Teny nampidirina farany

Zareo
[admin]
: s.o.: Ny ankilany, ireo amin'ny ankilany: Ry zareo ao avaratra. Ahitsio
Zarana
[admin]
: a.: Tahon-javatra andraisana azy: Zaran'angady. ¶ M.h.: Harana, taho, tango. Ahitsio
Zaraina
[admin]
:(zara) mt.ih. (zarao): Za Tantanana: Samia maka toerana fa hozaraina ny hena. • Omena ny tompony tsirairay: Andraso fa efa hozaraina ny kahienareo. • Atoko: Zarao fito ireto mpianatra ireto, 1 Didiana: Zarao efatra ity paoma ity. Ahitsio
Zara
[admin]
: a: Zavatra efa voatendry ho an-tena, anjara, tantana: Ity ny zara fihinananareo. ? Fitantanana: Aza manao zara vilana. / Efa uita ve ny zara uarin'ny marary? ? Vintana tsara, hasambarana: Zara ho azy ny fahombiazany tamin'ny fanadinana. 1 t. if.: Zaraina, voazara, zinara 1 mizara, fizara, mpizara 1 izarana, fizarana 1 mahazara j zarazara. - F.-p.: Be zara: manam-be sy nambfnina ka tretrika. / Lany zara: 1) enti-milaza zavatra nozaraina ka tsy misy ambiny hozaraina intsony. -2) enti-milaza koa ny zazavavy efa lehibe tsy misy ma-ka vady intsony. / Mananjara: manana tombon-tsoa manokana tsy ananan'ny ha-fa, mahazo soa, sambatra. I Zara fa vita: vita kongorevo sady ratsy. / Zara fihinanana: enti-milaza ny vola na zavatra na sakafo omena ny havana misaona amin'ny fandroana noho izy tsy mba "mandro". / Zara levenana: anarana enti-milaza ny vola famangiana amin'ny fahoriana omen'ireo havana akaiky dia akaiky ny tompo-manjô ka izy io no lehibe indrindra amin'ny famangiana atao raha misy fahoriana. / Zara nahandro: ny fanomezana o-mena ny olona tonga manatrika fandevenana. / Zara tokon-kena: 1) anjara hena mitovy. -2) fiteny ilazana ny rahavavim-bady alain'ny lehilahy iray maty vady. / Zara vilana: fizarana tsy marina misy fiangarana ka misy kely sy lehibe. / Zarazara hoditra: ilazana volon-koditra izay tsy lasa fotsy nefa tsy mainty koa. * Ohab.: Tondraka anio manan-jara, izay ampitso ka ho hitanao: fitenin'ireo manaram-po indray andro amin' ny be ananany fa tsy miraharaha na mitsinjo izay ho avy, Ahitsio
Zaotra
[admin]
: a.: Mpiray tam-po amin'ny vady, mitovy amin' ny Naotra (ny Z sy ny N renisoratra azo ampifanoloina): Zao-dahy, Zao-bauy. Ahitsio
Zaotra
[admin]
: ft.: Hahia, hanifisana. 1 Mazaotra. Ahitsio
Zao
[admin]
: Jer. Izao. Ahitsio
Zanvie
[admin]
: (fr. zanvier) na Janoary a.: Volana voalohany amin'ny taona aralia ny fanisanandro vahiny antsoina hoe kalandrie; iraika amby telopolo no isan'ny andro amin'ny volana Zanvie (ny amin'ny anarany, jar. Avrily). Ahitsio
Zanozano
[admin]
: a: Anaran'ny rantsan-kazo amin'ny Betsimisaraka; rehefa nidina nankany amin'ny Betsimisaraka moka sirs na mikarama ny Bezanozano dia nitondra rantsan-kazo maina hataina nony mby teny akaiky tanàna; izany no naharaikitra ny anaran'ny Bezanozano. Ahitsio
Zanozano
[admin]
: a.: Fomban-drandram-bolo fanao any an'indrana, indrindra amin'ny Bezanozano, Betsileo, Antandroy: atambatra ny randrana fa avons isaky ny soritra, dia mirazorazo maromaro manodidina ny loha. Ahitsio
Zany
[admin]
: Jer, Izany. Ahitsio
Zandrimpeny
[admin]
: a.: Ilay tonontaolana voalohany amin'ny ela-borona, atao koa hoe "solompeny". Ahitsio
Zandry
[admin]
: a.: Ny iray taro-Po teraka aorian'ny zaza iray: Faly Ikoto fa vao nahazo zandry. ? Izay rehetra kely taona noho ny olona iray: Zandriko ny rahalahinao sa-tria teraka tamin'ny taona 1952 aho fa izy kosa tamin' ny taon 1955. Ahitsio
Zandiana
[admin]
