Teny nampidirina farany

Morika
[Jocelyn Bellarmain]
:Ny morika dia teny fampiasan' ny foko betsileo izay mitovy hevitra amin' ny hoe miakatra. Ohatra: " morika any amboy any izay." Ahitsio
janona
[hery]
:Fiatoana (matetika tsy misy fitohizany intsony). i t.i.f.: Ajanona, voajanona, tafajanona / manajanona, manjanona, fanajanona, fanjanona, mpanajanona, mpanjanona / anajanonana, anjanonana, fanajanonana, fanjanonana / mijanona, fijanona, mpijanona / ijanonana, fijanonana / mahajanona 1 janonjanona. Ahitsio
mamaly
[hery]
:(valy) Manome valim-panontaniana. Ahitsio
mpijery
[hery]
:(an. mpan.) olona mijery Ahitsio
malina
[hery]
:Mitsinjo ny ho avy ka misoroka ny loza na fahavoazana mety hihatra: Lehilahy malina Rakoto ka mitondra elo izy isaky ny ny mivoaka raha fahavaratra Mitandrina fatratra: Aoka ho malina amin' ny teny sy ny ataonao ianao. Ahitsio
taka
[hery]
:Marina, indrindra amin'ny isa: Folo taka: folo marina tsara, tsy mihoatra tsy latsaka, folo jipotra tsara Ahitsio
Jamala
[hery]
:a., fitenim-paritra: rongony : mitroky jamala koa ingahy iny; Mifoka rongony koa iny bandy iny Ahitsio
oliva
[Timoty2009]
:manana toetra tsara toy ny fofona oliva (manitra) Ahitsio
hotsokena
[iAbo]
:toton-kena nasiana karazana tsiro samihafa ary nasesika anaty tsinain-kena, mba ho laoka mafilotra (saosisy). Ahitsio
sahoko
[iAbo]
:feo vokatry ny fankafizana avoakan'ny mpifankatia (indrindra ny vehivary) mandritra ny fanaovana firaisana ara-nofo. Ahitsio
ampamohalambo
[rado_albert]
:tanàna be famoalambo:zavamaniry fatao fanafody.Dia izany no nahatonga ny anaran'ilay tanàna Ahitsio
tangalamena
[ram20]
:tehina omena ny zokiolona ao an-tanana. tangala: tehina vy na hazo. omena, atolotra an'izay ray amandrenibe ao an-tanana. tangala omena=tangalamena Ahitsio
tangala
[ram20]
:Tangala: dia tehina, vy na hazo voafantina sahazan'ny ankihibe sy ny fanondro didinina. ny zokiolona ao an-tanana no omena azy. tangalamena=tanga omena. Ahitsio
vina
[raznan008]
:tanjona ho tratrarina. Ahitsio
idealy
[Narimanana]
:mendrika kokoa , tsy fahita isan'andro Ahitsio
nomena
[Bolihfriends]
:Natolotra Ahitsio
Tsapola
[hirakinnyfit]
:Fiteny betsimisaraka ilazana fa mbola tsy vita ny zavatra iray Ohatra: vita ve ny nahandro? Tsapola no valiny Ahitsio
Ngadona
[hirakinnyfit]
:Ngadona dia fiovaovan' ny feo hoentina miantsa tononkalo iray araky ny fihetseham-po ny mpanoratra Ahitsio
dororororo
[razanatsitohaina]
:teny entina milaza olona anakiray miveravera,na miretareta, azo ilazana ny olona mamo ihany koa Ahitsio
Sarimihetsika
[Jery (Jax Percy)]
:sary+mihetsika: teny tiana ampidirina ao anatin'ny raki-bolana malagasy entina andikana ny teny frantsay hoe: dessin animé Ahitsio