dia misy tohany daholo ka izany no ahazoana feo avo sy iva: folo eo ho eo tany am-boalohany ny isan'ireo tadimbaliha fa ankehitriny mahatratra efapolo na mihoatra aza. Ampiasaina manerana an'i Madagasikara ny valiha na dia sarny manana ny fomba fanaovany sy fampiasany azy aza ny tsirairay: Valiha bara: hazo mitovy habe amin' ny volo no sasahana roa, esorina ny atiny dia atambatra ary asiana tadiny; Valiha tsimihety: sampan-drofia roa no alaina, esorina ny atiny, atambatra hanjary boribory; ny hodiny•ihany no sokirina hanjary tadiny; Valiha tory tenany: ny tenany ihany no torina hanjary tadiny, ka irony volo mifanalavitra ny tonony no ampiasaina amin' izany (40-70 santimetatra); Valiha jihy vy: volo ihany ny vatany fa tariby kosa ny tadiny (jihim-baliha no flantsoan'ny Ntaolo ny tadiny amin'izay); Valiha mata (na marovany): haro na takelaby no rafetana hitovy bika amin'ny vela ka hatao tariby koa ny tadiny. - F.-p.: Dàmatim-baliha: ny feo iva na ambany indrindra amin'ny valiha. / Toham-baliha: ireo vakim-boatavo na poti-kazo na volotsangana kely manohana ny tadim-baliha. / Valiha tory folo: valiha misy tadiny folo. * Ohab.: Mitsaha-pilàna ohatra ny mpivaro-baliha maty vady: enti-milaza ny olona mijanona tsy fidiny amin'ny asa fanaony. Ahitsio
Valihavero: a.: Zavamaneno kilalaon'ny zatovo fahiny: tahom-bero vaventy maromaro no rarina toy ny zahatra, isokirana tadiny anankiray isaky ny tahony tsirairay; tahom-bero ihany no asisika eo amin'ny tendrony ambony sy tendrony ambany ho fanenjanana ny tadiny. Ahitsio
Valilahy: (fit.-p.) a: ZaodahY. Ahitsio
Valindrihana: a.: Hazo na lalotra mandrakotra ny atin'ny tataro. Ahitsio
Valisoa: a.: Fankasitrahana no-ho ny zavatra iray vita, izay sarotra na manahhana. Ahitsio
Valitafo: a.: Hazo na lalotra atao aty ambadika ambanin' ny tafo avy hatrany mba hahazoana mipetraka any ambony rihana ambony. Ahitsio
Valizaitra: a.: Zaitra atao ao ambadika ho valin'ilay zaitra efa vita. Ahitsio
Valo: p.i.: Fito ampiana iray: Efatra ampiana efatrp valo. 1 t.Lf.: Valoina, voavalo / mivalo, fivalo / ivaloana, fivaloana / imbalo I manimbalo / fanimbalony / fahavalo, ampahavalo 1 tsivalovalo / havaloana. Ahitsio
Valo: ft.: Fiovana ho tsara, baboka, fifonana. i t.Lf.: Mivalo, fivalo, mpivalo 1 ivalozana, fivalozana / mahavalo / valovalo. Ahitsio
Valoana: p.t.: Enti-milaza zavatra asiana dimbana, na dembaina. Ahitsio
Valoina: (valo) mt. ih. (valoy): Zaraina valo: Valoy io mofo io. Ahitsio
Valolavana: a.: Farafara misy elom-pandriana voasokitra. Ahitsio
Valomena: a.: Karazan-kazo fanaovana trano ny hazony ary fanaovana kofehy ny hodiny. Ahitsio