Teny nampidirina farany

Zavozavoina
[admin]
: p.t.: Enti-milaza loko atao somary matromatroka, tsy matevina na mifotetaka. Ahitsio
Zavozavo
[admin]
: a.: Aloka na haizina na ny fitambatry ny rahona tsy ahitana tsara zavatra manodidina. 6 t. t f : Zavozavoina, azavozavo, voazavozavo 1 manazavozavo, fanazavozavo / anazavozavoana, fanazavozavoana 1 manjavozavo, fanjavozavo 1 anjavozavoana, fanjavozavoana. Ahitsio
Zavontany
[admin]
: p. t.: Enti-milaza zavatra na isa be dia be, tsy tambo isaina. Ahitsio
Zavona
[admin]
: a.: Fitangoronam-bovo-drano matevina mitorajofo amin'ny maraina na ny hariva eny amin'ny habakabaka, akaikin'ny tany kokoa noho ny rahona, ka mazàna misafosafo eny an-tampon'ny tendrombohitra: A-min'ny sivy eo ho eo vao misaaa ny zavona. - t.i.f.: Manjàvona, fanjàvona, mpanjàvona 1 anjavonana, fanjavonana 1 zavonjavona. - F,-p,: Misaua ny zavona: lasa na foana ny zavona; enti-milaza koa ny fahataperan' ny fotoam-pisaonan'ny maty vady. / Tongo-javona: ilazana ny erikerika sy zavona mirefarefa eny amin'ny toerana ambany rehefa levona ny betsaka. / Zavom-pisaka: ny zavona manify sisa tavela eny an-dohasaha sy eny ankavoana. J Zavon-tany: jar. Zavontany. Ahitsio
Zavavy
[admin]
: a.: Teny ilazana na iantsoana ny tovovavy. Ahitsio
Zava-pihinana
[admin]
: karazan-tsakafo masaka. / Zava-pisotro: karazan-drano misy alkaola. / Zava-tsofina: zavamaneno tso fina fa tsy mba tendrena. Ahitsio
Zavatra
[admin]
: a.: Izay rehetra misy na hita vatana izany na an' eritreritra: Ny fanahy dia zauatra manan-tsaina fa tsy manam-batana na ren'ny fandrenesana. ? Teny ilazana izay rehetra tsy manana aina, izany hoe: tsy zavamaniry na biby na olona: Hividianana ny zavatra ilaina amin'ny fiainana no ilana ny vola. / Ny akalana dia zauatra ampiasain'ny mpivarokena mba hikapany ny taolana. ? Teny ilazana toe-draharaha araka ny nisehoany: Tantarao amiko tsara ny zauatra rehetra, • Teny ilazana izay heverina ho tsara, ho ambony: Izany ka tena zavatra! / Manao azy ho zauatra io tovolahy io, • Teo amin' ny finoan'ny Ntaolo, karazana fanahy ratsy tsy fantatra, ivelan'ny olombelona, izay mety hanimba azy ka natahorany: Rano misy zauatra io ka tandremo. ¶ M.h.: Ra-ha. - F, -p.: Arahin-javatra: ilazana ny olona voasompatry ny angatra na lolo na fanahy ratsy izay mahatonga aretina. / Manao azy ho zavatra: mihevi-tena ho kanto na mahay noho ny hafa. / Manao ny ainy tsy ho zauatra: manao an-tsirambina ny aina eo ampitadiavam-bola, mihafy tafahoatra mba hahazoana vola na laza. / Mararin-jauatra: marary noho ny hasomparan' ny lolo na angatra no antony. / Zana-javatra: olona tsara tarehy voateny amin'ny angano (fiteny nitarina tat? aoriana ilazana zazavavy tsara tarehy fatratra). / Zavadratsy: anaram-bosotra iantsoan'ny olona ny kary. / Ahitsio
Zavamaniry
[admin]
: a: Anarana ikambanan'ny zavatra rehetra avy amin'ny voa alevina ao anaty tany ka mitombo ho azy irery ao, misy faka, taho, ravina, voniny ary voa. Zavarina (zavatra) mt. ih. (zavaro): Atao, amboarina: Zauarin'ny mpandrafitra ho fanaka tsara tarehy ny hazo ala marokoroko. • Terena: Nozavarin'ny fahoriana no nahatonga azy hangalatra. Ahitsio
Zavamaneno
[admin]
: a.: Anarana itambaram-be ilazana zavatra amboarin'olombelona mba hamoaka feo mahafinaritra azo anaovana feon-kira na anarahana hira: Ny sodina, ny valiha ary ny gitara dia samy zauamaneno. Ahitsio
Zavamananaina
[admin]
: na Zavamiaina a.: Ny zavatra rehetra misy aina ka mandeha na mihetsika, ary teraka, velona, dia maty, toy ny olombelona, ny biby... Ahitsio
Zavakanto
