Teny nampidirina farany

Zerana
[admin]
: (zera) mt. ih. sy pdr. (zerao): Latsahana: Nozeran' ny taila ny lohan janako. ~ Asiana, riatana: Nozeran'ny miaramila ny fahavalo ka rifatra nandositra. ? Tsipazana (zavatra mavesatra): Nozerany vato be ilay bibilava ka dangy ter)). Ahitsio
Zera
[admin]
: a: Fandabohana, fandavoana, fanaovana izay hahapotraka. 1 tif: Zeràna, azera, voaze• ra, zinera / maniera, fanjera, mpanjera / anjerana, fanjerana / mianjera, fianjera, mpianjera 1 ianjerana, fianjerana / mahazera 1 zerazera. Ahitsio
Zepoleta
[admin]
: (fr. les épaulettes) a: Kiramborambo eny amin'ny sorok'akanjon'ny miaramila izay matetika azo amantarana ny gradiny. Ahitsio
Zepizepy
[admin]
: ft.: Niavian'ny hoe "Manjepizepy, fanjepizepy". Ahitsio
Zepe
[admin]
: (fr. des épées) a.: Sabatra. Zeperona (fr. des éperons) a: Vy mifaraingo apetaky ny mpitafngin-tsoavaly amin'ny wpditongo-kirarony ka anindronany ny takiban-taoavaly rehefa tiany hihazakazaka mafy. Ahitsio
Zenjena
[admin]
: a: Fandehandehanana tsy misy antony. - t.i.f.: Manjenjena, fanienjena, mpanjenjena / mizenjena fizenjena, mpizenjena 1 anjenjenana, fanjenjenana I izenjenana, fizenjenana I mahazenjena. Ahitsio
Zenizeny
[admin]
: p.t.: Botribotry, fohy mibotetateta. Ahitsio
Zeny
[admin]
: p.t.: Fohy kely, iva dia: Olona zeny (jer. Bozeny). 1 t.i.f: Zenizeny. Ahitsio
Zendana
[admin]
: p.t.: Gaga tsy mahateny fa kehana foana amin' ny fahitana zavatra iray tsy nampoizina eo amin'ny toetrany; talanjona; mitampimbava: Zendana aho nahita ilay vy be an-taonina maro misosa miakatra eny amin' ny habakabaka - t.i.f.: Mahazendana. Ahitsio
Zehozeho
[admin]
: a.: Teny ilazana fandeha miadana ary mibaikabaika toy ny an'ny antitra, mihozohozo raha mandeha. - t.i.f.: Mizehozeho, fizehozeho, mpizehozeho / izehozehoana, fizehozehoana / mahazehozeho. Ahitsio
Zehivava
[admin]
: a.: Harona boribory samy iray injehy ny vavany sy ny halaliny. Ahitsio
Zehy
[admin]
: a.: Halavan-drefy hatreo amin'ny ankibe ka hatramin' ny tendron'ny fanondroadala henjanina tsars. — Ny zehy dia fampiasa indrindra amin'ny fandrefesana farafara, sakan-tenona, hatevenandrindrina: Ny halauan'ny zehy iray dia mitovy amin'ny voantondro valo na folo eo ho eo. (Marihina fa ny filazana ny refy amin'ny zehy dia hoe: irain-iehy, roan-jehy, telon-jehy sy ny sise... fa tsy lazaina hoe: iray zehy na roa zehy na telo zehy...). - t.i.f.: Zehena, azehy, voazehy, zinehy / manjehy, fanjehy, mpanjehy / anjehena, fanjehena j mahazehy / zehizehy. Ahitsio
Zehena
[admin]
: (zehy) mt.ih. (zehèo): Refesina amin'ny zehy: Zeheo kely ny hala- 105-, uan'ny rindrina atsimo. ? Ferana, faritana, fangitana: Tsy azo zehena ny fahefan' Andriamanitra. Ahitsio
Zefatra
[admin]
: a.: Vesatra, lanja. J t.i,f.: Mazefatra. Ahitsio
Zebizeby
[admin]
: Jar. Zepizepy. Ahitsio
Zebizeby
[admin]
: (t. tr,) p. t.: Tondra-ka. Ahitsio
Zazavavindrano
[admin]
: a.: Karazan' olon-dia tsars tarehy, hono, ka voalaza ho mipetraka amin'ny zohy any ambany rano na amin'ny zohy mivoaka avy anaty rano, ka mivelona amin'ny hazandrano manta. Ahitsio
Zazavao
[admin]
: a.: Anarana enti-milaza ny tovolahy vao nantsoina ho ambany faneva. Ahitsio
Zazahova
[admin]
: a.: Anarana nomena ny Hova na ny Andriana izay lasa babo tamin'ny ady an-trano maro fahizay ka tonga andevon'ny mpanjaka, na ireo verin-trosa na meloka tamin'ny fanjakana ka noverezin-jo. Ahitsio
