Teny nampidirina farany

Zoina
[admin]
: (zo) p.t.: Iharan-doza, iharam-pahavoazana, iharampahoriana: Nozoin-doza lava Ramatoa io no nahalasa adala azy. Ahitsio
Zohina
[admin]
: (zohy) mt. ih. (zohio): Arahina: Loza fa zohin'Ikoto i rainy na aiza na aiza alehany. ~ Enjehina: Nozohin' ny mpiambina ilay mpangalatra ka azony. ? Hatonina, jokoina: Zohio moramora io Papelika io sao lasa. Ahitsio
Zohy
[admin]
: a.: Lavaka na lozoka mandady fa tsy mitsatoka midina: Niery tany anaty zohy ireo mpandositra Ahitsio
Zohy
[admin]
: a.: Fanarahana avy eo aoriana. ~ Fandehanana manjokozoko ohatra ny antidahy. 1 Famelana handeha aloha. 1 t.if.: Zohina, voazohy, zinohy 1 manjohy, fanjohy, mpanjohy 1 aniohiana, fanjohiana 1 mifanjohy / mahazohy 1 zohizohy. Ahitsio
Zofina
[admin]
: (zotra) mt,ih, (zofy): Zairina atao vikavika, vikavikaina, gorampaina. Ahitsio
Zo
[admin]
: a.: Haja amam-boninahitra, laza soa. ~ h.i.: Fahefana ananan'nY olona iray amin'ny maha-izy azy; hasina: Zoko ny anajanao ny firazanako. / Mizaka ny zdm-pirenena malagasy aho. ? Tombon-tsoa manokana, fahasoavana:"Zato ianao Ambohipo, / Manan-jà / Tiako honenana aoko izany /'Zany tany", X - F.-p.: Manan-jà: manan-jara, ambinina, sambatra. Ahitsio
Zo
[admin]
: a: Loza mihatra, zava-midona, fahoriana, vitan-dratsy. - t.i.f.: Zoina I manjd, fan-id, mpanjô I fizoina. Ahitsio
Ziva
[admin]
: a: Kirihitr'ala. Ahitsio
Ziva
[admin]
: (fit.-p.) a: Mpifankatia ara-belirano toy ny mpihavana akaiky mihitsy, nefa mifanompa na mifanozona ho mari-pisakaizana. - t.i.f.: Miziva, fiziva, mpizlva. Ahitsio
Ziriziry
[admin]
: a: Fijoroana miridiridy tsy mihetsika, •Fitokonana, di-doha, fitokozihitra. 1 t,tf.: Aziriziry, tafazirfziry/ miziriziry, fiziriziry, mpiziriziry / iziriziriana, fiziriziriana/ mahaziriziry. Ahitsio
Zipo
[admin]
: (fr. jupe) a.: Akanjombehivavy mandrakotra ny valahana no ho midina ka hatreo ambony na ambany 1ohalika arakaraka ny lamaody. - t.i.f: Mizipo, fizipo, mpizipo 1 izipoana, fizipoana / mahazipo. - F.-p,: Zipo jobo lava: zipo kely vava fa be vatana ary lava. / Zipo tapaka: zipo fanao anatiny. Ahitsio
Ziona
[admin]
: sy Zionjiona ft.: Fiviliana, fivembenana. - t.i.f.: Azionjiona, tafaziona, tafazionjiona j miziona, mizionjiona j izionjionana, fizionana, fizionjionana. Ahitsio
Z'inona
[admin]
: (izay inona?) a.: Teny enti-maneso sy manao tsinontsinona ny sasany: Z'inona ialahy no mba manontany? / — Hauana e, Razoky, ka ualio ihany; / Biby; samy biby ka mifang!à! (Rakotovao Joh.). Ahitsio
Zinohy
[admin]
: (zohy) mt, ih. mizy tsofoka in: Voazohy, nozohina, zohina, arahina tsara: Raha zinohy tsara ny tantara, dia hita fa fitiauan-kampiray no nahatonga an'Andrianampoinimerina hanafika hatraiza hatraiza Ahitsio
Ziniziny
[admin]
: sy Zinjina ft.: Firintonana amin-katezerana. / t.if.: Miziniziny, fiziniziny, mpiziniziny / mizinjina, fizinjina, mpizinjina 1 iziniziniana, fiziniziniana / izinjinana, fizinjinana. Ahitsio
Zingaina
[admin]
: (zinga) mt, ih. (zingao): Tovozina amin'ny zinga: Aza zingaina ny rano ao an-tsinibe. Ahitsio
Zinga
[admin]
: a.: Fanovozan-drano any am-pantsakana na ao antsinibe: Touozy amin'ny zinga ny rano. 1 Fisotroan-dra- no: Zatra amin'ny an-tohojfnga ka tsy velona amin'ny an-kararàna. ? Vata famarana taloha mitovy fatra amin' ny 5 litatra amin'ny famarana ankehitriny. - t.i.f.: Zingaina, voazinga / manjinga, fanjinga, mpanjinga I anjingàna, fanjingàna 1 mahazinga. - F.-p.: Manao rano dikain' ny zinga: tsy manaja ny ambaratongam-pahefana fa mandingana. Ahitsio
Zinevo
[admin]
: (zevo) mt.ih. misy tsofoka in: Voazevo, nafangaro, nampifangaroina: Nahoana no nozinevonao ny ondrinao sy ny ondrinay? Ahitsio
Zinera
[admin]
: (zera) mt. ih. misy tsofoka in: Voazera, nazera, navarfna: Nozinera tao Ampamarinana ireo martiora Ahitsio
Zinara
[admin]
: (zara) mt. ih, misy taofoka in: Voazara, nozaraina ho toko maromaro ka omena amin'ireo ny olona izarana; tantanina: Tsy ampy ny voankazo nozinara Ahitsio