Teny nampidirina farany

mahatalanjona
[hitako.tsar]
:Mahagaga. Teny mifanohitra aminy maha sorena Ahitsio
dindonivainga
[dofinraf]
:1-Ny Dindonivainga dia teny mamaritra ny tontolo ivelan'ny hita maso; raha rasaina io teny io dia mizara roa DINDO> midika hoe aloka, VAINGA> dia izay azo tsapai-tanana sy hitan'ny maso rehetra. Marihana fa ny hitan'ny maso dia miatomboka amin'ny bitika indrindra ka hatrany amin'ny vaventy indrindra. 2-Tara-kevitra noforonon'i Dofin Raf ny dindonivainga izay nentiny nandikana ny teny frantsay hoe " métaphysique" saingy ny dindonivainga dia misy fiheverana vaovao izay milaza ny fisian'ny fitsingeringerenana eo anivon'ny fisiana. Hita izany tara-kevitra izany ao amin'ny tranokala dofinraf.blogspot.com Ao anatin'ny dindonivainga dia misy rindra sy hetsika miharo tara-pisainana ara-javakanto : ny ara-panahy , satria araka ny fihevitr'i Dofin Raf dia tsy hafa misaraka ny dindonivainga sy ny ara-panahy. Ahitsio
ananovana
[J.Jacques]
:anaovana Ahitsio
Midororo
[nyrova.rakotovao]
:Teninjatovo hilazana fa miadam-pihetsika, azo hadika ho mihanahana, misalasala Ahitsio
mioky
[miokyrzf]
:Avy amin'ny teny hoe "miokitra" ka milatsaka ny "tra", izay midika hoe miezaka mafy, mikely aina, milofo. Hanambarana ihany koa faharetana amin'ny zavatra atao. Ahitsio
RASAVOLANA
[famoha]
:Kabary (amin'ny fahoriana) atao amin'ny misasak'alin'ny fiandrasam-paty ho fisaorana ny olona sy ho fanomezan-dalana izay tsy afaka hijanona intsony ary hanomezana ny fandaharam-potoana amin'ny fandevenana Ahitsio
manintsy
[noelson andrianiaina]
:Filazana hatsiaka Mangatsiaka be ny andro androany/manintsy be ny andro androany Ahitsio
manintsy
[noelson andrianiaina]
:manintsy:tenim_paritra milaza hatsiaka, Manintsy be ny andro androany ity Ahitsio
Tenirohy
[hery]
:Teny iray mirohy mivantana amin'ny hevitra maro mitovy sokajy aminy. Matetika dia ialohavan'ny marika # mba ho famantarana azy. [Anglisy] Hashtag Ahitsio
maody
[Anthony Ramihoakafo]
:(ma-ody) Mitondra ody fiarovan'tena amin'ny ody ratsy na fanafody itandremana amin'ny aretina, Malina. |Ny mahery tsy maody tsy ela velona. Ahitsio
marina
[jeanjacques350]
:marina : araka ny fiforonanteny *m-arina. ny arina dia mitovy @hoe zavatra mitongilana ka aremina. Ny marina mdray kosa dia zavatra mahitsy mijoro tsara ary ts mis mitongilna na ary manaraka ny rariny Ohabolana mahakasika an 'izany" ny marina tsy mba maty" , "Ny marina ts hita raha tsy @rano lalina " " Ny marina mitavozavoza dia tsy maha leo ny lainga tsara lahatra" ny marina @ankapobeny dia mampisy ny olana @ fiaraha monina satria takona ny fihavanana eo @andaniny sy ankilany raha eo fitsarana toejavatra iray karaha ny fitsarana no asina reseka fa maro be ny edrika isehoan ny Marina. Nataoko izy ity mba handrianiko ny teniko mba ho anjarabikako eo @kolotora malagasy Ahitsio
havoriana
[ilaytia]
:avy amin'ny fototeny : vory; nampiarahina tamin'ny tsirin-teny famoronana anarana : ha-...-ana. hilazana ny toetry ny olona (na zavatra) tafavory izany ny "havoriana". rehefa zary fomba izy noho ny fiverimberenany matetika dia tafiditra ho anisan'ny kolotsaina ka samy manana ny mampiavaka azy ny karazany avy sy araka ny toerana misy azy avy. toa izany koa ny endriky ny teny, miova araka ny faritra sy fotoana hilazana azy toy ny hoe : "ankavoriana", "havoria", sy ny hafa. Ahitsio
mihinana
[jaona15]
:asa atao hamelomana ny vatana(misakafo) Ahitsio
Tily
[hery]
:Rantsana skoto manabe zazalahy iray eto Madagasikara Ahitsio
Balana
[befaly]
:Mitovy dika amin'ny Balamaso Ahitsio
koahy
[Marietiane]
:Tenim-paritra avy any atsimo, entina hiantsoana ny lehilahy. Ohatra : akory koahy e! Raha vehivavy koa dia "Lie" Ahitsio
tiako
[ranoariveloainazo]
:ftt. Tia. Ahitsio
fanovàna
[mpandinika444]
:Fanamboarana atao ao amin'ny rijan-teny mifehy ny rafitra iray . Ahitsio
fanitsiana
[mpandinika444]
:Fanomezana ny valiny marina na izay vontoaty marina. Antsoina koa hoe fanitsiana ny fanovàna ny vontoatin'ny zava-boalaza ao amin'ny andininy na andalana na famelabelarana ny antonantony ao amin'ny rijan-teny iray. Ahitsio
fadinay
[mpitovo]
:avy amn teny oe FADY,na zavatra tsy azo atao sy andraràna,ny Fadinay zany dia oe;FADY-NAY,zavatra andraràna anay, Ahitsio