[admin]
: a.: Ny zavakanto, dia hetsiky ny olombelona, na vokatry ny hetsiny, manana tanjona mandamina ny zavatra mikasika ny fitsapa, ny fahatairana ary ny haranitan-tsaina. Ny dikany dia miova arakaraky ny toerana isiana sy arakaraky ny taona, ary tsy misy amin'ireo no tena eken'ny rehetra. Izay antony isokajiana ny vokatra ara-javakanto arakaraky ny kolontsaina, ny mpanao sy ny fianarana. Araka ny fampiasana matetika nitranga nandritra ity taonjato faha 21 ity, ny zavakanto dia mandrakotra ny vokatry ny « zavakanto tsara » toy ny arsitektiora (maritrano), ny sary sikotra, ny hosodoko, ny mozika, ny dihy ary ny tononkalo (ao amin'ny haisoratra), ao koa ny sinema, ny sokitra, ny teatra, ny fakana sary, ny tantara an-tsary, ny televiziôna, hatrany amin'ny zavakanto arakisa (numérique). Ny fisokajiana ny zavakanto dia tsy mitovy manerana izao tontolo izao ary afatsy ny sinema (zavakanto faha fito) nanana fahombiazana manokana, ny fisokajiana ny zavakanto rehetra amin'ny fomba eken'ny rehetra dia tsy afaka atao, ary tsindraindray tsy ilaina. Ahitsio
Zavajavatra
[admin]
: (zavatra) a.: Teny enti-milaza zavatra madinika isan-karazany tsy tononina anarana. Ahitsio
Zava
[admin]
: Hazava, Hazavana a,: Taratra manenika toerana iray ka mahatonga ny zavatra rehetra iantefàny ho hitan'ny maso. - t.i.f.: Hazavaina, voazava 1 manazava, fanazava, mpanazava / anazavana, fanazavana 1 mihazava / mihamazava I ihazavàna, fihazavàna 1 hazavana / fahazavana 1 mahazava / mazava. 1056 Zavaboary a.: Ny zavatra rehe-1056 noarfna, izany hoe nisy mpanao fa tsy nisy ho azy: Ny anjely sy ny olombelona no ambony indrindra amin' ny zauaboary rehetra. • Ny fitambaran'ny avatra hitan' ny maso mano? idina ny te-na, toy ny habrkabaka, ny rano, ny hazo: Lasam-binany izy nandinika ny zauaboary tamin'io maraina io. Ahitsio
Zatra
[admin]
: p. t.: Fatra-panao zavatra na asa iray ka sarotra alana amin'ny toetra aterak'izany: Zatra mandainga Ibalita. ? Fatra-panao asa iray ka tsy manavao amin'izany: Efa zatra milatsaka amin'ny elonaina Rakoto ka tsy matahotra. ? Tamana: Efa zatra ity alika ity ka aza fatorana intson y, - t.i.f.: Zàrina / manazatra, fanazatra, mpanazatra 1 anazarana, fanazarana / mankazatra, fankazatra, mpankazatra 1 ankazarana, fankazarana 1 mifankazatra 1 ifankazarana, fifankazarana 1 mihazatra / mahazatra / fahazàrana / zajatra. * Ohab.: Zatra ny antohojinga ka tsy uelon'ny an-karardna: efa zatra ny miadana ka sahirana rahefa sendra ny sarotra. Ahitsio
Zatovo
[admin]
: a.: Olona tanora, na lahy na vavy, mbola tsy manambady: Zatovolahy, zatovovavy. * Ohab,: Zatovon'ny aty, zazalahin'ny any: enti-milaza olona miandany amin'ny antokon'olona roa sady an'ny at? no an'ny any. Ahitsio
Zatoina
[admin]
: (zato) mt. ih, (zatoy): Zaraina zato, zaraina antokony zato. Ahitsio
Zato
[admin]
: p.i.: Sivy amby sivifolo ampiana iray, na folo impolo: Zato taona. — Ireto avy :ay isa milaza ny isan-tokony zato: zato, roanjato, telonjato, efajato, dimanjato, eninjato, fitonjato, ualonjato, siuinjato. - t.i.f.: Zatoina, voazato 1 manjato, fanjato, mpanjato / anjatdana, fanjatùana / mahazato 1 injato l fahazato. Ahitsio
Zarina
[admin]
: (zatra) mt. ih. (zaro): Atao tonga zatra: Zaro miteny ampahibemaso io touolahy io fa saro-kenatra loatra. Ahitsio
Zaridaina
[admin]
: (fr. jardin) a.: Tanimbolim-boninkazo. Ahitsio
Zary
[admin]
: p.t.: Tonga: Zary ngazana ny tany noho ny tsy fiaian'ny orana enim-bolana. - t.i.f.: Maniary, fanjary, mpanjary 1 anjariana, fanjariana / mampanjary 1 zarizary. Ahitsio