Zaza
[admin]
: a: Ankizy mbola kely tsy tonga taona: Tsy dia azo omen-tsiny loatra ny zaza. ? p.t.: Tsy mato-tsaina, tsy mieritreritra, manao fanahinjaza: Ny uatany fotsiny no lehibe fa mbola zaza raha I-koto, - t.i.f.: Mihazaza, fihazaza 1 ihazazana, fihazazana 1 mazaza. - F.-p.: Zaza ampY mihira: zaza efa voafandriky ny renin-drazazavavy mialoha fa hotezainy. / Zaza atodiorokoroka: zaza kely vao tara-ka. / Zaza bodo: zazambola tsy vory saina. ¶ M.h.: Voatavo tsy mifandraka. / Zaza botretra: tsy mbola mahay mivoaka irery (na mangery na mivalan-drano). / Zazahova: olom-potsy noverezintrosa ka nandevozina. / Zaza indray mihira: olona mitovitovy taona niara-nilalao. /Zaza iray ranonorana: mbola kely, vao herintaona. / Zaza kamboty: zaza maty ray sy reny. / Zaza kamboty ila: zaza maty ray na reny ihany. / Zazakely: zazambola kely, eo amin'ny herintaona na roa taona. / Zazalava: zanaky ny mpiray tam-po izay nifanarahan'ny ray aman-dreniny fa hanana anjara mitovy amin'ny lova izay tonga hiombonana amin'izay fotoana izay. 1 Zaza mahalia tala-na: zaza mety ho tonga irery any amin'izay alehany. / Zaza mahary tanàna: zaza afaka mihazakazaka irery eran'ny tanàna, / Zaza mahasaro-dreny: tsy tantanan-dreniny intsony rehefa mande-ha. / Zaza mahatokan-dalana: (mitovy amin'ny mahalia lalana). / Zaza mandry fe ha-riva: zaza mahantra mandry amin'izay aharivan'ny andro. / Zaza manga: ireo Masombika namidy ho andevo teto fahizay. / Zaza maroroka: zaza mitombo izaitsizy ka tsy arakaraka ny fitomboan'ny vatany ny fitomboan'ny sainy. I Zaza menauaoa: zaza vao teraka na vao musa andro na volana vitsivitsy. / Zaza miavona: zaza tsy teraka ohatra ny zaza rehetra fa ny fïtombenany no miseho sy lasa aloha fa tsy ny lohany. 1 Zaza mifonaizana: zaza iray tam-po mifanarakaraka. / Zaza mitoetra irery: zaza efa mahay mipetraka irery. / Zozo natsangano: zaza nosoratana tamin'ny fanjakana na "natsangana" teo anatrehan'ny fokonolona fahiny ka nolazaina fa hatao toy ny zanaka nateraka mihitsy, tezaina ary mahazo mandova ny fananana. / Zaza rano: zaza maty raha vao teraka kely foana. / Zozo sary: zaza tsy manandray ara-dalàna. / Zaza tsy maoty: zaza tsy mbola misara-nono. / Zaza uao: 1) olona Zeh vao miana-draharaha, mp anavao: Mboid zozo uao amin' ny raharahony izy; -2) ireo tovolahy vao nantsoina ho miaramila. / Zaza votsa na koa zaza hetry: zaza tratra aoriana amin'ny fandehanana. / Zaza momba reny: entin-dreniny, izay nisaraka, rehefa nahazo vady reniny. / Zaza seua: diso aoriana kely ny fotoan'andro ahaterahany. / Zaza tsy an-tranon-dreny: zaza mitoetra amin-drenikely. / Afa-jaza: enti-milaza vehivavy teraka tsy mbola tonga andro ny zanany ka maty. / Manala zaza: manao izay hahafaka ny zaza ao ankibo. / Manangan-jaza: milaza ary manoratra amin'ny bokim-panjakana na mampiseho eo anatrehan'ny fokonolona fa Ranona dia zanahina ka mahazo mandova ny fananan'ny tena. 1 Manary zaza na mamalan-jaza: milaza ary manoratra amin'ny bokim-panjakana na mampiseho eo anatrehan'ny fokonolona fa Ranona, izay zaza naterany dia ariany na avalany tsy ho zanaka intsony ka tsy mahazo mandova ny fananany. / Mihetsi-jaza: entimilaza ny vehivavy bevohoka izay mahatsiaro maharary fa efa akaiky ny hiterahany. Ahitsio