Teny nampidirina farany

Mahazo
[admin]
: (azo) mt.p (mahazoa na mazahoa): Tonga, manjary manana: Nahazo namana mahafatra-po aho nahita azy. ? Mandray, tonga tompon-javatra: Nahazo vola be izy tamin'io raharaha io. 1 Voan' (ny aretina): Nahazo aretin-kibo aho tany amin'ny nalehako tany. 1 Mahasambotra: Iza aminareo no nahazo it? trondro gasy ity? ? Mahatakatra hevitra: Tsy nahazd akory izay nouakiny izy. Ahitsio
Kamoserina
[admin]
: (kamositra) mt. ih. (kamosero): Loahana. Ahitsio
Fidihindihinana
[admin]
: (dihindihina) a.: Famindrana sy fihetsehana miandranandrana feno rehareha. Ahitsio
Famiazana
[admin]
: (fia) a. : Fangejana, fangiazana, famoretana, fanerena. Ahitsio
Bakobakoroa
[admin]
: a,: Teny ilazana ny feon'ny voromahailala. Ahitsio
Angozony
[admin]
: a.: Hoditr'omby nohamainina. Ahitsio
Ahonikonika
[admin]
: (honikonika),mt. at. (ahonikoneho): Ahetsika manara-ba, adoladola. Ahitsio
Zozoro
[admin]
: a: Zavamaniry any anaty rano, telo rirana, fanaovana tsihy na, sobika ny hodiny. i Li. f.: Manjozorobe. Ahitsio
Zovina
[admin]
: (zovy) mt. ih. (zovio): Ampahafantarina, atoro: Tsy zovina aminao io mpihira malaza io. Ahitsio
Zovy
[admin]
: a.: Teny enti-manontany hoe "olona iza?": Zovy no tsy maholala ny atao hoe tanindrazana? ? Antso ataon' ny mpiambina amin'ny alina raha vao misy mikaratsadratsaka any ho any: Zovy? * F,-p,: Manao zouy: entimilaza ny mpiambina miantso "Zovy". / Ahoan-jovy: mampaninona an'iza moa. / An-jovy: an'iza. / Na zouy na zovy: na iza na iza. Ahitsio
Zotra
[admin]
: a: Fandeha mahitsy tsy mivilivily, mandroso sy mitohy hatrany. ~ Enti-milaza antokom-piara mpitatitra olona anankiray ma-nana lalana voasoritra falehany: Ny zotra faha-22. / Ny lamasinina zotra Antananarivo-Toamasina, - t.i.f.: Zorina, azotra, tafazotra 1 mizotra, fizotra, mpizotra 1 izorana, fizorana 1 mahazotra 1 zojotra 1 zorina, na zojorina, zofina na zojofina, azojotra, voazojotra 1 manjozotra, fanjozotra, mpanjozotra 1 anjozorana, fanjozorana 1 mahazojotra 1 mitanjozotra, mitozojotra. * F,-p,: Zo-balala: fomba fanjairana atao mifanalavitra ny tevi-panjaitra ary mifamaly ambadika sy ambadika ka mizotra mahitsy hatrany. / Zo-molotra: zaitra vilina bakatraka fanao amin' ny fanjairana ny vava lasaka na gony. / Mizo-daiana: mizotra mahitsy manaraka ny lalana. Ahitsio
Zoto
[admin]
: a.: Faharisihana, fanaovana asa na zavatra an-taitrapo ary amim-paharisihana. 1 t.i.f.: Mazoto 1 mahazoto 1 mampahazoto 1 hazotoana, fahazotoana 1 zotozoto. * Ohab.: Ny mandeha tsy zoto, ny mijanona tsy laina: enti-milaza fa fanatanterahana adidy no atao fa tsy fitiavana hanao an'itsy na hanao an'iroa akory. / Tsy misy mafy tsy laitran'ny zoto: tsy misy zava-tsarotra tsy vita rehefa misy ny faharisihaha sy ny herimpo. Ahitsio
Zoro
[admin]