: (fr. indienne) a. na p, t.: Teny enti-milaza lamba somizo be soratra. Ahitsio
Zandary
[admin]
: (fr. gendarme) a.: Antokon'olona sady manao raharaha-miaramila no miandraikitra koa ny fandriampahalemana sy ny filaminana toy ny polisy. Ahitsio
Zanatany
[admin]
: a.: Tany izay zanahin'ny tany iray hafa, izany hoe alainy an-keriny na ankafetsena ho eo ambany fifehezany ka mifamatotra aminy amin'ny lafiny maro: ara-barotra, ara-toe-karena, ara-tsaina... Ahitsio
Zanaraly
[admin]
: na Zaranaly a.: Tsy fampiasa intsony ireo teny ireo fa Jeneraly no fiteny ankehitriny (jer. io teny io). Ahitsio
Zanapeo
[admin]
: a.: Anarana omena ny zanatsoratra eo amin'ny fanononana. Misy karazany roa ny zanapeo, dia ny zanapeo tsotra ary ny zanapeo sosona (ao, ai, oi...). Ahitsio
Zana-tsindrife
[admin]
: zanaky ny mpanompovavy tamin'ny tompolahiny. / Zanaka antrano: zanaka tsy nateraka fa velomina sy karakaraina toy ny zanaka. / Zana-bantony: ny zanaka nateraka voalohany. / Zana-baratra: enti-milaza ny zanaka na zaza notezaina, nefa tsy mahay mankasitraka ary manisy ratsy indray aza aty aoriana. / Zana-bohitra: vohitra kely. / Zana-bola: ilazana ny vola aloan'ny mpisambotra ambonin'izay nosamboriny. / Zana-dandy: soherina avy amin'ny landy. / Zana-dreniny: ilazana ny zaza zanaky ny vehivavy efa miandoha ho lehibe. f Zanakalo: olona hafahafa, sarotsarotiny. / Zanakazo (jer. io teny io). / Zanak'entana: zavajavatra amponosana manampy ny tena entana entina. / Zana-tany: ny teraka tao amin'ny tany niaviany. f Zana-tefY: ny zaza entin-drainy manaraka azy eny an-tsaha ka miara-misakafo aminy nefa tsy mba niasa akory. / Zanatohatra: ny hazo mitsivalana amin' ny renitohatra. / Zana-tsipika: hazo marani-doha alefa amin'ny tsipfka. / Zana-tstrika: hazo noranitina ka nofehezina volomborona madinika ny tapany mba hitsoriahany rehefa alefa ao anatin'ny renitsfrika. / Atao zanaky ny maty: enti-milaza olona tokony mba hotiavina, nefa toa hadinoina na tsy izarana soa. / Mivolo zanaka: enti-milaza ny ray aman-dreny izay miangatra amin'ny samy zanany na zana-kavany. / Mampihanta zanaka:mampanaram-po ny zanaka. * Ohab.: Manao zanaka anaty fo maharary: enti-milaza ny ray aman-dreny miangatra amin'ny zanany naterany, izay heveriny ho hany mahalala mangixifiry, fa ny an'ny hafa tsy ahoany na kely akory aza. / Tsy misy mamy ohatra ny zanaka, fa raha manaikitra ny nono akifika: enti-milaza fa na dia izay tiana lndrindra aza, raha tafahoatra ny toetra asehony dia akipaka. ¶ M.h.: Nateraka, silaky ny aina, sombin'ny aina, menaky ny aina, naloakan'ny kibo. Hevitra iray tarika: Zana-drahalahy, zana-drahavavy, zanak'anadahy, zanak'anabavy, tsy omby kibo, solo, solofo, dimby, taranaka, teradRanona, zaza navelan-dRanona, zaza natsangana. Ahitsio
Zanaka
[admin]
: a.: Olona na biby nateraky ny hafa, na tokotokony ho izany ara-taona na dia tsy naloakan'ny kibony aza: Tokony hanaja sy ho tia ny ray aman-dreniny ny zanaka. / Zanak'omby. ? h. o.: Vola ateraky ny petrabola na vola nosamborina: Zana-bola. - t.i.f.: Zanahina I manjanaka, fanjanaka, mpanjanaka 1 anjanahana, fanjanahana 1 ampanjanahina 1 mampanianaka / fampanjanahana / mizanaka. - F.-p.: Zanaka naloakan'ny kibo: ny zaza nateraka. / Zanaka natsangana: olona nozanahina ho zanaka teo anatrehan'ny fanjakana. / Zana-bady: zanaky ny vady ta-min' olon-kafa. I Zana-dranitra: zanaky ny mpanompolahy tamin'ny tompovaviny. Ahitsio