: a: Fikaonan'ny tsipika roa mifanapaka: Zona sokera, zoro dombo, zoro mura-nitra. • Faritra kitso eo amin'ny fihaonan'ny rindrina roa: Zoron-trano. ? Rira-na, ny mivohitra amin'ny fihaonan'ny lafy roa mifanapaka: Telo zoro ny zozoro. / Zoron-databatra. ? Kiho: Zoron-dalana. ~ Ireo lafy avaratra-atsinanana; atsimo-atsinanana; atsimo-andrefana; avaratra-andrefana amin' ny tany atao hoe: vazan-tany: Zoron-tany efatra. ~ Ny hazo atao amin'ny zorontrano efatra amin'ny trano kotona nahatonga ny fitenenana hoe "sakeli-mihoa-joro". - F.-p.: An-joro: ny eo atsimo atsinanana atsimom-patana tamin'ny tranon'ny Ntaolo fahiny. / Mahery anjoro: ilazana ny akoho ma-mono ny namany ao am-pisoko, nefa nony any ivelany kanosa mandositra ny akoho hafa. 1 h.i.: Olona mfldtakita sy ratsy fitondra ny ao an-trano, nefa tsy mahasehaka firy amin'ny any ivelany. / Misary zoro: ilazana ny akoho mankeo an-joro fa te-hanatody. / Zoro firarazana: ilazana ny zoron-trano avaratra-atsinanana izay natao firarazana (rary) na fivavahana. / Zorombarauarambe: ny zoron-trano atsimo-andrefana. / Zorom-barauarankely: ny zoron-trano andrefana-avaratra. / Zoron'akoho: ny zorontrano atsimo-atsinanana izay nitoeran'ny akoho amamborona nompiana (jer. an-joro). * Ohab.: Tsy hadalan'ny akoho no itoerany eo an-joro, fa toeram-boazara: entimilaza ny fanekena ny anjaran'ny tena, na ratsy io na tsara. Ahitsio
Zorina
[admin]
: (zotra) mt. ih. (zory): Arahina mahitsy tsy mivilivily: Ity lalana mianatsimo ity zorina dia ho tonga any am-piangonana ianao. 1 Tohizina: Ny lalana zdrina fa aza be resaka eo! Ahitsio
Zongozongo
[admin]
: a.: Dian'olon-drery. - t.i.f.: Mizongozongo, fizongozongo, mpizongozongo 1 izongozongoana, fizongozongoanal mahazongozongo. Ahitsio
Zompona
[admin]
: na Jompo (Ski) a.: Karazan-trondro lehibe tsara hena, nefa tsy mba azo mainina loatra. (Manatody any an-dranomasina mandritra ny hefarana na hadimiana ny zompona rehefa tsinam-bolana) (Mugil macrole-Pis). Ahitsio
Zomà
[admin]
: a.: Andro fahadimy amin'ny herinandro, manarakaraka ny Alakamisy ary mialoha ny Asabotsy. Teo =in' ny Ntaolo malagasy, dia andro mainty fandevenana toy ny Alatsinainy ny Zomà; na-tao fitenenana ny hoe: "Zomà manantena" ary koa ny hoe "Tsy mahandry andro Zomà" satria tsy momba ny soa, tsy momba ny ratsy. a F.-p.: Tsy mahandry andro zomà: enti-milaza ny olona maika loatra alohan'ny fotoana. Ahitsio
Zoma
[admin]
: a.: Zohy, lava-bato. Ahitsio
Zoky
[admin]
: a. sady p. t.: Ny iray tampo teraka aloha: Niaraka izy mirahalahy ka ny zandriny no teo aloha ary ny zokiny tao aoriana. ? Be tanna kokoa: Zokin'ny rainay ny dadanareo. 1 Tsara indrindra, lehibe indrindra: Ity no zokin'asan'ny mpanoratra i Li. f.: Fahazokiana 1 fizokiana. - F.-p.: Zokin-damba: ilazana ny lambamena tsara sy lehibe indrindra amin'ireo ha-fa nentina namonosanà ny maty. / Zokin-karena: manankarena kokoa. / Zokiolona: ireo efa be taona ela nihetezana. I Zokin-taozauatra: sangan'asa, ny tsara indrindra tamin'ny asa natao. / Zoky be toa ray: ilazana ny lahimatoa na ny be tanna izay heverina ho solon-dray amandreny. * Ohab.: Ny manan-joky, afaka olan-teny; ny manan-jandry, afaka olan'entana: famaritana ny adidin'ny zoky sy ny zandry avy: anjaran' ny zoky ny mandray fitenenana raha misy teny atao, ary an'ny zandry ny mitondra entana raha misy entana entina. Ahitsio
Zojotra
[admin]
: a.: Zaitra mandeha tsotra hatrany tsy misy tatnpody;vikavika. 6 t.if.: Manjojotra. Ahitsio